Sorona Masina ny Alahady 16 jona 2019

ALAHADY MANARAKA NY PANTEKOTY — Taona D

NY TRINITE MASINA

ANDRIAMANITRA TOKANA FA OLONA TELO

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Hankalazaina anie Andriamanitra Ray sy Ilay Zanany Lahy tokana ary ny Fanahy Masina, fa namindra fo tamintsika Izy.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny Teny mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy Loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra; koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina, ka hankatò ny voninahitry ny Olona telo samy mandrakizay, ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Ohabolana

Oh. 8, 22-31

Talohan’ny niandohan’ny tany, dia efa teo ny Fahendrena.

Izao no lazain’ny Fahendren’Andriamanitra: Nanana ahy hatramin’ny fiandohan’ny lalany ny Tompo, dia talohan’ny asany ela indrindra. Efa niorina hatramin’ny mandrakizay aho, hatramin’ny voalohany, talohan’ny niandohan’ny tany. Tamin’ny namoronana ahy, tsy mbola nisy ny hantsana, tsy mbola nisy ny loharano nitoeran-drano. Talohan’ny nanorenana ny tendrombohitra; talohan’ny havoana, dia efa teraka aho; fony tsy mbola nisy nataony na ny tany na ny tany lemaka, na ny zavatra iforonan’ny vovok’izao tontolo izao. Efa teo aho, fony Izy nandamina ny lanitra, fony Izy nanoritra faribolana tambonin’ny hantsana, fony Izy nampitoetra ny rahona eny ambony; sy namolaka ny loharano avy amin’ny hantsana, fony Izy nanisy faritra ho an’ny ranomasina, mba tsy hihoaran’ny rano ny morony; fony Izy nandatsaka ny fanorenan’ny tany. Izaho dia niasa teo anilany, niravoravo isan’andro isan’andro, nilalao teo anatrehany mandrakariva, nilalao teo amin’ny gilôbin’ny taniny, ary nahita fahafinaretana teo amin’ny zanak’olombelona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 8, 4-5. 6-7. 8-9


Fiv.: Ry Tompo Andriamanitra ô, ndrey ny harevaky ny Anaranao.

Hoy aho raha mahita ny lanitra nataon’ny tananao aho, ny volana, ny kintana izay namboarinao: Fa mba inona ny olombelona no tsahivinao? ny zanak’olombelona no dia ahinao?
Nataonao ambany kelin’ny Anjely izy, nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. Ny asan-tananao nomenao hozakainy, ny zavatra rehetra nataonao ambany tongony.
Dia ny omby aman’ondry sy ny bibidia, ary koa ny vorona eny an-danitra, sy ny trondro any an-dranomasina izay miriaria eny ambonin’ny onja!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 5, 1-5


Avy amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Kristy ao amin’ny Fanahy, no ahazoantsika ny fahasoavana.

Ry kristianina havana, efa nohamarinina noho ny finoana isika ka mihavana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra. Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana mahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 16, 12-15

Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko; ny Fanahy dia handray ny avy amiko, ka hanambara izany aminareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny; fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Hanome voninahitra Ahy Izy, satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo. Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko, ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko Izy, ka hanambara izany aminareo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ankalazaintsika anio, miaraka amin’ny fitiavana mampiray Azy, ny Olona telo maha-Andriamanitra: dia ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; ka miraisa fo isika hivavaka ho an’ny olombelona rehetra mba hihavaozan’ny fianakaviam-ben’izao tontolo izao hanahaka ny Fianakavian’ny Trinite Masina, ka hifankatia sy hihavana ary hifanasoa marina tokoa.

Valy: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo.

* Mba handalinan’ny Eglizy lalandava ny fampianaran’i Jesoa Kristy, dia mangataha amin’ny Fanahy Masina hanazava an’ireo nomena adidy hampianatra ny finoana.
* Misy mpitondra eo amin’izao tontolo izao manadino fa misy Andriamanitra; koa mivavaha mba hohazavain’Andriamanitra izy, ary ho afaka hivavaka marina ny vahoaka rehetra.
* Maro ireo mbola mitady an’Andriamanitra marina; koa mivavaha mba hiseho aminy Andriamanitra hiadanan’ny fony sy hahasambatra azy.
* Mba hahafahan’ny fianakaviantsika maka tahaka ny fianakavian’Andriamanitra, dia mangataha amin’Izy Tompo mba hamenoany fitiavana sy hampifankazahoany ny olona rehetra, ao amin’ny fianakaviana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina ô, anjakan’ny fitiavana ao amin’ny Trinite Masina, ka ampio izahay mba hampiraisin’ny fitiavana, haka tahaka ny fitiavan’Andriamanitra, dia hamirapiratra eo amin’ny olombelona fa Fitiavana Ianao Andriamanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, mihanta aminao izahay ary miantso ny Anaranao: mba hamasino ireto fanatitray mpanomponao, hahatonga anay koa ho fanatitra lavorary mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Andriamanitra tokana Ianao miaraka amin’ny Zanakao Lahy tokana sy ny Fanahy Masina. Tsy tokana amin’ny maha-olon-drery tsy akory, fa tokana amin’ny fomba maha-Andriamanitra tokana ny Olona telo. Inoanay tokoa izay rehetra nambaranao ny amin’ny voninahitrao, ka ankatoavinay tsy an-kanavaka, na momba ny Zanakao na momba ny Fanahy Masina.

Hany ka miaraka amin’ny finoana ny maha-Andriamanitra marina sy mandrakizay Anao, dia tsaohinay ny maha-Olona telo samy hafa Anao sy ny fomba maha-Andriamanitra tokana an’ireo Olona telo ireo ary ny fahandrianana itovizany tanteraka.

Izany fahandrianana izany no derain’ny Anjely sy ny Arkanjely ary ny Kerobima sy ny Serafima, amin’ny hoby isan’andro tsy an-kijanona, iarahanay miredona hoe: Masina, Masina, Masina …


Kômonio

Gal. 4, 6

Zanaka ianareo, ka nirahin’Andriamanitra ao anatin’ny fonareo ny Fanahin’ny Zanany miantso hoe: Abà! Ray ô!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo Andriamanitra ô, hahavonjy anay fanahy amam-batana anie ny Kômonio raisinay sy ny fiekenay fa Olona telo mandrakizay Ianao ary Andriamanitra tokana tsy azo sarahina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0942