Sorona Masina ny Alahady 11 aogositra 2019

ALAHADY FAHA-19 mandavantaona — D

MANOMÀNA VATSY SAHAZA NY MANDRAKIZAY

Tononkira fidirana

Sal. 73, 20.19. 22. 23

Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain’ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian’ireo mila ady aminao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Fahendrena

Fah. 18, 6-9

Toraky ny namelezanao ny fahavalonay no nanandratanao anay kosa tamin’ny niantsoanao anay.

Nahalala mialoha ny alim-panafahan’ny Paka ny Razanay, mba hahafantarany izay fampanantenana ninoany, ka hananany herim-po bebe kokoa. Koa nandrasan’ny vahoakanao, ny famonjena ny marina, sy ny fandringanana ireo fahavalony. Toraky ny namelezanao ny fahavalonay ny nanandratanao anay kosa tamin’ny niantsoanao anay ho aminao. Eny tokoa fa ireo tia vavaka zanaky ny olona masina moa nanatitra ny sorony mangingina, ka niara-nanao fanekena masina hoe: hiara-misalahy ny masina amin’ny soa sy amin’ny loza hitranga; ary dia nihira sahady ny hira masin’ny Razanay izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 32, 1 sy 12. 18-19. 20 sy 22.


Fiv. : Sambatra ny vahoaka nofidin’ny Tompo ho lovany.

Ry olo-marina, hobio ny Tompo: ny olo-mahitsy no mendrika hidera. Sambatra loatra ny firenena manana ny Tompo ho Andriamanitra! Tretrika koa ny vahoaka izay nofidiny ho lovany!
Izay matahotra ny Tompo no ahiny; eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany hafahany amin’ny fahafatesana, hovelominy amin’ny tao-mosarena.
Izahay manantena ny Tompo, ilay Mpitahy sy Mpiaro anay, fifalifalian’ny fonay; ny Anarany masina no tokinay. Ny fitiavanao, ry Tompo ô, ho eo aminay matoky Anao!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 11, 1-2. 8-19 (lava) na 1-2. 8-12 (fohy)


Nanantena ilay tanàna mafy orina manana an’Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao izy.

Ry kristianina havana, ny finoana no santatry ny zavatra antenaina, sy porofon’ny zavatra tsy hita. Nanam-pinoana ny ntaolo ka izany no nahatsara laza azy. Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany. Ny finoana no nitoerany tany amin’ny tany nampanantenaina toy ny any an-tany fivahiniana; tranolay no nitoerany; toy izany koa i Isaaka sy i Jakôba izay mpandova izany teny nampanantenaina izany koa; fa nanantena ilay tanàna mafy orina manana an’Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao izy. Ny finoana koa no nahazoan’i Sarà hery hanana anaka, na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy, satria nino izy fa mahatoky Ilay nampanantena. Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra, sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina, no avy amin’ny olona anankiray izay efa toy ny maty.


[Mijanona eo raha ny fohy no atao; tohizina raha ny lava].

Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina, fa nahatazana azy lavitra fotsiny, dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe: vahiny sy mpivahiny izy no ety an-tany. Manambara mazava izay milaza izany fa mitady tanindrazana honenany izy. Ary raha ny tany nialany no heveriny amin’izany, dia ho azony atao ny miverina any indray; fa tany tsara lavitra no irîny, dia ny lanitra izany. Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy, dia tsy menatra Izy hantsoina hoe: Andriamanitr’izy ireo. Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona, raha nozahan-toetra izy. Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana, sy nilazana hoe: “Avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranakao”. Eny natolony io zanany lahy tokana io: satria ninoany fa na dia maty aza izy dia hain’Andriamanitra atsangana, ka dia noraisiny indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 12, 32-48 (lava) na: 35-48 (fohy)

Mivonòna ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny Fanjakana. Amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana; manaova kitapom-bola tsy tontan’ny ela ho anareo, dia rakitra tsy mety lany any an-danitra, izay tsy azon’ny mpangalatra idirana sady tsy misy kalalao manimba; fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa”.

“Aoka ho voaetra ny andilanareo, ary ho voarehitra ny jironareo. Manaova toy ny olona izay miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin’izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. Sambatra ireo mpanompo tratran’ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin’ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. Ary fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamîna. Koa mivonòna koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy hampoizinareo ny Zanak’Olona”.


[Mijanona eo raha ny fohy no atao; tohizina raha ny lava].

Dia hoy i Piera taminy: “Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an’ny olona rehetra koa?” Ary hoy ny Tompo: “Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? Sambatra izany mpanompo izany raha tratran’ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: ‘Ela vao ho avy ny tompoko’, ka amin’izany dia mikapoka ny ankizy lahy sy ny ankizy vavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy. Izay mpanompo nahalala ny sitra-pon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitra-pony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, irîn’Andriamanitra ho mpanompo mahatoky sy vonona lalandava ny olombelona, mba tsy ho diso anjara amin’ny fitiavany mandrakizay; koa akambano ny vavaka ataontsika, mba samy hahalala ny adidy amin’Andriamanitra isika rehetra, ary samy harisika hanatontosa Azy.

Valy: Tompo ô, ankasitraho izahay ka aza atosi-bohontanana.

* Mitonon-tena ho mpanompo ny mpanompon’Andriamanitra ny Papa; koa mivavaha ho azy, ary mangataha ho an’ny Eveka sy ny Pretra hanampy azy hanompo ny olombelona tokoa.
* Mivavaha ho an’ireo filoham-panjakana sy lehiben-taozavatra ary mpifehy isan-karazany mba ho feno fanajana ny olona entiny, ary hikaroka sy hahita izay hahasambatra azy rehetra.
* Mivavaha ho an’ireo miasa alina sy ireo miari-tory any amin’ny trano fanaovana taozavatra sy trano fitsaboana ary any ampovoan-dranomasina, mba hahazoany ny valin-kasasarany.
* Mivavaha ho an’ny mpianatra mahazo andro, mba ho afa-tsasatra tokoa izy, ary hanovo hery ara-tsaina sy ara-panahy ary hahavita soa amin’ny manodidina azy amin’ny vokatr’izay nianarany.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, herezo izahay ho feno fanantenana sy fitiavana eto am-piandrasana ny fiavianao, ka ho vonona hitsena Anao, na andro na alina hahatongavanao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso amin’ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin’ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan’ny herinao ho Sorona famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.


Kômonio

Sal. 146, 12. 14.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.


na hoe:

Jo. 6, 52

Ny Mofo izay homeko, hoy ny Tompo, dia ny Nofoko, ho fiainan’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie hahazoanay famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin’ny tena fahazavana marina izahay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0831