Izaho sy ny Ray dia iray ihany

Alahady 17 Avrily 2016

Alahady Fahaefatra amin’ny Paka (Taona D)

« Izaho sy ny Ray dia iray ihany » (Jo. 10 : 30)

Rehefa avy nandinika ny misterin’ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty isika tao anatin’izay Alahady telo nifanesy fankalazana ny Paka izay dia asain’ny Fiangonana kosa androany hibanjina an’i Jesoa Mpiandry ondry tsara. Efa mazava amintsika rahateo ny fampianaran’ny Evanjely izay manaporofo fa tena velona tokoa i Jesoa, nitsangan-ko velona izy ary ireo vavolombelona nanatri-maso sy nahita azy velona no nanambara izany fa tsy hoe angano na tantara noforonina fotsiny izany. Azo lazaina ary fa io fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty io no fototra iorenan’ny finoantsika satria raha tsy mino isika fa velona mandrakizay izy ary miara-monina amintsika sy mihaino ny vavaka ataontsika dia tsy misy dikany ny andaniantsika andro mivavaka isan’andro, indrindra isan’Alahady amin’ny fankalazana ny andron’ny Tompo sy famonjena ny Sorona Masina izay andraisantsika ny Vatany sy ny Rany amin’ny Eokaristia.

Tena mino tokoa isika fa velona sy manome aina vaovao ho antsika izy araka ny fampanatenana nataony tamin’ny mpianatra fa tsy handao azy ireo na ovina na oviana fa ho eo amin’izy ireo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao. Tamin’io fotoana io indrindra izy no niteny hoe : « Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ; koa mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova batemy azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ; ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao » (Mt. 28 : 18 – 20). Io teny nataon’i Jesoa io no manamporofo fa tena naniraka ny mpianany tokoa izy hampijoro ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy amin’ny alalan’ny fizarana ny sakramentan’ny Batemy sy ireo sakramenta rehetra izay « famantarana mandaitra andraisam-pahasoavana, naorin’i Kristy sy nankininy amin’ny Fiangonana, izay izarazarana amintsika ny ain’Andriamanitra. Ny fombam-pivavahana hita maso izay ankalazana ny sakramenta, no mampahafantatra sy mampahazo ny fahasoavana manokana an’ny sakramenta tsirairay. Mamokatra ao amin’ ireo izay mandray amin’ny toe-panahy ilaina handraisana azy ny sakramenta » (Jereo Katesizin’ny Fiangonana Katolika, n. 1131).

Vakiteny I : Asa. 13: 14, 43 – 52

Tononkira : Sal. 100: 2, 3, 5

Vakiteny II : Apok. 7: 9, 14b – 17

Evanjely : Jo. 10: 27 – 30

Mazava io fampianarana io fa i Kristy mihitsy no nanorina ny sakramenta rehetra ary nankininy amin’ny Fiangonana ny fizarazarana izany mba hahazoan’ireo izay mandray izany ny ain’Andriamanitra. Ny Apostoly no nomen’i Jesoa ny fahafena feno hanatanteraka izany andraikitra izany ary izay fahefana avy amin’izy ireo izay no ifandovana ato amin’ny Fiangonana ankehitriny ka mahatonga ireo mpandraharaha masina rehetra, indrindra ny Eveka sy ny Pretra hanana fahefana feno hizara ny ain’Andriamanitra amin’ny alalan’ireo sakramenta naorin’i Kristy ireo. Tsy afa-misaraka tokoa ny fizarana ny sakramenta sy ny asa fisoronana ataon’ny mpandraharaha masin’ny Fiangonana, izany hoe tsy ho afaka handray ny sakramenta na oviana na oviana isika raha tsy misy ireo mpandraharaha masina ireo ka izany no anasan’ny Fiangonana antsika androany hivavaka manokana mba ho maro ireo mamaly ny antso hanatanteraka io fandraharahana masina io.

