Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony

Alahady Fahatelo amby roapolo tsotra Mandavan-taona

“Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony,

fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana”

(Mk 7,31-37)

    

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Misy zava-mitranga telo izay tena manaitra ahy amin’ity Evanjely henointsika aminìity alahady faha-23 mandavataona ity. Ny voalohany indrindra dia ny fanasitranan’i Jesoa ilay lehilahy moana sy marenina ka nampodiany azy indray amin’ny fanaladiana; mazava hoazy fa fahagagana lehibe izany. Ny hetsika faharoa izay tena manintona ny saiko ihany koa dia ny fandraisan’anjaran’ireo olona izay sady nitondra ilay lehilahy moana-marenina teo amin’i Jesoa sy ny niangavian’izy ireo an’i Jesoa hanasitrana an’ilay lehilahy. Ary ny zava-mitranga fahatelo manaitra ahy dia ny fihorakorakin’ny olona hoe “Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana”: tena fiekem-pinoana tanteraka izany ary fankasitrahana rahateo. Ireo trangam-pahasoavana telo ireo no andeha hifampizarantsika àry androany.

Lazaiko dieny ety am-piandohana fa ireo zavatra mitranga telo ireo dia tsy hoe zava-nisy tamin’izay fotoana izay fotsiny fa na dia amin’izao androntsika ankehitriny izao aza dia mbola misy ireo. Ny sary sy endrik’olona tian’ny Evanjely holazaina amintsika amin’ny voambolana “moana-marenina” dia tsy hoe akory ilay olona tsy miteny tsy mivolana ihany, eo iny, fa ny olona rehetra izay mihidy amin’ny tenany; ny moana-marenina eto dia ireo olona rehetra izay tsy mahalala afa-tsy ny tenany, tsy mihaino afa-tsy ny tenany, tsy miresaka afa-tsy amin’ny tenany; ka inona moa izany fa ireo olona tia tena, na koa antsoina amin’ny teny baiko hoe egoisita. Ka izany no ilazako hoe tsy zava-nisy tamin’izany andro izany ihany io fa zava-misy mbola iainantsika ankehitriny ihany koa. Mazava loatra, iza moa no tsy ho tia ny tenany? Iza no tsy hihaino ny tenany? Iza no tsy hiresaka amin’ny tenany? Fa ireo rehetra ireo anefa rehefa diso tafahoatra dia lasa sakana indray; rehefa diso tafahoatra dia lasa kilema ary mampandringa ny fiaraha-monina amin’ny hafa. I Kristy, noho Izy be fangorahana ny tsirairay amintsika dia vonona mandrakariva hanasitrana ny aretim-piarahamonintsika, ny anao ary ny ahy.

Rehefa nandalo teo an-tànanai Jesoa, dia notazonin’ny olona ary niangavian’izy ireo mba hanasitrana ilay lehilahy moana-marenina. Tahaka an’izany koa isika ankehitriny, azo atao lesona tsara ho antsika kristianina izany fihetsika izany. Rehefa misy olona tafalatsaka lalina ao anatin’ny fitiavantena diso tafahoatra, ny adidintsika kristianina dia tsy hoe akory hanaratsy sy hifosa ilay olona main’ny hafa sy eo an-tanàna fotsiny fa indrindra indrindra aza ny hitondra izany olona izany eo anatrehan’i Kristy. Inona moa no tiana ho lazaina amin’izany fa tsy ny mitondra am-bavaka ilay olona eoa anatrehan’i Tompo mba hiasa ao aminy ny Tompo ka hamerina azy indray amin’ny fifandraisana mendrika eo anivon’ny fiaraha-monina. Manana adidy hivavaka ho an’ny hafa isika kristianina, fa raha tsy izany dia isika indray no moana-marenina.

Ny hetsika fahatelo dia fahatalanjonan’ireo olona nahita an’ilay lehilahy moana-marenina niverina amin’ny laoniny. Zavatra mitranga manko matetika rehefa misy fahagagana dia ny fanaratsiana sy fisokirana an-davaka izay mety hamandrihana an’i Jesoa no miseho; fa ity eto ity kosa dia faly ny olona ary nitolagaga tamin’ny nataon’i Jesoa sy amin’ny fahasitranan’ilay lehilahy. Ny kristianina, tena izy, dia tsy mba ory hava-manana fa faly sy mankasitraka ny Tompo rehefa mahita ny olona hafa miverina amin’ny laoniny sy mahazo fahasoavana avy amin’ny Tompo.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087