Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra

Alahady 20 Jolay 2014

Alahady Faha – 16 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

« Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy » (Mat. 13: 43)

 

Nambarantsika tamin’ny Alahady heriny fa matetika dia amin’ny alalan’ny fanoharana no ampitan’i Jesoa ny fampianarana ataony fa tsy amin’ny alalan’ny fanaovana toriteny miezinezina na kabary tsara lahatra. Ny tena antony anaovany izany dia satria ireny fanoharana ireny no mora azo sy takatry ny olona rehetra. Mbola izay fanoharana nataon’i Jesoa izay no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. Ny Alahady Faha–16 tsotra Mandavan-taona moa no ankalazaintsika anio. Hamafisin’ity evanjely androany ity ary fa : « Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka, ary izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana, mba ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany manao hoe : Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana an’izao tontolo izao » (Mat. 13: 34 – 35). Midika izany fa amin’ny alalan’ireny fanoharana ataony ireny tokoa i Jesoa no manambara izay miafina mahakasika ny finoana.

Raha tsiahivina dia tena mahakasika ny finoana tokoa no tian’i Jesoa hambara rehefa nanao ny fanoharana ny amin’ny mpamafy Izy, araka ny voalazan’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny. Mahakasika ny fanjakan’ny lanitra kosa no hevi-dehibe fonosin’ireo fanoharana izay ambarany ao amin’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika anio. Araka izany dia fanoharana telo samy hafa no anoharan’i Jesoa ny fanjakan’ny lanitra. Voalohany dia hoy izy hoe : « Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny ; fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa » (Mat. 13: 24 – 25). Ny faharoa dia ny fanoharan’i Jesoa ny fanjakan’ny lanitra amin’ny voan-tsinapy. « Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy nanao hoe : Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voan-tsinapy izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny. Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy ; fa rahefa nitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo ; dia avy ny voro-manidina mipetraka ao amin’ny rantsany (Mat. 13: 31 – 32). Ary ny fahatelo farany dia ny fanoharana mahakasika ny lalivay izay nafangaro tamin’ny koban-dafarina. « Ary nanao fanoharana hafa taminy koa izy hoe : Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra » (Mat. 13: 33).

Tahaka ny tamin’ny Alahady heriny izay nanazavan’i Jesoa ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy, dia mbola Izy ihany koa no manazava amintsika androany ny nevitry ny fanoharana mahakasika ny fanjakan’ny lanitra izay mitovy amin’ny lehilahy namafy voa tsara tamin’ny taniny. Ambaran’ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity fa : « Tamin’izay, nony efa nampody ny vahoaka izy, dia mba nody, ary nanatona azy ny mpianany nanao hoe : Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy. Ary namaly izy ka nilaza taminy hoe : Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona ; ny tanimbary dia izao tontolo izao ; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay ratsy ; ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao ; ary ny mpijinja, dia ny anjely. Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao. Haniraka ny anjeliny ny Zanak’olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny fanjakany, ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra : any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy » (Mat. 13: 36 – 43).

Mazava dia mazava ny hevitr’ity fanoharana ity, ka  araka ny fampianaran’i Jesoa eto dia tena misy tokoa ny fanjakan’ny lanitra. Izany hoe, tena ho avy tokoa ny fahataperan’izao tontolo izao, izay hitsarana antsika tsirairay avy ka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra dia hangonin’ny anjely ka havoakany hiala amin’ny fanjakan’ny lanitra, ary hatsipy ao amin’ny memy mirehitra : any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Ny olo-marina kosa dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy. Tena tenin’i Jesoa ireo fa tsy zavatra noforonina akory, fantany tsara izay lazainy satria Andriamanitra efa nisy talohan’ny nahariana izao tontolo izao izy. Noho izany dia anjarantsika no mandinika izay fitondran-tenantsika amin’izao fiainana izao fa ny fahataperan’izao tontolo izao, izay hitsarana ny olona rehetra araka ny asany avy, dia tsimaintsy ho avy araka ny fampianaran’i Jesoa. Tsy hoe hampatahotra antsika tsy akory no nanaovan’i Jesoa io fanoharana io sy ny nanazavany azy fa mba hahafahantsika miomana dieny izao hanao ny tsara mba ho afaka hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra satria ny mpanao ratsy rehetra dia tsy hanana anjara amin’izany fanjakan’ny lanitra izany fa hatsipy any amin’ny memy mirehitra. Mazava ho azy araka ity fampianaran’i Jesoa ity fa tena misy tokoa ny afo-be izay isian’ny fitomaniana sy fikitroha-nify ka manasa antsika Izy mba hitandrina sao very any.

Tena mampandinika lalina tokoa ny voalazan’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity, koa amin’izao Alahady Faha–16 tsotra Mandavan-taona izao, dia miara-mivavaka isika mba ho anisan’ny voa tsara, homendrika ny ho zanaky ny fanjakana handova ny lanitra miaraka amin’i Jesoa. Ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra dia tsy ho anisan’ireo izay hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy. Noho izany dia hiezaka lalandava isika mba tsy hifanafintohina ary hanao ny tsara amin’ny alalan’ny fahazotoana mivavaka sy mitandrina ny didin’Andriamanitra. Ny namaranan’i Jesoa ny fanazavana nomeny moa dia hoe : « Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana » (Mat. 13: 43). Enga anie izao fihainoantsika ny Tenin’Andrimanitra izao mba hanampy antsika tokoa hihavao lalalan-dava ka na eo aza ny tsy fahamendrehana amin’ny maha olombelona dia hiezaka mandrakariva isika hanao ny tsara araka izay tratra mba hahatonga antsika hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy, izay misy ny hasambarana mandrakizay.


P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0703