Alahady tsotra faha-28 D mandavantaona

tsy ampy ny sitrana, ilaina ny miandrandra famonjena

eokaristia.jpg

Faniriana ao am-pon'ny olona rehetra ny ho velom-pinaritra, ho afaka amin'ny rofy, miezaka sy tsy mitsitsy vola aman-karena mba hahazo fahasalamana. Tsy zakantsika ny mahita ny havana sy ny olon-tiana mijaly sy alamaky ny aretina. Fa vao mainka mafy noho izany ny hamafin'ny habokana, izay sady itondrana fangirifiriana amin'ny vatana no itondrana fangirifiriana ao am-po noho ny fanilikilihan'ny fiaraha-monina : tsy hoe mitoka-monina sahala amin'ny boka, fa atoka-monina tahaka ny boka [1]. Anisan'ireny I Naamana ilay siriana (vakiteny I) sy ireo boka folo lahy lazain'ny Evanjely nifanehatra tamin'i Jesoa hiakatra ho any Jerosalema.

Ho azy ireo, araka izany dia mihoampampana ny hafalian'ny fahasitranana, satria sady fitsaharan'ny fijaliana no fiverenana indray eo anivon'ny fiaraha-monina, fahazoana indray ny zo izay efa nafoy satria nahilikiliky ny fiaraha-monina-

"Ndeha miseho amin'ny Mpisorona". Izay no fanafodin'ny habokana natoron'i Jesoa, ilay Mpampianatra. Midika zavatra maro izay fisehoana amin'ny mpisorona izay : fanarahana ny lalàna, fiakarana ho any Jerosalema, any aminizay hiakaran'i Jesoa koa, araka ny henontsika tamin'ny fiandohan'ny Evanjely. Ny toeran'ny Mpisorona, tahaka ny toeran'ny Mpaminany (Vak I) nanasitrana an'i Naamana, dia zava-dehibe mba hahazoana ny Fahasitranana. Tsy hianona amin'izay fahasitranana izay ihany anefa (satria mbola mety harary indray) no tena maha-kristianina, mila mizotra ho amin'ny lalam-pamonjena.

Raha manana finoana tahaka ny voatsinapy isika dia mahavita fahagagana (Evanjely 27D), hoy i Jesoa. Dia notohizany tamin'ilay samaritana hoe : ny finoanao no nahavonjy anao. Inona izany Finoana izany? Inona no nampiavaka ilay samaritanina tamin'ireo folo lahy? Ny fahatsapana fa sitrana, ka nahatsiaro ny soa voaray, hany ka niverina hisaotra ilay loharanom-pahasitranana : ilay Jesoa avy any Nazarena.

Fahaizana misaotra sy mankasitraka ny Tompo izany no atao hoe : Finoana. I Naamana nahavita nitondra tany roa lasaka avy any Jodea mba hanompoana sy hanolorana sorom-pisaorana amin'ilay Andriamanitr'Israely, satria lehibe loatra ho azy ny soa azony.

Isaky ny manolotra Eokaristia isika, dia manolotra sorom-pisaorana, mahatsiaro fa tiana, mahatsiaro fa niangaram-pitiavana, voavela heloka, sitran'ny habokan'ny fahotana rehefa avy niseho tamin'ny Mpisorona tamin'ny sakramentan'ny Fampihavanana. Izay fahatsiarovan-tena ho strana izay dia tokony tsy hanadinoana ny misaotra ilay loharanom-pahasoavana.

Izay no mahatonga ny Eokaristia sady "loharano no faratampon'ny famonjena" antsika, satria avy aminy no hahazoantsika ny hery hiovana sy haharetana amin'ny tsara, ary ao aminy no tokony hidododoantsika koa hisaotra, satria izay no famonjena ho antsika : "nahavita zava-dehibe tamiko ilay Mahefa : masina no anarany" hoy i Maria ao amin'ny tononkirany. Fanabeazana tsy zoviana antsika hatramin'ny fony kely moa ny hoe : Raha misy manome zavatsoa ho anao, kingà miteny hoe . misaotra tompoko o!"

Tsy mampaninona izay fomba amam-pirazanana (na samaritana na Jody), ny maha-isika antsika no tokony hoentintsika hiderana an'Andriamanitra. Tsy ho sasatra ny hitanisa ny soa azontsika isika, hanolotra sorom-pisaorana, hiantsa hira vao ho an'Andriamanitra satria mahagaga ny zava-bitany, fa ny tanany no namonjy, mba hahatsiarovantsika mandrakariva ny fitiavany tsy mivadika (Sal 97 setriny).

Izay fahatsapana ny soa noraisintsika izay manko, ny fahatsapana fa notiavin'Andriamanitra isika, isay no zary vimiaina manome hery antsika hiharitra ny fijaliana hatramin'ny fatorana aza, noho ny main'i Kristy, (vak II) tsy sanatoria hankasitraka ny fijaliana fa kosa hampisy heviny ny fiainana ho zary famaliam-pitiavana, satria ny fiverenantsika hisaotra an'i Jesoa no loharanom-pamonjena ho antsika.

Ndeha ary hanokana fotoana hametsovetso ireo fahasoavana rehetra noraisintsika tamin'i Kristy mialoha ny hanolorantsika ny mofo sy ny Divay, vokatry ny hasasarantsika ka atolotra ho tonga mofo sy fisotro ho antoky ny fiainana satria sorom-pisaorana.



[1] Jereo manko fa ny fiaraha-monina no tsy tia ny hitoerany eo anivon'izy ireo. Mba efa namangy ireo mararin'i Manankavaly aho fa satrin'izy ireo ny hiaina miaraka amin'ny fiaraha-monina, saingy indrisy: areti-mandoza.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119