Raiso ny Fanahy Masina

Alahady Pentekoty

Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela,

ary izay hotananareo dia ho voatana.” (Jn 20, 19-23)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Voalohany indrindra aloha dia miarahaba antsika rehetra tratran’ny Pantekôty ary maniry koa raha maniry ny hitomboan’ny fahasoavana ao amintsika amin’izao fankalazana ny fidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly sy amin’ny Fiangonana izao. Enga anie hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny famirapiratany mandrakariva isika rehetra amin’izao fankalazana lehibe izao sy mandritra ity herinandro vaovao ho diavintsika ity. Alahadin’ny Pantekôty tokoa anio ary ankalazain’ny Fiangonana maneran-tany ny Fidinan’ny Fanahy Masina, tamin’ny Apostoly sy amin’ny Fiangonana ankehitriny ary ho an’ny hoavy. Miasa ao amin’ny Fiangonana ary manenika ny fiangonana rehetra ny asan’ny Fanahy Masina ka rariny raha hankalaza sy hankasitraka ny asan’ny Fanahy Masina sy ny fitoerany eo anivon’ny Fiaraham-pinoana ny Fiangonana manontolo amin’ity andro anio ity. Reko sahady any an-tsaiko any ny fireondreon’ny hira “ry Fanahy Masina avia e, midina, avia midina” ho an’ny Fiangonana katolika, fa tsy ambakan’izany koa ireo Fiangonana hafa izay mampanakoako ny “ry Fanahy Mpanazava, miandrandra anao ‘zahay”, …: ny fijery tsy mitovy fa jerena zavatra tokana iray ihany: ny Fanahy Masina.

Mazava loatra, ireo vakiteny izay vakiana amintsika amin’ity andro anio ity, ary tsy androany ihany fa hatramin’ny halina tontoloizay efa niatrehana ihany koa aza ny Fiambenana Masina, ny Vavaka manontolo izay iompanan’ny Fankalazana omaly hariva sy anio tontolo andro dia manoritsoritra feno io Fanahy Masina io sy ny Heriny. Tsy ho ampy hivalamparantsika moa ny pejy raha dia ho voasantsika amin’ny antsipiriany ireo Soratra Masina ireo fa ny hifampizanatsika eto dia ny Evanjely izay vakiana amintsika anio. Mizara telo mazava tsara ny hafatrin’ny Evanjely. Voalohany indrindra, ny zavatra irian’ny Kristy ho antsika rehetra Kristianina dia ny “Fiadanana”. Tsy maniry ary tsy manonona zavatra hafa ho antsika i Kristy fa ny iriany dia ny mba hananantsika rehetra tsy misy avakavaka ny Fiadanana. Sitrany, ary irariany isika mba hanana ao am-pontsika tsirairay ny Fiadanana; tsy ao anatin’ny fotoana maha-be eritreritra sy maha-be ny manahirana ihany tsy akory fa mandritra ny androntsika manontolo mihitsy. Ny hafatra faharoa dia ny “Hafaliana” mahita ny Tompo. Rehefa avy nasehon’i Kristy an’ireo mpianatra ny Tànany voaloakan’ny fantsika, dia fantatr’izy ireo fa “Izy” io ary dia faly izy ireo nahita Azy. Ny Porofo fa manana an’i Kristy sy mahita Azy mivantana amin’izay ataony rehetra ny olona iray dia ny “Hafaliana” hita misoritra eny amin’ny tavany ka manenika izay manodidina Azy. Endrika isehoan’ny maha-Kristianina ny hafaliana; sady rariny rahateo moa izany satria ao amin’ny Kristy no ahafenoan’ny misy rehetra, noho izany dia ampoka ny hafaliana rehefa eo i Kristy. Ny fampianarana fahatelo dia ny momba ny Fanahy Masina; ary izay rahateo moa no ankalazaintsika amin’ity andro an’io ity. Raha ity andalan-tsoratra Masina Evanjely ity no zohina akaiky dia foto-pinoana roa lehibe no azontsika tsoahina: avy amin’i Kristy ny Fanahy Masina, Izy no mizara sy manome Azy ho antsika. Fanomezana ho antsika ny Fanahy Masina; tsy noho isika mendrika na mahavita zavatra ka mendri-pankasitrahana fa noho isika marefo sy osa indrindra aza ka mila tohana sy fankaherezana. Ny antony anomezan’i Kristy antsika ny Fanahy dia ny hanova antsika sy hanavao ny momba antsika. Natao hamela na hitazona ny fahotana ny Fanahy Masina; izany hoe manana ny hery rehetra handio sy hanafaka ny Fanahy Masina. Ireo rehetra izay nomena fahefana sy voahosotra amin’izany adidy izany, noho ny Fanahy Masina, dia afaka manonona fahafahana ho antsika rehetra ao amin’ny Fanahy Masina ary afaka hamela ny fahotana amin’ny Herin’ny Fanahy.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0602