Dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko

Alahady Fahafolo tsotra Mandavan-taona

Na iza na iza manao ny sitra-pon'Andriamanitra,

dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.” (Mk 3, 20-35)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Manomboka anio dia miverina amin’ny fanisan’andro mandavataona indray ary isika; midika izany fa tapitra hatreo indray aloha ireo fankalazana lehibe isan-karazany fa mitohy kosa ny vaninandro mandavataona. Tsy hoe fanivaivana ny andavanandro akory izany fa vao maika aza fanomezana lanja ny andaniny sy ny ankilany amin’ny vaninandro lalovan’ny fiainam-pinoantsika kristianina tsirairay. Ity taona lalovantsika ity moa dia aompana manokana amin’ny famakiana ny Evanjelin’ny Masindahy Marka. Ity fifampizarana hataoko eto androany eto ity ary dia hitodihantsika manokana àry amin’ny fanivasivanana ny Evanjely asoron’ny Fiangonana amintsika androany; aza hadino anefa fa misy Vakiteny telo, efatra miaraka amin’ny Salamo, fanao isakin’ny alahady. Fa saingy haompantsika, hoy aho teo, ity fifampizarana ity amin’ny fivaofana ny Evanjely aroson’ny Fiangonana amintsika androany.

Misy foto-kevi-dehibe anankiroa velabelarin’ny Evanjely androany: ny voalohany dia ny mahakasika ny Hery sy ny Fahefana anaovan’i Kristy ny Fahagagana maro isan-karazany ary ny faharoa kosa dia ny momba ireo olona antsoina hoe reny sy rahalahy ary anabavin’i Kristy. Nanao fahagagana maro isan-karazany i Kristy ary anisan’ny nataony ny nandroaka ireo demony mangeja ny fanahy sy ny vatan’ireo itoeran’ny fanahy maloto ka mampihinjakinjaka azy. Misy anefa ireo olona izay manontany hatrany ny momba an’i Kristy sy ny fahefana anaovany izany; tsy hoe dia tena te-hahalala tanteraka ny momba izany ireo olona ireo fa kosa te-hamandrika ary “tsy maty voalavo an-kibo” amin’ny zavatra sy ny asa soa ataon’i Kristy ka mikendry izay handavoana Azy amin’ny Fanontaniana feno fandrika. Manjohy izany toe-tsaina izany indrindra, mandritran’ny fotoana nanaovan’i Jesoa fanasitranana no nilazan’ny sasany tamin’izy ireo fa noho i Jesoa mpiray tsikombakomba amin’ny ratsy no ahafahany mandroaka ny ratsy. Saingy tsotra moa ny valitenin’ny Kristy: tsy hisy mpiray tsikombakomba ka hoe hikendry ny hahavoa ny andaniny ny ankilany fa raha tsy izany dia ho rava ny fiaraha-miombon’antoka. Mazava dia mazava izany fampianarana izany. Fa, izay ny an’i Kristy; fa isika ankehitriny koa dia tratran’izany zava-nisy izany koa amin’izao vanin’andro diavintsika izao. Rehefa misy olona mba mandray andraikitra sy manao izay hahatsara ny fiangonana sy ny fiainam-piaraha-monina, dia avy ireo ratsy saina sy be fialonana fa mamafy lainga sy manasoketaka fa noho ilay olona miray antoka amin’ny ratsy no mahatonga azy mahavita manala ny ratsy ary mamafy soa eo amin’ny fiangonana. Zava-misy izany ary iaraha-mahita. Ny marina dia satria; tsy zakan’ny toe-tsaina te-hanjakazaka hiombon-kevitra isika ary tiany hisaratsaraka mba hahamora ny fanjakana sy ny fizakana antsika. Satrin’ireo tia fehihefy sy te-ho hajahajaina ary andrandraina amin’ny maha-nofo sy ara-boninahitra raha “mifanipaka anatiny toy ny valala an-karona isika”.

Ny fampianarana faharoa dia ny momba ireo antsoina hoe reny, rahalahy ary anabavin’i Kristy. Ny valin-teniny dia tsotra: tsy hoe izay iray rà amin’i Kristy ihany akory no antsoina hoe rahalahiny sy anabaviny fa indrindra indrindra aza ireo izay manao ny sitrapon’Andriamanitra Ray. Rehefa tena zohina, tsy hoe akory ny mpiray-tampo ihany no antsoina hoe mpirahalahy fa izay rehetra manefa ny adidy amin’ny tany sy ny anaran-dray dia mpiray tampo ary mizaka ny fizanahana eo amin’ilay ray aman-dreny tompoin-kafatra. Zanak’Andriamnitra feno isika rehefa mahefa ny didim-pitiavany ary mijoro ho vavolombelon’ny Fitiavany amin’ny andavanandrontsika.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086