Ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra

Alahady Faha 4 amin'ny Fiavian'ny Tompo - Taona A

Ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra” (Mt 1, 18-24)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

 

Mandeha ny fotoana ary mihazakazaka ny ora. Amin’ny herin’ny androany dia efa ao anatin’ny Fankalazana ny Noely isika. Eto am-piandohan’izao fifampizarana izao ary dia efa mirary Fankalazana finaritra ho anao sahady aho. Enga anie hitondra soa sy fanambinana ho antsika izao fankalazantsika ny nahaterahan’ny Mpamonjy izao. Enga anie i Kristy Zanak’Andriamanitra, Teny tonga Nofo, hitondra fiadanana ho ahy sy ho anao, ho an’ny isan-tokatrano, ho an’ny Firenena rehetra, ho an’ny Fiangonana manontolo. Mirary koa aho raha mirary ny meva sy ny soa ara-panahy sy ara-nofo ho antsika rehetra amin’izao andro manan-daza eo amin’ny tantaram-pamonjena izao. Tiako ary iriako raha mba fo madio tsy misy olaka no handraisako sy handraisanao an’izao fankalazana izao. Sitrako raha fo vaovao tsy misy efitra ary tsy manana lolom-po na amin’iza na amin’iza no hoentiko sy hoentinao hitsena ny Mpamonjy vao teraka. Manasa anao aho hamela manontolo ny helok’izay anananao alahelo amin’izao vanim-potoana lehibe izao; amin’izay dia ho fo madio no handraisanao ny Mpamonjy ary ny azy kosa ho fo afa-keloka no handraisany ny Mpanavotra. Ho Fiadanana sy Fitoniam-po anie no hanenika antsika rehetra amin’izao fankalazana ny Noely izao.

Aza raisinao ho fihetseham-poko fotsiny no anolorako anao an’izany firariantsoa sy fiangaviana izany. Tsy izany loatra, fa niainga tamin’ilay tenin’ny Anjely niresaka tamin’i Md Josefa tao anatin’ny nofy izany rehetra izany: “Ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra”. Ny sitrak’Andriamanitra ho ahy sy ho anao amin’izao fotoana izao dia ny hananako sy hanananao Fiadanana ao anatin’ny Fifankatiavana sy Fifampizakana fahalemena. Ny dikan’ny teny hoe Emanoela dia “amintsika Andriamanitra”; izany hoe miaraka amintsika Andriamanitra, miara-monina amintsika Izy, miaraka mihinana ny manta sy ny masaka amintsika Izy, miara-dàlana amintsika Izy. Matoa “miaraka” dia satria tia. Andriamanitra moa efa “Fitiavana” rahateo no anarany. Tia ahy ary tsy mahafoy anao Andriamanitra; raiki-pitia aminao Izy ka tsy efany intsony ny hanalavitra anao. Dia naka nofo toa anao Izy, nanaiky hitovy endrika aminao dia nidina niara-nonina taminao. “Miaraka” aminao ny Tompo satria tia anao Izy. Miara-monina aminao Izy satria ianao tsy foiny. Miaraka mamakivaky ny fiainana aminao Izy satria ianao “laninin’ny vavoniny”. Tiany ianao dia manaiky hifampitakosina aminao Izy. Fitiavana Andriamanitra ary tsy notazoniny hoazy irery ny fahamboniany fa nozarainy taminao sy tamiko. Ny fiekeny ho tonga Nofo dia fanandratany ahy Olombelona nofo sy ra ho andriamanitra tsikelikely. Fantatr’Andriamanitra tsara fa mpanota aho, fantany tsara fa tsy lavorary ianao, hainy tsara be fa isika rehetra dia manana ny fahalementsika. Fa asesikin’ny fitia havana ny Tompo dia manaiky hiaraka amintsika sy hiara-monina amintsika. Dia zakainy izay fahalemeko izay, lanjainy izay kilemanao izay, leferiny ny tsy fahalavorariantsika rehetra. Tsy ahilikany isika satria ratsy sy manao ny tsy mety; fa ao anatin’izay fahalementsika izay indrindra ny Tompo no nanokatra ny lanitra ka nidina tety amintsika ary miara-monina amintsika; mba hahatonga antsika ho mpandray anjara tsikelikely amin’ny fahalavorarian’ny Ray.

Eo amintsika ny Tompo, miara-dàlana amintsika isan’andro Izy. Koa alao hery ary; sarotra ny mamela hadisoana, saingy antsoy Izy hankahery anao amin’izany antsom-piombonana izany. Sarotra ny mizaka ny halemen’ny hafa; fa antsoy ny Tompo hanampy antsika rehetra hifampizaka fahelemana.

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0197