Aoka ary ho vonona koa hianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona

Alahady 01 desambra 2013
Alahady Voalohany amin’ny Fiaviana (Taona A)

 

« Ny Hafalian’ny Vaovao Mahafaly dia mameno ny fo sy ny fiainan’izay rehetra mandray an’i Jesoa » hoy ny Papa François ao amin’ny Antso Apostolika (Exhortation Apostolique) nosoratany ka navoakany tamin’ny Talata 26 novambra 2013 lasa teo. Izany « Hafalian’ny Vaovao Mahafaly » izany no mameno ny fontsika rehetra anio, amin’izao Alahady Voalohany amin’ny Fiaviana izao, izay idirantsika indrindra amin’ny taona Litorijika vaovao. Efa nohazavaina teto tamin’ny taona lasa, saingy tsara ny mampahatsiahy izany fa ato amin’ny Fiangonana Katolika dia voazarazara ho Taona A, B, C ny taona Litorjika saingy ho antsika Malagasy manokana, noho ny teny Malagasy tsy manana ny litera « C » dia ny litera « D » no misolo azy. Noho izany rehefa avy nankalaza ny « Taona D » isika nandritra iny taona lasa iny, dia miditra indray amin’ny « Taona A » manomboka androany. Efa fantantsika moa fa ny Fiaviana dia fotoan-dehibe iomanantsika amin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely izay ankalazana an’i Jesoa Andriamanitra tonga nofo ary niara-nonina tamintsika.

Alahady 01 desambra 2013
Alahady Voalohany amin'ny Fiaviana
Vakiteny I : Iz. 2:1-5,
Vakiteny II : Rom. 13:11-14,
Evanjely : Mt. 24:37-44,

Tsy zava-baovao amintsika ny fankalazana ny Fiavian’ny Tompo satria isan-taona isika no asain’ny Fiangonana handika lalina ny io Mistery Lehibe nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo io. Tokony ho tsaroantsika mandrankariva anefa fa tsy hoe ho teraka indray i Jesoa ary miandry izany isika. Efa tonga olombelona izy ary niara-nonina tamintsika saingy efa nanolo-tena teo amin’ny Hazofijaliana ka maty dia nalevina fa nitsangana tamin’ny maty ary mipetrakaka eo ankavanan’ny Ray, araka ny Fiekem-pinoana ataontsika. Mbola ho avy amim-boninahitra indray izy araka ny fampanantenana nomeny ny mpinatra. Io fiandrasana ny fiavian’i Jesoa amim-boninahitra io no ankalazaintsika isan-taona amin’ny fotoanan’ny Fiaviana. Araka ny fampianarana omen’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika indrindra dia mazava fa : « Amin’ny fankalazana isan-taona ny litorzian’ny Fahatongavan’ny Tompo ny Fiangonana dia mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny izany fiandrasana ny Mesia izany : amin’ny firaisam-po amam-panahy tamin’ny fanomanana nandritra ny fotoana lava ny voalohany nahatongavan’ny Mpamonjy, no anavaozan’ny mpino ny faniriana miredareda amin’ny Fahatongavany fanindroany. Amin’ny fankalazana ny nahaterahan’ilay Mpialoha lalana sy ny nahafatesany martiry, no iombonan’ny Fiangonana amin’ny faniriany manao hoe : ”Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena” (Jo 3,30) » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 524).

