Alahady Pantekoty Taona A

Mpankahery sy Mpanazava
ary Mpampihavana
ny Fanahy Masina.

Avia Midina ry Fanahy Masina O

Manakatoka ny vanimpotoanan'ny Paka ny Fankalazana ny Fidinan'ny Fanahy Masina tamin'i Masina Maria sy ny Apostoly.[1] Nandritra ny hasivian'andro isika dia nivavaka mba hirotsaka ho an'ny Fiangonana ny Fanahy, mampianatra antsika hiditra amin'ny halalin'ny fivavahana izany.[2]

Ambaran'ny vavaka fangatahana fa ny "fankalazana ny Pantekoty no anamasinan'Andriamanitra ny Fiangonana manontolo manerana ny foko sy ny firenena rehetra". Ny Fanahy Masina tokoa manko no nanome hery ny Apostoly izay nihidy aman-trano noho ny tahotra ny Jody (Jn 20, 19), ary nanazava ny fon'izy ireo hahay "hiteny ny fiteny maro samihafa" izay antoka nihelezan'ny Finoana amin'ny vazan-tany.

Lovam-panahy ny finoana na dia mahakasika ny atifo lalin'ny tsirairay aza (jereo eto). Anisan'ny mahavaka ihany manko ireo Josy zanaka am-pihelezana (diaspora) tonga tao Jerosalema ny andron'ny Pantekoty, ka naheno ny apostoly niteny ny fiteniny avy (Asa 2, 1-11). Mety hilaza isika hoe ka mahazo teny arameana (na ebrio) anie ny Jody na avy any ampielezana aza e! Matoa vaky vava izy ireo nifampiteny izay mety ho hevitr'izany (and.12) dia hafa no nitranga : Niravona ilay tantaran'ny tilikambon'i Babela, ka niverina ho "iray fiteny sy iray fanonona ny tany rehetra" (Jen 11, 1). Tonga ilay Fanahy Mpampihavana.

Ny antony nanorokorohan'YHWH [3] ny fitenin'ny olombelona dia mba hanakana azy ireo tsy hanao izay tiany hatao, araka ny sitrapony. Tonga kosa ilay Fanahy, nampahatsiaro antsika izay Sitrak'Andriamanitra. Ny Fihavanana sy ny tena fiombonana marina araka izany dia ny fahatsapana fa eo anivontsika Andriamanitra, ny fahatsapana fa miara-monina amintsika Izy ary ao anatintsika ny Fanahiny. Izany no maha-Vatana iray antsika (Vak II), hanatanteraka ny sitrapon'ilay loha sady Filoha dia i Kristy izay maniraka antsika hitory ny Fitiavan'ny Ray araka ny ohatra navelany (Evanjely Fiakarana sy Evanjely Pantekoty ).

Izay mahatsapa fa notoavina no afaka mitia, koa hiezahantsika ary ny hahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra. Tsy hodiantsy hita fa rehefa sendra ny mafy sy ny mangidy isika dia mametra-panontaniana hoe nahoana no mamela hijaly ilay Andriamanitra Fitiavana! Ny jamba sy ny mahiratra anefa mitovy ihany rehefa samy ao anatin'ny haizim-pito. Mila ny Hazavan'i Kristy isika tsy hanokatra ny maso fotsiny fa hanazava ny tontolo mba tsy hanorenantsika ny hasambarantsika amin'ny zava-mandalo[4] fa amin'izay maharitra mandrakizay.

"Ho vavolombeloko manko ianareo"! Ho vavolombelon'ny Fiadanana izay tiany hanjaka ao am-pontsika sy eo amin'izao tontolo izao. Fiadanana miorina amin'ny fifamelana sy ny Famindram-po!



[1] Ny Alahady dia fankalazana ny Paka isan.kerinandro saingy ny Vanimpotoanan'ny Paka kosa dia manokana

[2] Ny hasivian'andro dia nolovaintsika hatramin'ny fiandohan'ny fiangonana, araka ny hafatr'i Kristy mihitsy (jereo eto)

[3] Io no nandikan'ny Mpahay Soratra Masina ny teny Babel (avy amin'ny foto-teny hoe koro izay midika hoe "fisavoritahan-javatra)

[4] Azonao vakiana ity

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0258