Alahady faha-19 mandavan-taona

  Aoka ho vonona mandrakariva ianareo fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizina ny zanak'olona!

 

Raha tsy miankina amin'ny habetsahan'ny hareny ny ain'ny olona, nahoana no mifaninana manangon-karena isika rehetra, ary tsy mihevitra akory ny fananaran'i Jesoa mba hitandrina amin'ny firaiketam-po amin'ny harena mandalo? (Evanjely Alahady 18 D). Mihoatra noho izany firaiketam-po iznay anefa no takian'ny fiainam-panahy kristianina: hivarotra ny fananana rehetra ary hanolotra azy manontolo ho rakitra ho an'ny mahantra.

Toa adalana ihany no lazain'ny Evanjely izany. Iza no hahavita hihaino izany teny izany? Ataoko ahoana no hivarotra ny fananako sy hahafoy azy manontolo ho an'ny asa fiantrana raha toa ka ny tsy ahy, azoko tamin'ny kiloadoaka aza tsy vitako ny manonitra azy amin'izay nofetseko hahazoana azy? Angamba ho moramora ihany ny halala-tanana amin'ny tsy an'ny tena, fa rehefa mikasika ny tombon-tsoa sy ny fananana manokana, tsy mora ny mahafoy izay iraiketan'ny fo. Izay misy ny harenareo no misy ny fonareo koa, hoy ny Evanjely.

Aiza ary no heverintsika ho tena harena? Ny zava-mandalo ety an-tany sa ny maharitra mandrakizay? Ny vakiteny II, ao amin'ny Taratasy ho an'ny Hebrio, dia mitanisa ireo olo-malaza, razam-ben'ny finoana. Araka ny fampianaran'ny Fiangonana (KKK 142-184) dia mamaritra ny finoana ho valin-tenin'ny olombelona manoloana ny fanambaran'Andriamanitra. Tsy adalàna anefa ny finoana ka  sanatria matin'ny havendranana ireo Patriarka, tsy nahazo akory izay nampanantenain'Andriamanitra fa nahita azy tao amin'ny fanantenana fotsiny (Heb 11, 13).  Raha toa ka niheritreritra izay niaviany izy ireo dia ho niverin-dalana, saingy ny nanome hery azy dia ny fibanjinana ny Tany nampanantenaina, ary ny fitokisana fa Andriamanitra dia mahefa ny zavatra rehetra, ka na any ankoatra ny fahafatesana aza, dia matoky fa hain'Andriamanitra ny hamelona indray ny maty (and. 19).

Amin'ny fanazavana ny hoe finoana, dia mazava ny fampianaran'ny Fiangonana. Amin'ny Fotoam-pivavahana handraisana ireo mpiomana amin'ny bbatemy (katekomena) mangataka ny hatao batemy, ny Mpitarika kosa manontany azy ireo hoe : ataonao inona ny batemy? hahazoana ny fiainana mandrakizay. Eny. Satria, araka ny vavaka fangatahana amin'ity alahady ity : manome antsika ny zo maha-zanaka, hiantso an'Andriamanitra ho Raintsika, hampitombo izany haim-panahy maha-zanaka izany, mba ho mendrika ny lova mandrakizay.

Dia mitamberina ato an-tsaiko ny fanontaniana hoe: fa mba misy ve izao lanitra izao? Ny faratampon'ny fahasambarana ho an'ny Kristianina dia ny mahatsapa fa "zanak'Andriamanitra". Sady i Jesoa no nilaza fa ny Fiainana mandrakizay dia ny "mahalala an'Andriamanitra ilay tokana - ilay Rain'i Jesoa Kristy-  sy Jesoa Kristy ilay nirahiny." (Jn 17,3) Ary hoy i Md Augustin hoe : minoa dia ho fantatrao Andriamanitra, fantaro izy dia hitombo ny finoanao.

Raha fisantarana sahady ny fiainana mandrakizay izay antsointsika hoe lanitra ny finoana araka ny fampianaran'ny Fiangonana (KKK 163), dia iezahantsika ny hihaina izany, araka ny ohatra navelan'ireo razambentsika amin'ny finoana, amin'ny fomba nifandraisan'izy ireo tamin'Andriamanitra, fa indrindra, _hampifantoka ny jery amin'i Kristy, mibanjina an'i Jeso filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny hazo fijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo an-kavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra (Heb. 12, 1-2), araka ny hira fanaontsika matetika : mitsangana ka banjino ilay andry hijoroan'ny Finoantsika.

Ny Vakiteny voalohany, mitantara ireo tia vavaka zanaky ny olona masina, [izay] nanatitra ny sorony mangingina, ka niara-nanao fanekena masina hoe: hiara-misalahy ny masina amin'ny soa sy amin'ny loza hitranga,[ka]  nihira sahady ny hira masin'ny razanay , (Fahendrena 18, 9), moa ve tsy filazana ny toe-panahy tokony hoentsintsika mankalaza ny Paka, izany hoe ny Eokaristia hankalazana ny fahafatesana sy ny fitsanganan-ko velon'i Kristy, ambarantsika amin'ny hiram-piadanana hoe : manomboka ety an-tany ny paradisa, raha isika olombelona no mifankatia!

Izaho mino an'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra...

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0233