Hitantsika amin’io fampianarana omen’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io fa tena fiomanana amin’ny fahatongavan’i Jesoa fanindroany tokoa ny Fiaviana ka mifanaraka amin’izany indrindra ireo Tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana ho antsika. Ambaran’ny Evanjely amin’izao Alahady Voalohany amin’ny Fiaviana izao ary ny fampianaran’i Jesoa momba ny fihavian’ny Zanak’olona. Hoy indrindra izy hoe : « Fa tahaka ny tamin’ny andron’i Noe, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona. Fa tamin’ny andro nialoha ny safo-drano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noe tao amin’ny sambo fiara, ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safo-drano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fihavian’ny Zanak’olona » (Mt. 24: 37 – 39). Mazava araka ny voalazan’i Jesoa amin’ity Evanjely ity fa tena fotoana fiomanana amin’ny fahatongavany tokoa izao ankalazantsika ny Fiavina isan-taona izao. Ambarany mazava tsara anefa fa tsy misy mahalala io fotoana hiaviany io fa ho tahaka ny tamin’ny andron’i Noe dia tsy nisy nahalala nialoha ny safo-drano ny olona raha tsy efa tonga tokoa izany safo-drano izany ary nandringana azy rehetra. Dia ho toy izany indrindra ny fihavian’ny Zanak’olona hoy Jesoa ka tsimaintsy miomana sy vonona mandrankariva isika. Izany no nahatonga azy hanafatrafatra mafy ireo mpianany nanao hoe : « Koa miambena ary, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hihavian’ny Tomponareo. Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony » (Mt. 24: 42 – 43).

Tsy ny mpianatra ihany no nomen’i Jesoa io hafatrafatra. Isika rehetra ihany koa no asainy hiambina, izany hoe, hiomana sy ho vonona mandrankariva handray azy amim-boninahitra satria ny mazava dia miara-monina amintsika isan’andro izy amin’ny alalan’ny fihainoantsika ny Teniny sy amin’ny fandraisantsika ny Vatany ao amin’ny Eokaristia Masina. Izao fotoanan’ny Fiaviana izao tokoa no ampahatsiarovana antsika fa tsy hoe nandao antsika i Jesoa ary tsy miara-monina amintsika intsony ka miandry ny hiverenany isika. Eo anivontsika mandrankariva izy rehefa mivory amin’ny anarany isika isan’Alahady na isaky ny mamonjy Lamesa. Mitoetra ao anatintsika ihany koa izy, isaky ny mandray azy amin’ny Eokaristia isika. Velona sy miara-monina amintsika isan’andro i Jesoa fa ny antony ankalazana isan-taona ny Fiaviana dia mba hampahatsiarovana antsika fa io Jesoa inoantsika io dia naka nofo ka tonga olombelona ary velona mandrankizay amin’ny maha Andriamanitra azy ka mbola ho avy amim-boninahitra indray hitsara ny velona sy ny maty. Tsy misy mahalala izany fotoana izany anefa satria ho avy amin’ny ora tsy ampoisina izy ka izany no nilazany hoe : « Koa aoka ary ho vonona koa hianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona » (Mt. 24: 44).

Maro ny fomba azo atao hiandrasana amim-pitoniana izany fiavian’ny Zanak’olona amim-boninahitra izany. Ny tena fiomanana tsara indrindra anefa dia ny fibebahana sy ny fiovan-toetra. Araka izany dia fotoana natao hibebahana ihany koa ny fankalazana isan-taona ny Fiaviana koa manasa antsika ny Fiangonana mba tsy hisalasala hanantona amim-panetren-tena ny Sakramentan’ny Fampihavavana. Izao tokoa no andro natao hiovana sy hialana amin’ireo kilema mahazatra ka izany no anomezan’ny Fiangonana anatsika androany ny Taratasin’i Md. Paoly ho an’ny Romana izay manambara amintsika fa : « Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana; fa itafio Jeso-Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filany » (Rom. 13: 12 – 14). Ireo toetra voalazan’i Md Paoly ireo no tsimaintsy ialana raha te-hiomana marina isika amin’ny fiverenan’i Jesoa amim-boninahitra. Miara-mivavaka isika amin’izao Alahady Voalohany amin’ny Fiaviana izao mba hahatsiaro-tena fa mpanota tokoa ka hangataka ny famelan-keloka avy amin’Izy Tompo ka ho mendrika ny handray azy isan’andro hahafahantsika miomana tsara amin’ny fitsenana azy rehefa tonga izay fotoana hiverenany amim-boninahitra izay.

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102