Koa aoka ho lavorary hianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra

Alahady 23 febroary 2014
Alahady Faha-7 tsotra Mandavantaona (Taona A)

Mbola ny fampianaran’i Jesoa teo an-tendrombohitra hatrany no aroson’ny Fiangonana hodinihintsika amin’izao Alahady Faha-7 tsotra Mandavantaona izao. Nambaran’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny ny nilazan’i Jesoa mazava tsara fa tsy tonga handrava ny Lalàna na ny Mpaminany izy fa tonga hanatanteraka izany. Niverimberina ny filazany hoe : « efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe » sy ny hoe : « Fa izaho kosa milaza aminareo fa ». Ny tohin’io fampianarana mahakasika ny fanatanterahana ny Lalàna sy ny Mpaminany io indrindra no ambaran’ny Evanjely androany ka nilazan’i Jesoa fa « efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify. Fa izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao an-kavanana, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy te-hiady aminao mba hahazahoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao » (Mt. 5: 38 – 42). Tena fomba vaovao fanatanterahana ny Lalàna tokoa no ambaran’i Jesoa amin’ity fampianarana ity, satria raha ny fahita amin’ny fiarahamonina dia ny hamaly avy hantrany no masaka ao an-tsaina raha vao misy olona manao ratsy ny tena. Misy mihintsy aza no mahasahy milaza fa toetra voa-janahary amintsika olombelona ny miaro tena ka ny famaliana izay manao ratsy no fiarovan-tena haingana indrindra.

Manaraka izany, tsy ny famporisihana tsy hamaly ratsy ihany no ampianarin’i Jesoa amin’ny alalan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany fa tonga hatramin’ny filazany ny tsimaintsy hitiavana ny fahavalo. Hoy indrindra Izy hoe : « Efa renareo fa voalaza hoe: Ho tia ny namanao hianao ary hankahala ny fahavalonao. Fa izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo; mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra hianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina » (Mt. 5: 43 – 45). Raha raisina amin’ny maha olombelona dia sarotra tokoa ny hanatanteraka ity fampianaran’i Jesoa ity. Tsy mora izany hoe hitia ny fahavalo sy hanao soa amin’ny mpankahala izany, indrindra moa fa hoe hivavaka ho an’izay manenjika sy manendrikendrika izany dia mety tsy ho azao eritreretina, saingy ho an’izay manara-dia an’i Jesoa ka mitondra ny anarana hoe Kristianina dia azo atao tsara ny manatanteraka izany rehefa miankina aminy satria izy mihitsy no efa nanome ohatra ho antsika tamin’ny fanekeny hijaly sy ho faty teo amin’ny Hazofijaliana.

Mety misy ny hiteny hoe, tsy vita izany fa i Jesoa irery ihany no afaka manao izany satria izy anie Zanak’Andriamanitra ka afaka manao fahagagana ary izy rahateo nahalala fa na ho faty aza dia hitsangana afaka hateloana ka tsy nampaninona azy velively ny nanaiky hampijalian’ny fahavalony ary tsy namaly na nanohitra akory izy nanoloana ireo izay nanenjika sy nanendrikendrika ary mamely tehamaina azy. Tena marina tokoa izany ary tsy azo lavina, saingy isika ihany koa dia tonga zanak’Andriamanitra tamin’ny Batemy noraisintsika ka izany no anasany antsika mba ho lavorary tahaka ny fahalavorarian’ny Raintsika izay any an-danitra araka ny voalazany amin’ity Evanjely androany ity manao hoe : « Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny poblikàna aza tsy manao izany koa? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo? Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa? Koa aoka ho lavorary hianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra » (Mt. 5: 46 – 48).

Azo ambara ary fa isika vita Batemy rehetra no asain’i Jesoa hanara-dia azy ka hanao tahaka ny nataony amin’ny fanatanterahana ny Lalàna sy ny Mpaminany ka tsy hamaly ratsy ny ratsy, ho tia ny fahavalo, hanao soa amin’izay mankahala, ary hivavaka ho an’izay manenjika sy manendrikendrika. Marina fa olombelona osa sy malemy isika ary tsy hitovy amin’i Jesoa izay Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina, saingy rehefa ao amintsika ny fitiavana dia azo heverina ihany ny fahafahantsika manatanteraka io fampianarana omeny antsika io.Maro ny fomba azo anaovana izany, ary tsy tokony hitady lavitra isika fa na dia ireny fifamaliana madinidinika sy tsy fifankahazoana miseho eo anivon’ny fiarahamonina ireny dia azo ampiharana tsara ny toro-lalana avy aminy. Ny fahaiza-mandefitra, ny fanekena ho diso rehefa misy ny tsy mety atao fa tsy miziriziry ho manana ny marina foana ka tsy mety miaiky heloka, ny fahaiza-mihaino, indrindra ny fahaiza-mamela heloka sy ny fitondrana am-bavaka ireo izay manana disadisa amin’ny tena, no fomba tsara mety hanampy antsika hanatanteraka io fampianaran’i Jesoa io. Miara-mitodika any aminy ary isika amin’izao Alahady Faha-7 tsotra Mandavantaona izao mba tena ho vonona hiaina ny fitiavana marina tokoa satria tsy ho tanteraka izany raha tsy miankina amin’ny fahasoavana avy aminy isika. Izy Tompo rahateo no efa nanome antsika ohatra velona ho tahafina tamin’ny nanolorany ny tenany hampijaliana sy ho faty teo amin’ny Hazofijaliana ka nahatonga azy hiantso antsika hiombona aminy mba ho lavorary tahaka ny fahalavorarian’ny Raintsika izay any an-danitra.





 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098