Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina

Alahady 22 desambra 2013
Alahady Fahaefatra amin’ny Fiaviana (Taona A)

Mankalaza ny Alahady Fahaefatra amin’ny Fiaviana isika androany, mazava ho azy fa ity no Alahady farany mialoha ny Noely izay hankalazaintsika amin’ny fomba manetriketrika afaka andro vitsivitsy. Azo lazaina ary fa vonona tanteraka isika hankalaza ity andro lehibe ahatsiarovana ny nahaterahan’ny Mpamonjy ity. Tena fotoan-dehibe ho antsika tokoa ny fankalazana ny Noely isan-taona satria anamafisana hatrany fa na Andriamanitra efa nisy talohan’ny taona rehetra aza i Jesoa dia nietry tena ary nanaiky ho tonga nofo ka niara-nonina tamintsika mba ho fanavotana antsika. Izy tokoa no ilay iraky ny Ray hamonjy sy hanavotra ny olona rehetra ho afaka tao anatin’ny fanandevozan’ny fahotana ka ny fanekeny ho tonga olombelona tahaka antsika no lalan-tokana hahafahany manantanteraka izany famonjena izany. Rehefa akaiky tahaka izao ny Noely dia mahazatra antsika ny mihaino ireo Tenin’Andriamanitra izay mitantara ny fomba nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. Izany no ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika anio, izay mahakasika indrindra ny fomba nilazan’ny Anjely tamin’i Josefa mba tsy hatahotra izy ny hampakatra an’i Maria vadiny izay efa nanan’anaka avy tamin’ny Fanahy Masina.

Voalazan’ity Evanjely androany ity tokoa fa i Maria reny niteraka an’i Jesoa dia efa fofombadin’i Josefa saingy nisalasala izy ny hampakatra an’i Maria rehefa nahita azy nanan’anaka ka nikasa hamela azy mangingina. « Ary toy izao no nahaterahan’ny Kristy : Maria reniny dia efa fofombadin’i Josefa ; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanan’anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary Josefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy ta-hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao ho : Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany » (Mt. 1: 18 – 21). Raha ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Fahaefatra amin’ny Fiaviana izao ity ary no jerena dia hita fa miavaka ihany satria raha mahakasika an’ i Jesoa sy Maria reniny no matetika henontsika ambaran’ny Evanjely dia ny toetra nanan’i Josefa no tena hita misongadina eto. Fantantsika tokoa fa tsy dia mba voalaza matetika ny momban’ny fiainanan’i Josefa fa amin’izao fankalazana ny Noely izao sy amin’ireo fety ankalazana an’i Md Josefa ihany matetika no andrenesantsika ny anarany fa amin’ny ankampobeny dia saika hadinodino ny anjara-toerany amin’ny tantaran’ny faminjena.

Tena manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tantaran’ny famonjena tokoa i Josefa satria izy no ray mpitaiza an’i Jesoa ary amin’ny maha taranaky Davida azy dia avy aminy no nahatonga an’i Jesoa ho afaka manantanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra Ray izay nanambara tamin’ny vavan’ireo Mpaminany nifandimby nandritra ny taona maro fa avy amin’ny taranak’i Davida no hivoahan’ny Mpamonjy. Araka ny voalazan’ny Evanjely androany dia ny Anjely mihitsy no niteny hoe : « Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao ». Mazava araka izany fa tena taranak’i Davida tokoa izy ary araka ny voalaza ao amin’ny fitantarana ny razan’i Jesoa Kristy dia « ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, dia taranaka efatra ambin’ny folo ; ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilona, dia taranaka efatra ambin’ny folo ; ary hatramin’ny nifindrana tany Babilona ka hatramin’ny Kristy, dia taranaka efatra ambin’ny folo » (Mt. 1: 17). Hitantsika amin’ity filazana ny razan’i Jesoa Kristy ity fa tena taranak’i Davida tokoa izy ka avy amin’i Josefa no nihavian’izay maha taranak’i Davida azy izay ary ny fahatongavany ho nofo tao amin’i Maria Virjiny dia fanatanterahana ny faminanian’Izaia Mpaminany araka ny voalaza ao amin’ny Vakiteny voalohany androany : « Mihainoa, ry taranak’i Davida : Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa hianareo? Noho izany dia tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo : Indro nanan’anaka ny Virjiny, ka miteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Emmanoela » (Iz. 7: 13 – 14).

