Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra atý

 

Alahady 24 febroary 2013

Alahady Faharoa amin’ny Karemy

 

Vakiteny I : Jen. 15:5-12,17-18,
Vakiteny II : Fi. 3:17-21,4:1,
Evanjely : Lk. 9:28b-36,

Fomba fanaon’i Jesoa ny mihataka amin’ny toerana mangina mba hivavaka sy hihaona amin’Andriamanitra Ray. Tamin’ny Alahady heriny dia niarahantsika nibajina i Jesoa izay nihataka tany an’efitra nandritra ny efapolo andro mba hivavaka. Amin’izao Alahady Faharoa amin’ny Karemy izao dia mbola asain’ny Fiangonana isika hiara-dalana amin’i Jesoa izay nandeha tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Ny Evanjely izay aroso antsika androany tokoa dia milaza antsika fa nandeha tany amin’ny tendrombohitra anakiray i Jesoa mba hivavaka ary « raha mbola nivavaka izy, dia niova toetra ny tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany » (Lk. 9: 29). Nambarantsika tamin’ny heriny fa fotoana saro-bidy indrindra izao Karemy izao mba hanantonana an’Andriamanitra bebe koa amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fihainoana ny Teniny, dia izany indrindra no tiana hohamafisina amin’izao Alahady Faharoa amin’ny Karemy izao. Manasa antsika ny Fiangonana tena hahatsapa marina fa fotoana manokana hivavahana bebe kokoa ny Karemy ary ohatra velona halain-tahaka amin’izany i Jesoa izay nitokana tany an’efitra sy niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka.

 

Raha idirana lalina ny fandinihina ny Evanjely izay aroso antsika androany dia hita fa mifampitohy amin’izay efa nohenointsika tamin’ny heriny ihany. Ny mampiavaka azy androany dia tsy nandeha irery intsony i Jesoa rehefa nivavaka fa nitondra namana. Voalaza mazava tsara fa « nitondra an’i Piera sy Jakoba ary Joany izy ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka » (Lk. 9: 28). Tsy vitan’izany ihany fa raha ny demony no tonga nihaona tamin’i Jesoa tany an’efitra ka naka fanahy azy dia ireo irak’Andriamanitra indray no niseho taminy tamin’ity fandehanany nivavaka tany an-tendrombohitra ity : « Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia Moizy sy Elia » (Lk. 9: 30). Mazava amintsika amin’izao fa tsy fitsangatsanganana na fialan-tsasatra akory no dian’i Jesoa tany an-tendrombohitra fa hivavaka. Ny fiovany tarehy sy ny fihaonana tamin’i Moizy sy Elia dia porofo mazava tsara fa tena nihaona tamin’Andrimanitra Ray tokoa izy ka i Moizy izay manambara ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Lalàna ; izay fantantsika amin’ny teny mahazatra hoe Boky Dimin’i Moizy sy Elia izay mitondra ny Tenin’Andriamanitra voalazan’ireo Mpaminany no niseho nivatana sy nanambara taminy fa izy no Mpamonjy irak’Andriamanitra voalan’ireo Tenin’Andriamanitra ireo fa hanavotra ny taranak’olombelona manotolo. Izany no antony nahatonga an’i Moizy sy Elia « niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny hahalasanany izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema » (Lk. 9: 31). Mazava amintsika amin’izao fa ny hanomana an’i Jesoa amin’ny fijaliana tsimaintsy hiaretany any Jerosalema no nisehoan’ireto irak’Andriamanitra ireto taminy.

Ity fotoan-dehibe niovan’i Jesoa tarehy ity ihany koa dia mampahafantatra antsika fa tena irak’Andriamanitra tokoa Izy. Hamafisin’Andrimanitra Ray amintsika ary ny efa nambara tamin’ny fotoana nanaovana Batemy an’i Jesoa fa io tokoa no ilay Zanak’Andriamanitra ary izany no ambaran’ity Evanjely ity androny manao hoe : « ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, henoy izy » (Lk. 9: 35). Tsy feon’olombelona izany ary tsy zavatra noforonina fa tena zava-nisy ka ampahafantarina antsika mba hinoantsika fa i Jesoa dia tena Andrimanitra ary zanak’Andrimanitra tonga teto an-tany mba hamonjy antsika. Izay no antony nitondrany an’ireo Apostoly nofidiany voalohany hiaraka aminy nandritra izany fotoana izany mba ho vavolombelona manambara amintsika ny zava-niseho marina. Porofon’izany ny voalazan’ny Evanjely androany manao hoe : « ilay niteny iny ny feo, dia Jesoa irery ihany no hita. Ary nangina ireo mpianany ka tsy nilazalaza na tamin’iza na tamin’iza tamin’izany andro izany izay zavatra hitany teo » (Lk. 9: 36). Voatan’ireo Apostoly ireo hatramin’ny farany izany tsiambaratelo izany ka tsy nolazain’izy ireo na tamin’iza na tamin’iza raha tsy efa tafatsangan-kovelona i Jesoa sy niakatra amim-boninahitra any an-danitra.