Tahaka ny isan-taona tokoa, araka ny efa fantantsika, dia ity Alahady Fahaefatra amin’ny Paka ity no ankalazana ny fetin’ny Mpiandry ondry tsara izay anasan’ny Fiangonana antsika indrindra hivavaka manokana mba ho maro ireo antsoin’Andriamanitra ho mpisorona ka ho mpiandry ondry misolo tena an’i Kristy dia ny Eveka sy ny Pretra miara-miasa aminy izany. Raha ny Tenin’Andriamanitra mitantara ny fisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianatra taorian’ny nitsanganany ho velona no naroson’ny Fiangonana ho antsika tao anatin’izay Alahady telo nifanesy fankalazana ny Paka izay, araka ny efa nambarantsika etsy ambony, androany kosa dia mahakasika manokana an’i Jesoa Mpiandry ondry tsara no ambaran’ny Evanjely izay iarahantsika mandinika. Ambaran’i Jesoa mazava tsara fa izy no ilay Mpiandry ondry tsara nirahin’Andriamanitra Ray hamonjy antsika olombelona tamin’ny nanolorany ny tenany hampijaliana sy ho faty teo amin’ny Hazofijaliana saingy nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo araka ny voalazan’ny Soratra Masina izay aroson’ny Fiangonana ho antsika ombieny ombieny mandritra izao fankalazana ny Paka izao.

Ambaran’ity Evanjely androany ity ary fa : « tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka Jody nanao hoe : Izaho no Mpiandry ondry tsara. Ary dia niteny koa Izy nanao hoe : Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, omeko ny fiainana mandrakizay izy, ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. Ny Raiko Izay nanome an’ireo dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka, eo an-tanan’ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany » (Jo. 10: 27 – 30). Isika vita Batemy rehetra no ambarany eto fa ondriny mihaino ny feony ka sady fatany no mahalala azy ihany koa. Tena marina izany satria raha tsy mahalala an’i Jesoa isika dia tsy hanatona azy sy handray azy amin’ny alalan’ny Eokaristia. Efa iray aina aminy ihany koa isika tamin’ny sakramentan’ny Batemy noraisintsika ka izany no mahatonga antsika hanaraka azy amin’ny alalan’ny fahazotoantsika mivavaka sy mandray ireo sakramenta rehetra izay atolony antsika mba hahazoantsika mandrakariva ny ain’Andriamanitra.

Ambarany ary fa rehefa manaraka azy isika dia omeny ny fiainana mandrakizay, ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka antsika eo an-tanany satria izy sy ny Ray dia iray ihany. Noho izany dia miara-mitalaho mandrakariva ny fahasoavany isika amin’izao Alahady Fahaefatra amin’ny Paka ankalazana ny fetin’ny Mpiandry ondry tsara izao mba tsy ho very na oviana na oviana fa ho sambratra sy hahazo ny fiainana mandrakizay miaraka aminy rehefa tonga ny fotoana hialantsika amin’ity tany fandalovana ity. Ny sakramenta naorin’i Kristy izay raisintsika no famantarana hita mazo hahafahantsika mahazo io fiainana mandrakizay io koa tsy tokony hisalasala isika handray izany amim-pinoana tanteraka. Manana adidy lehibe amin’ny fizarana ireo sakramenta ireo ny Eveka sy ny Pretra ary ny Diakra izay nofidin’i Jesoa ho mpandraharaha masina hisolo tena azy koa noho izany dia mivavaka mandrakariva isika mba ho maro ny hantsoiny hanao izany raharaha masina izany. Ny tena zava-dehibe dia tsy maintsy vonona ihany koa isika hamaly izany antso izany ka ny Ray aman-dReny tsy hisakana ny zanaka raha manambara ny faniriany hanao Pretra na Relijiozy izy ary ny tanora ihany koa tsy hisalasala hamaly izany antso izany fa handroso amin’ny fiainana lavorary ka hanara-dia an’i Kristy, ilay tsy mitsahatra miantso olona ho mpiandry ondry izay irahiny hitory ny Vaovao Mahafaly manerana ny tany sy hizara ny Sakramenta fito izay antoka ahazoana ny ain’Andriamanitra.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01