Io voalazan’Izaia Mpaminany io indrindra no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Fahaefatra amin’ny Fiaviana izao : « Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe : Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe, amintsika Andriamanitra » (Mt. 1: 22 – 23). Azo lazaina fa io fisehoan’ny Anjely tamin’i Josefa tamin’ny alalan’ny nofy io no nampatoky azy ka tsy nisalasala izy napakatra an’i Maria ho vadiny. Izany rahateo no voalazan’ny Evanjely androany manao hoe : « Ary rahefa nahatsiaro tamin’ny torimaso Josefa, dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy ka nampakatra ny vadiny » (Mt. 1: 24). Mazava tsara tamin’ny alalan’io faneken’i Josefa hampakatra ny vadiny io noho izany ny maha taranak’i Davida marina tokoa an’i Jesoa ka tsy misy isalasalana fa tena olombelona tahaka antsika ihany ko izy saingy tsy nanafoana ny maha Andriamanitra avy amin’Andriamanitra marinana azy izany. Nanana loharano nimpoirana amin’izay maha olombelona azy izay Jesoa ary tsy tongatonga ho azy fa efa voaomana nandritra ny taona maro nifandimby ny fahatongavany ka isika izay mino sy mandray azy ho Tompo sy Mpamonjy dia miaiky sy makanto fa tena Andriamanitra izy saingy nietry tena ho tonga olombelona mba hamonjy antsika ho afaka amin’ny fahotana.

Ny tena anjara toeran’i Josefa amin’ny tantaran’ny Famonjena izany dia ny hanambara miharihary fa tena nisy loharano nipoirana tokoa i Jesoa amin’ny maha olombelona azy. Tena nateraka tokoa izy fa tsy natao araka ny fiekem-pinoana ataontsika. Amin’ny maha olombelona dia tena tojo zava-tsarotra tokoa i Josefa tamin’ny nanekeny ho rain’i Jesoa. Tsy nijery izany anefa izy fa nandray tamim-pitiavana an’i Jesoa ary niahy sy nikolokolo azy nandritra ny fahazazany. Tena tao amin’i Josefa tokoa ny finoana sy ny fitiavana ary ny fanantenana ka nahatonga azy hanaiky tsy nisy fisalasalana ho ray mpiahy ny Zanak’Andriamanitra tonga nofo. Tsy izay fanekeny hamelona an’i Jesoa izay ihany anefa no tena andraikitra niandry azy fa indrindra ny fitondrana ny anaran’i Davida rainy izay efa voalazan’ny Mpaminany fa hipoiran’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao. Azo lazaina fa vitsy ary mety tsy hisy mihitsy ny olona, indrindra ny lehilahy afaka hanana toetra tahaka ity an’i Josefa ity. Lehilahy marina izy ary natoky mandrankariva ny Tenin’Andriamanitra niatefa taminy ka na teo aza ny fisalasalana tamin’ny voalohany dia nanaiky tamim-pitiavana ny andraikitra nankinina taminy izy. Fakan-tahaka ho antsika ny finoana sy fahatsorana nanan’i Josefa koa miara-mivavaka isika amin’izao Alahady mialoha ny Noely izao mba hanana fahatsorana sy fitiavana marina ka ho vonona mandrankariva hanatanteraka ny antso miatefa amintsika tsirairay avy ka hatoky mandrankariva ny fasoavan’Andriamanitra amin’ny famaliana izay antso izay na dia misy aza indraindray ny fisalasalana tahaka ny nahazo an’i Josefa rehefa nahita fa efa nanan’anaka i Maria fofombadiny.

 

Vakiteny I : Iz. 7:10-16
Tononkira : Sal. 24: 1-6
Vakiteny II : Rom. 1: 1-7
Evanjely : Mt. 1:18-24


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759