Hitoetra ao amin’izany trano izany ny Fiadanana lazainareo

Alahady Fahaefatra ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

Fiadanana nentiny eee, Fiadanana lavorary aaa... Fiadanana ho antsika eee. Azoko an-tsaina fa efa nihira mangingina an’izany hira izany sahady ianao eo, na tsy niloapeo aza. Hira tsy zoviana amintsika katolika io; tsy ny katolika ihany fa na ny finoana hafa aza mba manao angoan-tenda miventy azy rehefa tafavory ny mpihavana; dia miaraka mihira, tsy ny kely, tsy ny lehibe; dia mifandray tànana ho marikin’ny Fihavanana eo am-pirariana Fiadanana ho an’ny tsirairay.

Fiadanana nentiny iny eee… Io Fiadanana io no voandalana nentin’i Jesoa ho an’ireo nifanerasera Taminy. Firy moa ireo marary nokorotehin’ny rofy sy ny fanaitaintanana andro aman’alina no nivimbinany Fahasitranana; Fahasitranana nitondra Fiadanana; Fiadanana nitondra Finoana. Firifiry ireo nitomany sy nigoga ranomaso namoy havana sy olo-tiana, nilaozan-tsakaiza sy olona akaikin’ny fo, no nisakelehany faodranomasom-piadanana tamin’ny nananganany ho velona ireo olona ireo. Izany no Jesoa izany; izany no Jesoan’ny Fiadanana; Fiadanana mamy, Fiadanana lavorary…

Fiadanana Lavorary ny Fiadanana omen’i Jesoa. Fiadanana lavorary satria Fiadanana avy amin-Janahary…

Tsy fihetseham-po diso tafahoatra, na “koba diso didy ka manan’amby ho an-drafozana” ny Fiadanana nentiny iny fa Fitiavana avy amin-Janahary. Andriamanitra Ray be Fitiavana mihintsy no efa nampanantena izany Fiadanana izany. Io Zanahary manan-karem-pahasoavana io, ny Tenany no nilaza teo am-bavan’ny Mpaminany Izaia hoe “Indro hataoko misononòka hoatran’ny ony eo aminy ny Fiadanana…”. Inona indray ny ketoka rehefa ny fary no mivoaka ranony? Aìa koa ro hahita? Andriamanitra mihitsy no efa mampanantena ny Fiadanana. Ho an’iza? Fiadanana lavorary, avy amin-Janahary, Fiadanana ho antsika.

Alahady Fahaefatra ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny I : Iz. 66:10-14,
Tononkira : Sal. 66:1-3,4-5,6-7,16,20,
Vakiteny II : Ga. 6:14-18,
Evanjely : Lk. 10:1-12,17-20,

Ho antsika rehetra io Fiadanana nampanantenain’Andriamanitra io; tsy misy avaka saranga na sori-bolo, fa ny rehetra mihitsy no antsoiny hianoka ny zo feno amin’izany.

Io Fiadanana avy amin-Janahary io no teny voalohany nolazain’i Jesoa rehefa niseho tamin’ny Mpianany voalohany Izy, taorian’ny fitsanganany ho velona. Hoy Izy: “Homba anareo anie ny Fiadanana”. Ambetin-teniny io Fiadanana io. Rehefa naniraka ny Mpianany Izy dia teny tsotra no nasainy ho tononin’izy ireo: Fiadanana. Amin’izay trano hidiranareo, hoy Izy, dia milazà aloha hoe: Fiadanana anie ho amin’ity trano ity. Izay ihany, izay fotsiny: Fiadanana anie ho amin’ity trano ity.

Fiadanana: teny tsotra, teny malama am-bava. Fa teny mifono zava-dalina koa anefa. Dia samy te-hanontany isika hoe fa inona marina no atao hoe Fiadanana.

Hataontsika tampody fohy ny tenin’i Izaia Mpaminany. Ny Fiadanana hoy izy dia Fiaraha-mientan-kafaliana; hafaliana toy ny hasambaran’ny zazakely eo ampofoan-dreniny. Raha atao bango tokana ireo famaritan’i Izaia mpaminany azy ireo dia azo lazaina fa ny Fiadanana dia ny hafaliana ao anatin’ny fiombonana.

Ho an’i Masindahy Paoly kosa, ny Fiadanana dia i Kristy sy ny hazofijaliany.

Tsy mifanohitra ireo hevitra roa ireo sanatria fa tena mifameno; ny fehinteny no tsy mitovy fa ny tian-kambara sahala ihany.

Ny Fiadanana tsy inona tsy akory fa ny Fiombonana amin’i Kristy; miainga amin’ny fangirifiriana amin’ny fiaraha-milanja Aminy ny hazofijaliana ka tonga any amin’ny hafaliana amin’ny figohana ny fandresena ny Fahafatesana. Izany no Fiadanana; izany no Fiadanana kristianina. Ny Fiadanana ho antsika kristianina dia i Kristy; izay manana an’i Kristy sy manao Azy ho voaloham-pahavelomana no miadana sy mianoka Fiadanana; ny ankoatr’izay dia fahafinaretana ihany sy andran-tsarim-piadanana fotsiny. Ny Fiadanana kristianina dia tsy mba mifototra amin’ny zavatra miserana na ara-materialy fa Ilay maharitra mandrakizay.

Fa lasalasa ihany anefa ny saina hoe: tò dieny ety an-tany ve izany Fiadanana izany? “Valala aza hono tsy azo raha tsy andriana ilika” hoy ny Ntaolo Razantsika fa ny valintenin’i Kristy amintsika kosa dia tsotra: Eny. Efa nampanantenainy io ka tontosainy ary efa betsaka ireo afaka mijoro ho vavolombelon’izany: vao io i Masindahy Paoly no loa-bava manambara izany, fa any koa ireo Maritiry maro tsy voatanisa sy ireo Vavolombelon’ny Finoana sahy nandao ny zavatra rehetra hikatsahana ilay Fiadanana tokana. Ny hany tokana ataontsika dia ny misiki-ponitra mivelona ny Finoana sy mamela ny Fahasoavan’Andriamanitra hamolavola ny maha-olona antsika ho mendrika izany Fiadanana izany.

Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’i Kristy.


Mompera Nary

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01