Sorona Masina ny Zoma 14 jona 2019

Herinandro faha-10 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 26, 1-2


Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian’ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’ny mpanjaka

1 Mpanj. 19, 9a. 11-16


Mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra eo anatrehan’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, nony tonga tany antendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba, i Elia, dia niditra tao anaty zohy ka nandry tao. Ary hoy ny Tompo taminy: “Mivoaha ianao, ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’ny Tompo, fa indro handalo ny Tompo.” Dia nisy rivotra be sady mahery, nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy, teo alohan’ny Tompo; nefa tsy tao amin’ny rivotra ny Tompo. Nanarakaraka ny rivotra, nisy horohoron-tany, nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany ny Tompo. Nanarakaraka ny horohoron-tany, nisy afo koa, nefa tsy tao amin’ny afo ny Tompo. Ary nanarakaraka ny afo, nisy fizozozozo malefaka sy malemy. Ka raha nandre izay i Elia, nosaronany ny kapaotiny ny tarehiny, ka dia nivoaka izy, ary nijanona teo am-bava zohy izy. Dia injay nisy feo reny nankeo aminy, nanao hoe: “Maninona atý ianao, ry Elia?” Ary hoy ny navaliny: “Feno hafanam-po ho an’ny Tompo Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely, ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, izaho irery sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.” Fa hoy ny Tompo, taminy: “Mandehana amin’ny dianao indray ho any amin’ny efitr’i Damasy; ka rahefa mby any ianao, hosory ho mpanjakan’i Siria i Hazaela, hosory ho mpanjakan’i Israely i Jehoa, zanak’i Namsî, ary hosory ho mpaminany handimby anao i Elisea, zanak’i Safàta, avy any Abela Meholà.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 26, 7-8a. 8b-9abd. 13-14.


Fiv.: Eny, ry Tompo, tadiaviko ny Tavanao.

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso! Iantrao aho, ka valio! Tadiavo ny Tavany, hoy ny foko mantsy Anao. Eny, ry Tompo, tadiaviko ny Tavanao!
Aza afenina ahy, ny Tavanao! Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao! Ry ilay Mpitahy ô, aza manary! Ry Andriamanitra Mpamonjy ô, aza mahafoy!
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny Tanin’ny Velona! Mahandrasa ny Tompo, marisiha! Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 4, 7-15


Ilay nanangana an’i Jesoa Kristy ho velona, dia hanangana anay miaraka amin’i Jesoa koa sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo.

Ry kristianina havana, siny tany no itondranay izany raki-pahazavana izany, mba hiharihary fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Evanjely fa tsy avy aminay. Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahoriana, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro; entinay amin’ny vatanay lalandava ny fahafatesan’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny vatanay koa. Fa na dia velona aza izahay, dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny nofonay mety maty. Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.

Noho izahay manana ilay Fanahin’ny finoana voasoratra hoe: “Nino aho, ka niteny”, dia mino koa izahay ka miteny. Satria fantatray fa izay nanangana an’i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay miaraka amin’i Jesoa koa, sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo. Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany, mba homena be ny fahasoavana ka hitombo be ny fisaoran’ny maro ho voninahitr’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 115, 10-11. 15-16. 17-18.


Fiv.: Avy manatitra fanati-pisaorana aminao aho, ry Tompo.

Natoky aho na nisy nanenjika aza, nilaza aza hoe: «Fara-fahoriana», fa taitra aho manko ka vaky hoe: «Mpandainga avokoa ny olombelona».
Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie ny hoe hahafaty izay mino Azy. Ry Tompo ô, satria aho mpanompo matoky Anao, fa zanaka mpanompovavinao, dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho, hiantsoako amin’ny foko ny Anaranao, efaiko ny voadiko taminao, efaiko anatrehan’ny firenena.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 27-32


Izay rehetra mijery vehivavy ka maniry azy dia manota sahady.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mijangajanga?’ Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo. Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.

Ary efa voalaza koa hoe: ‘Na iza na iza hisaotra ny vadiny, aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.’ Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay manambady ny voasaotra dia mijangajanga.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.


na hoe:

1 Jo. 4, 16

Fitiavana Andriamanitra: izay mitoetra ao amin’ny fitiavana mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra mitoetra ao aminy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin’ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin’ny lala-mahitsy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0659