Sorona Masina ny Alarobia 12 jona 2019

Herinandro faha-10 mandavantaona

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Sal. 26, 1-2

 

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian’ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 18, 20-39

 

Mihainoa ahy, ry Tompo, mba hahafantaran’itý vahoaka itý fa Ianao no Tompo Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina ny fon’izy ireo indray.

Tamin’izany andro izany, dia naniraka nankany amin’i Israely rehetra i Akaba sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela. Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: “Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo? Raha ny Tompo no Andriamanitra manaraha Azy, fa raha i Baala kosa, manaraha azy.” Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka. Dia hoy i Elia tamin’ny vahoaka: “Izaho irery no sisa amin’ny mpaminanin’ny Tompo, fa misy dimampolo amby efa-jato kosa izy no mpaminanin’i Baala.

Koa aoka homena ombalahy roa izahay, ka ny iray amin’ny ombalahy hofidiny mba ho azy, dia horasainy sy hapetrany eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo; ny ombalahy iray kosa, hamboariko sy hapetrako eo ambony kitay hazo tsy asiana afo koa. Rahefa izany kosa, hiantso ny anaran’andriamanitrareo ianareo; izaho kosa hiantso ny anaran’ny Tompo. Ka izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia izay no Andriamanitra.” Namaly avokoa ny vahoaka nanao hoe: “Tsara izany!” Dia hoy i Elia tamin’ny mpaminanin’i Baala: “Fidio ho anareo ny iray amin’ireto ombalahy, ka amboary aloha, fa ianareo no maro, ary antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo.” Dia nalain’ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny, dia niantso ny anaran’i Baala izy, hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, nanao hoe: “Ry Baala ô, valio izahay!” Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory. Ka nihinjaka teo anoloan’ny ôtely nataony izy ireo. Nony nitataovovonana ny andro, nesoesoin’i Elia teo izy ireo, nataony hoe: “Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy, ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny; matory angamba izy, ka dia hifoha.” Dia niantso mafy tokoa izy ireo sady nitetika ny tenany tamin’ny sabatra aman-defona araka ny fanaony, mandra-piloa-dra ny tenany. Ary nony efa nitsidika ny andro, dia naminany izy mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny fanatitra. Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsona kely akory.

Izay i Elia vao nanao tamin’ny vahoaka hoe: “Manatòna ahy ianareo.” Nony nanatona ny vahoaka, dia namboariny ny ôtelin’ny Tompo izay efa voarava. Naka vato roa ambin’ny folo i Elia, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakôba, ilay niharan’ny tenin’ny Tompo hoe: Israely no ho anaranao. Ireo vato ireo no nanaovany ôtely ho an’ny anaran’ny Tompo.

Rahefa izany nasiany hady manodidina ny ôtely sahabo hahalany voa famafy indroan’ny famarana; dia nalahany ny kitay hazo, noraisiny ny ombalahy, ka napetrany teo ambony kitay hazo. Ary hoy izy: “Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin’ny sorona dorana sy amin’ny kitay hazo.” Dia hoy izy: “Ataovy fanindroany indray izany.” Dia nanao izany fanindroany tokoa ny olona. Fa hoy indray izy: “Ataovy fanintelony koa izany.” Dia nanao izany fanintelony ny olona. Ka nikorotsaka nanodidina ny ôtely ny rano, dia nasainy hofenoina rano koa ny hady.

Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra; dia nandroso i Elia mpaminany, ka nanao hoe: “Ry Tompo Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ô! aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin’i Israely Ianao, ary izaho dia mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao. Mihainoa ahy, ry Tompo ô, mihainoa ahy! mba hahafantaran’itý vahoaka itý fa Ianao no Tompo Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina ny fon’izy ireo indray.” Dia latsaka tamin’izay ny afon’ny Tompo, ka nandoro ny sorona dorana, ny kitay hazo, ny vato, ny tany, ary ritrany ny rano tamin’ny hady! Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia niankohoka tamin’ny tany nanao hoe: “Ny Tompo ihany no Andriamanitra, ny Tompo ihany no Andriamanitra!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 15, 1-2a. 4. 5. sy 8. 11

 

Fiv.: Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno. F’Ianao re no hany ifefeko. Hasambarako tokana an-tany. Ka ireny sampy hamaroina, tsy hanaovako sorona intsony; tsy ho tononiko anarana akory.
Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay. Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala eo ankavanako Izy.
E ny lalan’ny fiainana izao, dia hatoronao ahy hatrany, ka mameno hafaliana ny foko. Ho finaritra mandrakizay, ’zay mitoetra eo ankavananao hasambarana tsy mety ritra.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly ApôstôIy ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 3, 4-11

 

Nataony mpandraharaha amin’ny fanekena vaovao izahay, tsy mpandraharaha amin’ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin’ny fanahy.

Ry kristianina havana, Andriamanitra ihany no anananay izao fahasahianay izao, amin’ny alalan’i Kristy. Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin’ny tenanay; Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampianay, Izy ihany koa no maha-ampy anay ho mpandraharaha amin’ny fanekena vaovao, tsy mpandraharaha amin’ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin’ny fanahy, satria ny soratra mahafaty fa ny fanahy no mahavelona. Ary raha ny fandraharaham-pahafatesana voasoratra tamin’ny vato aza nohodidinim-boninahitra, ka tsy nahabanjina ny tavan’i Môizy ny zanak’i Israely, noho ny famirapiratry ny voninahiny mandalo foana, tsy mainka va ny fandraharaham-panahy no hodidinim-boninahitra? Eny, raha ny fandraharana ny fanamelohana aza nisy voninahitra, dia vao mainka hanan-tombom-boninahitra ny fandraharahana ny fahamarinana; ka tsy azo lazaina ho voninahitra akory ny an’ilay voalohany, raha oharina amin’ny an’itý ankehitriny ambony lavitra. Satria raha nomem-boninahitra ilay nandalo, vao mainka ho be voninahitra itý maharitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 98, 5. 6-7. 8. 9.

 

Fiv.: Eny, marina ny Tompo Andriamanitsika.

Asandrato Andriamanitra Tompo. Ny fitoeran’ny tongony ihohofy. Fa satria Izy Masina indrindra.
I Samoela, i Môizy, i Aarôna, raha niantso dia novaliany, tao anaty andry rahona fotsy. Ka mitandrina izay nolazainy, sy nandray ny lalàna nomeny.
Eny, ry Andriamanitra Tompo, novalianao tokoa izy ireo. Lefitrao izay rehetra nataony; faizinao kosa ireo hadisoany.
Asandrato Andriamanitra Tompo, ka ny Vohitra masiny ihohofy! Fa satria Izy masina indrindra, asandrato ny Tompo Mpamonjy.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 17-19

 

Tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.

Tamin’izany andro izany, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: “Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany; tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendron-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra. Koa amin’izany izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.

 

na hoe:

1 Jo. 4, 16

Fitiavana Andriamanitra: izay mitoetra ao amin’ny fitiavana mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra mitoetra ao aminy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin’ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin’ny lala-mahitsy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085