Alahady faha-19 Taona B Mandavantaona

 

Ilana finoana ny Eokaristia

 

Mitohy ny fandalinana momba ny Eokaristia, momba an'i Kristy ilay manome ny Nofony ho fiainan'izao tontolo izao (Jn 6). Fanafintohinana ho an'ireo iray firenena aminy ny fampianaran'ilay zanak'i Josefa... ary mazàna zava-mitranga amin'ny fiainantsika ny mitsara ny teny sy ny hafatra ampitaina, tsy amin'ny maha-hafatra azy fa noho ilay niteny azy. Misy fiantraikany eo amin'ny fampitana fampianarana izany. Amolavolana  ny saintsika ny fampiasana sy fitanisana ny olo-malàza mba hampisy heviny sy lanjany izay nolazaintsika... ary indraindray aza lasa fomba mahazatra ny milaza: ho'zy Ranona hoe... i Ranona mihitsy no nilaza... hitako tao anaty Baiboly, novakiako tanaty boky...saingy aza adino fa olona toa antsika ihany izy ireo fahavelony : tsy noraharahian'ny Mpiara-monina, heverin'ny sasany ho adala aza. Izay no nahatonga ilay mpanabe ny tanora (Don Bosco) hilaza fa ho an'izay te hanabe marina, aoka hanao izay hahazoana ny fon'ireo beazina, satria ny fitiavana no hahafahana mampita ny aina.

Ao ambadik'izay toa fanivaivana ny hafatra ampitaina izay ny fialonana. Tsy zava-baovao amin'ny fianan'ny zanak'olombelona izany. Hatrany am-piandohan'ny Fiangonana anefa i Md Paoly no efa nananatra ny Mpino fa rehefa mety ho "lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy ary hasomparana" dia tsy mifanaraka amin'ny maha-kristianina ka tokony hohesorina amintsika (Ef 4,30-5,2). Fanahafana an'Andriamanitra toy ny zanaka malala manko iantsoana antsika.

Izay ilay asa vadi-drano hifanomezantsika tanana, satria ny zava-kendren'ny fiangonana sy ilofosany dia ny hanao izay haha-zanak'Andriamanitra ny olona rehetra noho ny finoana sy ny batemy mba hiarahan'izy rehetra midera an'Andriamanitra ao anatin'ny Fiangonana sy handray anjara amin'ny Sorona ary hihinana ny sakafo anasan'ny Tompo (jereo Sacrosanctum concilium, ny Litorjia Masina n. 10). Izay no hahazoantsika ny hevitry ny andraisana komonio, hivoky amin'ny sakafon'ny Anjely fa lavitra ny lalana... eny fa na dia mbola tsy tapa-kevitra ny hanainga ho any Hôreba aza isika, fa mbola mandrimandry, matoritory, vokin'ny mofo nendasina tamin'ny vato nohafanaina, tandindon'ilay mofo atolotra ao amin'ilay Trano mirafitra ho Tempoly eo ambonin'ny Vatolampin'ny Tenin'Andriamanitra ka hafanain'ny Fanahy Masina (Vakiteny I 1 Mpanj 19, 4-8)

Tsy azo adinoina anefa fa tsy haninkanim-poana ny Eokaristia fa hanin'ny mpanao zavatra, hanina mitondra hery, ary araka ny efa nolazaintsika, ny mety tsy ho fahazotoan-komana na ny mety ho fahalainana mihitsy aza, dia fambara aretina, mila hanatonana mpitsabo, fa mazàna vokatr'ireo aretina tanisain'i Md paoly amin'ny Vakiteny II, ka mba hahafahantsika miaina am-pahasalamana ny finoantsika dia tokony halemy fanahy isika, hifampianatra sy hifamela heloka (vak II Ef 4,30-5,2).

Mety hahakivy ny zava-mitranga eo amin'ny fiainana, mety hiteraka famoizam-po mihitsy aza, ka haniry ny ho faty tahaka an'i Elia Mpaminany, mahatsapa ny fahalemen'ny Tena: tsy vitako intsony... aoka izay, leo be aho!!! Soa fa eo i Kristy ho mofon'aina mamelona antsika ka milaza amintsika hoe : Ampy anao ny fahasoavako (IIKor 12,9). Izay fahasoavana tsapa amin'ny Fiainana izay mahatonga antsika hanolotra mandrakariva sorom-pisaorana, ary tsy sorona fe sorona fa iraka hitoriana izany fitiavan'Andriamanitra asehony amintsika izany. Izany iraka (missio è lamesa) izany no ventesin'ny salamo setriny hoe : "ombao aho manklaaza ny Tompo, miaraha isika midera ny anarany... (Sal 33) satria izay nahazo fahasoavana avy amin'Izy Tompo, tsy ho sasatra ny hitory izany amin'izay mifanerasera aminy. Dia izay no fankalazana ny Eokaristia, ka arakaraka ny hinoantsika ny hery omen'ny Mofo raisintsika no hitozoantsika hiaina ny maha-zanak'Andriamanitra antsika.

Tsy sanatria anefa hahakivy raha mbola matoritory isika, avy mihinana ilay mofo aroson'ny Anjely, hoezahantsika fotsiny ny hazoto homana izany mofo izany, hanesotra ireo aretim-panahy tsy hamela ny fontsika hitia marina tokoa ka hiandry am-pitokiana ny fotoana hamakivakiantsika ny tany efitra, hihaonantsika amin'ilay Tompo YHWH, ilay inoantsika ho tompon'ny teny farany satria mahefa ny zava-drehetra.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761