Alahady faharoa Taona B MANDAVANTAONA


SAMY NANTSOIN’ANDRIAMANITRA ISIKA.

capa-ecumenismo.jpg

Mba ho iray ihany izy ireo eo an-tananao” (Ezek 37, 17)[1] Io no Tenin’Andriamanitra enti-miaina ny Herinandro hivavahana ho an’ny Firaisan’ny Mpino. Amin’ity taona ity moa, avy amin’ny traikefam-piainan’ireo mpino any Korea, dia mahatsapa ny hasarobidin’ny fiombonana isika, mba hahafahana manorina fiaraha-monina miadana sy mandry fahalemana. Ny Vakiteny fototra (Ezek 37, 17-28) dia mamporisika fotsiny ihany ny tokony hiraisam-po amam-panahy ho iray, fa mampahatsiaro koa fa rehefa mety ho fisarahana sy fifampiandaniana dia vokatry ny fahotana, ka ny tena fiombonana dia mitaky fiovana anaty sy fibebahana marina ka hametraka an’Andriamanitra amin’ny hasina mendrika Azy (and- 23)[2].

Dia izay no ampahatsiavin’i Md Paoly antsika fa “Tempolin’ny Fanahy Masina ny Vatantsika” ka natokana hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra (1 Kor 6, 12-20). Io Fanahy io no nanaganana antsika ho zanak’Andriamanitra, tamin’ny Batemy, sy nohamafisintsika tamin’ny fanomezam-pahasoavana hafa noraisintsika mba hamaliantsika ny antso miloloha lanitra ho amin’ny fahamasinana (Lumen Gentium 40).

Izay fiantsoana ho masina izany, dia miseho amin’ny endrika maro isan-karazany, tsy ny fahalalana an’Andriamanitra loaatra, fa ny hitsipo hitady Azy no hahenoantsika ny feony miantso. Tahaka an’i Samoela (=nohenoin’Andriamanitra), izay mbola tsy nahalala an’YHWH akory, dia naheno Azy nanonona ny anarany, ary vonona ny hihaino (Shamah =hankatò) ny teniny izay “tsy navelany ho raraka an-tany” (I Sam 3,3-19).

Dia amafisin’ny Salamo setriny (Sal 39) fa izay miandry ny Tompo sy manantena azy, izay nahatsapa fa nohenoiny (ara-bakiteny :Samoela), dia vonona hanao ny sitraky ny fony sy hitory ny fahamarinany manerana ny vazan-tany…

Izay tafahaona tamin’ny Mesia dia tsy hahatana ny hafalian’ny fihaonana fa hitantara izany amin’ny havana aman-tsakaiza. Dia izany koa no ambaran’i Joany ny amin’i Andrea rahalahin’i Piera, ka akory ny hafaliany sy ny hamaizany hitantara ny fihaonany tamin’i Kristy : “Ny olona voalohany nifanena taminy dia i Simona rahalahiny, ka nilazàny hoe : Efa nahita ny Mesia izahay” (Jn 1, 35-42)…

Tsaroako lalandava ny Antsa amin’ny vavaka hariva amin’ny Commun des Pasteurs amin’ny Brévaire frantsay[3] amin’izay nataon’i Joany Batista, nanoro an’ireo Mpianany fa i Jesoa no ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra”… Tsy tokony hohadinoin’ny Raiamandreny sy Mpanabe, ny mpiandraikitra sy ny mpitantana fa Mpanoro lalana mankany amin’i Kristy izy ireo, ka tsy ho sanatria ho vatomisakana ho amin’ny fanamasinan-tenan’ireo ankinina aminy. Isika tsirairay kosa, samy handinika isaky ny avy miangona hoe : inona no hotantaraiko amin’izay mifanena amiko voalohany!!!! Izany hoe : inona no hafaliana mameno ny foko ka hozaraiko amin'ny hafa mifanerasera amiko?



[1] Jereo eto ny fanazavana amin’ny teny frantsay. Amin’ity havaloana ity dia voaantso isika hivavaka mba hiravonan’ny toejava-mitranga eran’izao tontolo izao, ka hahatsapa fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fampihavanana ny Firaisan’ny Mpino.

Ny andro faharoa dia natokana hivavahana mba hanjaka ny fandriampahalemana ka ho foana ny ady sy ny herisetra. Ny andro faxatelo, hivavahana mba hahatsapan’ny mpianatr’i Kristy tena fa tompon’andraikitra amin’ny elanelana misy eo amin’ny mpanana sy ny ory izy ireo, indrindra rehefa manjaka ny fitiavan-karena tafahoatra, ka ny vola no lasa andriamanitra. Ny andro fahaefatra hivavahana mba hahatsapantsika rehetra mpino fa tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny zava-boahary isika, ka hampivoatra ny tontolo iainana hiderana ny hasoan’ilay Mpahary azy. Ny andro fahadimy hivavahana mba hahatsapantsika fa voaantso hiombona anjara amin’ny fitiavan’Andriamanitra isika, ka ny fahasamihafana zary harena tsy hosimban’ny fanavakavahana sy ny ahiahy tsy hiavanana. Ny andro fahaenina hivavahana ho an’ireo mijaly sy ireo manokan-tena hikarakara azy ireny, hahatsapantsika fa ny tena Fiangonana dia eoa anilan’ireo mijaly sy mamelona ny fanantenan’izy ireny. Ny andro fahafito hivavahana mba hahatsapantsika ny hasarobidin’ny fahasamihafana ka hahatsapantsika fa ny fanorenana ny fandriampahalemana dia asa vada-drano, tsy vita tsy hifanakonana… ka hiverenantsika hivavahana indray (andro famaranana) hahatsatapantsika ny anjara toeran’ny Fiombonantsika mpino, amin’ny fanorenana fiarahamonina milamina sy mandry fahalemana.

[2] ”Tsy handoto tena intsony izy, na amin'ny sampiny vetaveta, na amin'ny fahavetavetany, na amin'ny hadisoany rehetra; hovonjeko ho afaka amin'ny fiodinany rehetra nanotany izy, ary hodioviko; izy ireo ho vahoakako, ary izaho ho Andriamaniny. (Ezek 37, 23)

[3] “Vers toi (Jesus unique Berger), il (le pasteur) aimante l’amour de ceux qui l’aiment” (LdH, Tome I Ed. Cerf 2002, p. 1598,

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0555