Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany

Alahady 13 Septambra 2015

Alahady Faha – 24 tsotra Mandavan-taona (Taona B)


« Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy » (Mk. 8: 34)

Nambaran’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny fa talanjona loatra ny vahoaka nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa tamin’ny nanasitranany ilay lehilahy anankiray sady marenina no moana. Voalazan’io Evanjely io mazava tsara fa : « noraràny ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza ; fa araka ny nandraràny azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza ; sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe : Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana » (Mk. 7: 36 – 37). Na dia talanjona tahaka izany aza anefa ireo vahoaka ireo dia tsapan’i Jesoa fa tsy tena nahalala azy tanteraka. Izany no nahatonga azy hanontany ny mpianatra ny amin’ny fahalalan’ny olona azy. Io fanontaniana nataon’i Jesoa io no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity Alahady Faha – 24 tsotra Mandavan-taona ity satria « tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany dia nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe : “Ataon’ny olona ho iza moa Aho ?” Ary ireo namaly Azy nanao hoe : i Joany Batista, hoy ny sasany ; i Elia, hoy ny sasany ; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany » (Mk. 8: 27 – 28).

Araka ny voalazan’ny mpianatra dia hita miharihary fa tsy mitovy ny fahalalan’ny vahoaka an’i Jesoa. Arakana ny fihevitr’izy ireo dia ny iray amin’ny mpaminany taloha no velona indray. Tsy nisy na iray aza tamin’izy ireo no nihevitra fa i Jesoa nampalady ny marenina, nampiteny ny moana, nandroaka demony sy nanasitrana ny aretina rehetra ary nanangana tamin’ny maty dia tsy iza fa ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo. Manoloana io valin-teny mahakasika ny fahalalan’ny vahoaka azy io dia nitodika tamin’ny mpianatra izy raha toa ka mitovy amin’izany ihany koa ny fahalalan’izy ireo momba azy. « Ary hoy Izy tamin’izy ireo : “Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza ?” Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe : “Ianao no i Kristy”. Ary noraràny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza » (Mk. 8: 29 – 30). Tamin’ny alalan’i Piera dia mazava fa nahalala an’i Jesoa tanteraka ireo mpianatra ireo. Tsy mahagaga izany satria izy ireo no nofidiny manokana mba hanampy azy amin’ny fanatanterahana ny asam-pamonjena nanirahan’Andriamanitra Ray azy ka tamin’izay rehetra nataony dia hitan’ny mpianatra mazava tsara fa tena izy tokoa no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona tonga teto ambon’ny tany mba hitondra famonjena ho an’ny olona rehetra.

Vakiteny I : Iz. 50: 5 – 9a

Tononkira : Sal. 116: 1 – 2, 3 – 4, 5 – 6,8 – 9

Vakiteny II : Jak. 2: 14 – 18

Evanjely : Mk. 8: 27 – 35

Hahafahantsika tena mahazo ny hevitry ny teny hoe Kristy dia izao no ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manazava izany. « Ny teny hoe Kristy, dia avy teny grika nandikàna ny teny hebrio hoe “Mesia”, ka “voahosotra” no dikany. Tsy tonga anaran-tsamirerin’i Jesoa io, raha tsy tontosany an-tsakany sy an-davany ny irak’Andriamanitra, izay ambaran’io anarany io rahateo. Satria, tany Israely, dia nohosorana tamin’ny anaran’Andriamanitra ireo izay natokana ho amin’ny iraka avy Aminy. Izany no fahita teo amin’ny mpanjaka, teo amin’ny mpisorona, ary indraindray tadiavina, teo amin’ny mpaminany. Ny ho ambony indrindra amin’izany dia ny zavatra manokana momba ny Mesia izay nirahin’Andriamanitra mba hanorina tanteraka ny Fanjakany. Tsy maintsy ho ny Fanahin’ny Tompo no hanosotra indray miaraka ny Mesia ho mpanjaka sy ho mpisorona ary koa ho mpaminany. I Jesoa no nanatanteraka ny fampanantenana momba ny Mesia nandrasan’i Israely amin’ny anjara raharahany telo loha dia ny mahampisorona, ny maha-mpaminany ary ny maha-mpanjaka » (jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 436).

