Miomàna ary manomana vatsy sahaza ny mandrakizay

Nampiditra : hery
Daty : 06/08/2016

Miomàna ary manomana vatsy sahaza ny mandrakizay” (Lk 12, 32-48)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ho avy ny Tompo, ary tsy maintsy hoavy na tianao na tsy tianao. Tsy maintsy hoavy Izy na vonona ianao na tsy vonona. Tsy maintsy ho tonga Izy na mendrika ianao na tsy mendrika. Tsy misy azoko atao, tsy misy n’inona na inona azoko sy azonao atao hanakanana ny fahatongavany: faly ianao amin’ny fahatongavany, tonga Izy; tsy faly ianao amin’ny fiaviany, hoavy ihany Izy. Mazava izany. Dia avy amin’ilay fitenin’ny tanora hoe: izay tsy faly mibontsina, fa Izy tsy maintsy tonga hamarana ny fotoana. Sangisangy zary tenany izany teniko izany.

Resaka ora sy fotoana le raha. Tsiahinao angamba ny vakiteny naroson’ny Fiangonana tamin’ny heriny ka nifampizarantsika teto ho vatsim-panahy izay nilaza sy nanoritra momba ny hahaizantsika mampiasa ny vola sy ny harena ho tohatra fiakarana hahazahoana ny lanitra. Fa amin’ty Alahady ity kosa ary ho vatsim-panahintsika mandritra ny herinandro dia mahakasika ny fampiasana ny ora sy ny fotoana eo am-pelatanantsika hiatrehana izany fiandrasana ny fiainan’ny lanitra izany. Araka ny efa voalazako ery ambony dia hoavy ny Tompo. Ny tian-ko lazaina amin’ny fiavian’ny Tompo dia hevitra anakiroa. Ny hevitra voalohany dia ny hoe: tsy maintsy ho faty isika fa tsy misy honina mandrakizay amin’ny fiainana maha olombelona. Ny hevitra faharoa kosa; izay manjohy an’izay voalohany izay ihany dia ny mahakasika ny andro farany; izay efa fatatsika rehetra amin’ny hoe “andro fitsarana”. Manoloana ny fahafatesana isika olombelona dia tonga amin’ny fitenin’ny Ntaolo hoe “Biriky maty rirany, ka miverina amin’ny maha tany azy”.

Tsy misy olona afaka hahalala ny andro hahafatesany na dia iray aza; lainga sy fitaka ary famahanan-dalitra fotsiny ny faminaniana isan-karazany ataon’ireo izay milaza fa mahalala ny andro hahafatesany. Azo vinaniana ihany angamba raha dia hoe efa atao piraogirama ny hahafatesana; zavatra hafa indray izay, na raha toa ka marary mafy ambavahaona. Fa raha olona salama sy tomady tsara dia tsy afaka hahalala ny ora hahafatesany.

Manoloana izany tsy fahalalana ny andro hahafatesana izany no itenenan’i Jesoa amiko sy aminao mba hiomana lalandava; ka hanokana ny ora sy ny fotoana rehetra ho fiandrasana ny hahatongavany izay tsy fantatra na ho rahariva na ho rahampitso maraina na ho afaka tapabolana. Dia inona ary no fiomanana azoko sy azonao atao raha izany? Tsotra ny fampianaran’ny Evanjely momba izany. Ny voalohany indrindra dia mahakasika anao sy ny fomba fitondranao ny tenanao. Ny atao amin’izany dia ny manaiky amin’ny fo fa mila miambina ny hiaviany; ka mikely aina sy milofo hitahiry ny “jiron’ny finoana” tsy ho lany solika. Ataovy mirehitra mandrakariva ny finoanao fa aza avela ho faty. Ny fiomanana faharoa kosa dia momba ny fifandraisanao amin’ny hafa. Tsy inona akory izany fa ny fanaovana ny marina sy fitandrovanao ny rariny mandrakariva: manaova ny marina amin’ny ora sy ny fotoana rehetra, araho ny rariny sy ny hitsiny amin’izay atoron’ny feon’ny fieritreretanao. Andraso ny rariny na dia tsy andrin’ny hafa aza. Mety hisy ihany “hiseho milay” ka hiteny hoe “tody mbola hoela ve no tsy hanaovan-dratsy”. Dia hoy aho hoe “ataovo ihany dia ho hitanao fa ny tampoka tsy maha be vava”

Ny hendry no anarina ary ny zaza tiana no tsy itsitsiana rotsa-kazo.

 

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1100 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org