Sorona Masina ny Asabotsy 18 mey 2019

Herinandro faha-4 — Fankalazana ny Paka

SABOTSY

 

Tononkira fidirana

1 Pi. 2, 9

 

Ry vahoaka navotana ô, torio ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala amin’ny haizina hankeo amin’ny fahazavana mahagaga. Aleloia!

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tanteraho ho lavorary ao aminay ny fankalazana ny Paka; koa enga anie ireo sitrakao nohavaozina tamin’ny Batemy masina mba hoarovanao hahavokatra be ary ho velona sy ho sambatra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 13, 44-52

 

Indro hankany amin’ny jentily izahay.

Tamin’ny sabata nanaraka ny toritenin’i Paoly tao amin’ny sinagôga, tany Antiôkia any Pisidia, dia saika tafangona hihaino ny tenin’Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra. Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany, ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no navevateva azy. Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe: “Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra; nefa noho ianareo mandà Azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro hankany amin’ny jentily izahay. Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay: Efa natsangako ho fahazavan’ny jentily ianao, mba hitondra famonjena hatramin’ny fara vazan-tany.” Faly ny jentily nony nandre izany, ka nankalaza ny tenin’ny Tompo, ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Dia niely eran’izany tany izany ny tenin’ny Tompo. Nefa notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin’ny loholona tao an-tanàna, ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny. Tamin’izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga an’ireo, dia lasa nankany Ikôniôma, ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4

 

Fiv.: Hitan’ny vazan-tany rehetra ny famonjen’ny Andriamanitray.

Ihirao antsa vao ny Tompo: fa mahagaga ny zava-bitany! Fa ny tanany no namonjy, nanampy Azy ny herin-tsandriny!
Ka dia hitan’ny firenena ny famonjena amam-pahamarinany. Mba tsarovy, ry Israely, ilay fitiavany tsy mivadika!
He zahao e, ry vazan-tany, izato vonjin’Andriamanitra! O ry tany, derao ny Tompo, ka mientàna amin-karavoana!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 14, 7-14

 

Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray koa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Raha nahafantatra Ahy ianareo dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy.” Dia hoy i Filipo taminy: “Asehoy anay ny Ray, Tompoko dia ampy ho anay izany.” Fa hoy i Jesoa taminy: “Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray? Tsy mino ve ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko; na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo be indrafo: mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka

 

Kômonio

Jo. 11, 24

Ray ô, ireo nomenao Ahy, tiako ho eo amiko amin’izay toerako mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy. Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin’ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain’ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy mba hampitombo ny fitiavanay Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0659