Araka ny ambaran’ity fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ity dia i Jesoa no nanatanteraka ny fampanantenana momba ny Mesia nandrasan’i Israely amin’ny anjara raharahany telo loha dia ny mahampisorona, ny maha-mpaminany ary ny maha-mpanjaka. Tao anatin’ny fanetren-tena tanteraka no nanatanterahan’i Jesoa ireo anjara raharaha telo ireo ary tamin’ny alalan’ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsangany ho velona no nampisehoany fa izy tokoa no ilay Mesia nirahin’Andriamanitra mba hamonjy ny olona rehetra. Izany rahateo no nambarany tamin’ny mpianatra araka ny voalazan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. « Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara ny filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe : Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona » (Mk. 8: 31 – 33).

Hita miharihary eto fa na ny mpianatra aza dia tsy tena nahalala tanteraka an’i Jesoa. Porofon’izany ny nitondran’i Piera azy nitanila sy nitenenany mafy azy rehefa nambarany fa tsy maintsy hijaly mafy sy hovonoina ary hitsangana indray raha afaka hateloana izy. Araka ny fihevitr’ireo mpianatra ireo, izay soloin’i Piera tena dia tsy tokony handalo fijaliana izany izy satria tsy azo eritreretina velively ny hoe ilay Kristy, “Mesia” sy “voahosotra” no handalo fijaliana sy fahafatesana. Ambaran’i Jesoa anefa fa fihevitr’olombelona izany fa ny fihevitr’Andriamanitra kosa dia io fijaliana sy fahafatesana ary fitsanganan’i Jesoa ho velona io no lalan-tokana tsy maintsy andalovany mba hanatanterahany ny famonjena ka izay rehetra misakana azy amin’izany lalana izany no ambarany fa Satana satria araka ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika dia « tsy hevi-dravina ny hoe ny Ratsy, fa manondro olona, i Satàna, ilay Ratsy, ny anjely izay manohitra an’Andriamanitra. Ny “devoly” (dia-bolos) dia ilay izay “mitsivalam-pandry” amin’ny fandaharan’ Andriamanitra sy amin’ny “tsanganasam-pamonjeny” tanteraka ao amin’i Kristy » (jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2851).

Mazava araka izany fa izay rehetra “mitsivalam-pandry” amin’ny fandaharan’ Andriamanitra sy amin’ny “tsanganasam-pamonjeny” tanteraka ao amin’i Kristy dia antsoina hoe Satana satria tsy vonona ny hiatrika ny fijaliana tahaka an’i Kristy. Koa raha tiantsika ny ho voavonjy dia tsy maintsy manara-dia an’i Jesoa mijaly sy maty ihany koa isika araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity manao hoe : « dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe : Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy. Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy » (Mk. 8: 34 – 35). Miara-mivavaka ary isika androany mba tena ho vonona hanara-dia marina an’i Kristy ka handà ny tenantsika sy hitondra ny hazofijaliana mba hahatonga antsika ho voavonjy ka ho sambatra mandrakizay miaraka aminy rehefa tonga ny fotoana hialantsika amin’ity tany fandalaovana ity satria araka ny voalazan’ity Evajely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity dia izay rehetra mahafoy ny ainy noho ny fitiavany an’i Jesoa sy ny Evanjely no hahavonjy azy.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hevitra mandeha

mariaharilala ( 18/09/2015 10:54)
mariaharilala ( 18/09/2015 11:06)
Noho ireo porofo- pagagana nasehon,i Jesoa tamn , ny alalan, io Evanjely io , dia tiako raha mety ny hampidirana voz(voix) ny desarollo ataon , ny pretra , satria ho ahy manokana dia manampy ahy @ fiainam pahy ny evanjely arahina reflexion .
Misaitra tompoko.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0388