Ohatra velona sy fakan-tahaka ho antsika amin’izao fotoanan’ny Karemy izao ny nataon’i Jesoa niaraka tamin’i Piera sy Jakoba ary Joany niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Fantantsika tsara fa ny vavaka dia fihaonana sy firesahana amin’Andriamanitra, izany hoe tsy isika irery no miresaka fa Andriamanitra koa miresaka amintsika. Izay no maha zava-dehibe ny fivavahana Alahady satria sady miresaka sy mitodika amin’Andrimanitra isika no mihaino ny Teniny ihany koa. Ary tsy vitan’ny mihaino ny Tenin’Andrimanitra fotsiny ihany fa miombona tanteraka amin’ny Sorona natolotry Jesoa isika satria mandray ny Vatany sy ny Rany izay nantolony ho sakafo mamelona antsika. Fotona andinihan-tena izao Karemy izao ka raha sendra nisy ny fahalainana mivavaka Alahady dia manainga antsika i Jesoa hiaraka aminy tahaka ny nataony tamin’ireo Apostoly izay nentiny niaraka taminy nivavaka tany an-tendrombohitra. Nahatsiaro sambatra sy faly ireo Apostoly ireo ka izay no nahatonga an’i Piera hiteny hoe : « Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra atý » (Lk. 9: 33). Tena mahafinaritra tokoa ny mitoetra miaraka amin’i Jesoa, mahafinaritra sy mahatamana ny mivavaka rehefa mahatsapa ny tsirairay fa i Jesoa no mampiombona isaky ny mivavaka Alahady. Izay no antony ilazana amintsika ombieny ombieny mba tsy ho maika hody rehefa miangona Alahady fa hiandry hatramin’ny farany. Tokony hahafinaritra antsika ny mipetraka ao am-piangonana ary tokony hahatamana fa tsy sanatria natao ho adidy fotsiny ny miangona Alahady ka tsy andry izay hahataperan’ny tsodrano farany dia iny ianao no lasa.

Amin’izao Alahady faharoa amin’ny Karemy izao ary dia mamporisika antsika ity Evanjely ity mba hahatsapa fa tsara sy mahafinaritra ny mitoetra miaraka amin’i Jesoa, tsy i Jesoa irery anefa no nivavaka fa teo ihany koa ny Apostoly. Tahaka izany ihany koa isika, tsy i Jesoa irery no miaraka amintsika fa eo ihany koa ireo mpiara-mivavaka amintsika, noho izany dia amporisihina isika mba tsy ho maika hody rehefa miangona fa hiandry hatramin’ny farany. Ny ankamaroantsika rehefa mivavaka Alahady dia hita fa malaina hisaraka, toa tsy misy te-hody fa mifanantona sy mifampiarahaba, mifampilaza vaovao ary mifampirary soa. Tena tsara izany ary amporisihina mihitsy satria na i Jesoa aza nifampizara tamin’ny Apostoly ny fahazavana mamirapiratra amin’ny maha Zanak’Andriamanitra azy. Isika ihany koa dia tokony hahay hifampizara mandrakariva  ny fahasoavan’Andriamanitra izay raisintsika vokatry ny hafalina avy amin’ny Tenin’Andriamanitra izay nohenoina sy ny Vatan’i Kristy izay noraisina. Miara-mivavaka ary isika mba ho ny fahazavan’i Kristy tokoa no hanenika ny fiainantsika amin’izao Karemy izao sy mandritra ny androm-piainantsika manotolo.

P. Louis Martin

 

Assomptionniste

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011