Joany no anarany

jean-baptiste.jpg

Ny 24 jona no ankalazan’ny Fiangonana ny fetin’i Joany ilay voaantso hanao batemy, voaantso hialoha làlana. Voatantara tsara ao amin'ny Evanjely ny nahaterahany. Fanambaran'ny anjely no nilazana fa ho tonga ao ankibon'i Elizabeta reniny izy. Zary moana i Zakaria fa tsy nino ny hahatanteraka izany. Nibitaka sy faly izy tao ankibon-dreniny nony tonga namangy azy i Maria. Joany no nasaina natao anarany. Izany rehetra izany dia fanambarana mifanesy fa ho hafakely ity zaza ho teraka ity. Vao notorontoronina izy dia efa voafidy. Indro tokoa fa izy no hanambara an'i Jesoa mandritra ny fanaovana batemy azy. "Inty no zanak'ondrin'Andriamanitra" hoy izy. Nampiseho an'i Jesoa tamin'ny olona izy.
Fotoana tokony hieritreretantsika ny "Antso" miantefa amintsika koa androany. Tahaka an'i Joany dia vao tany ambohoka isika dia efa nantsoina... voafidy hitory. Ny fitoriana dia ny mampiseho an'i Jesoa amin'ny hafa. Tsy amin'ny teny sy soratra fotsiny fa amin'ny fihetsika andavanandro. Ho hitan'ny olona eo amin'ny fiainantsika anie i Kristy Velona.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104