Sorona Masina ny Alahady 28 aprily 2019

ALAHADY FAHAROA - Taona D fankalazana ny Paka

TOMPOKO SY ANDRIAMANITRO!

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

1 Pi. 2, 2

Toy ny zaza vao teraka ianareo, koa maniria ny rononom-panahy tsy misy fangarony, mba hitomboan’ny famonjena aminareo. Aleloia.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mamindra fo lalandava ô, mamelombelona ny finoanay vahoakanao masina Ianao amin’izao fitsingerenan’ny fankalazana ny Paka izao; ka mba ampitomboy ny fahasoavana nomenao hahalalanay mazava tsara ny rano nanadiovana anay, ny Fanahy niterahana anay ary ny Ra nanavotana anay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 5, 12-16

Nitombo isa ny olona izay nino ny Tompo.

Tao Jerosalema, dia betsaka ny famantarana sy fahagagana natao teo amin’ny vahoaka, tamin’ny tanan’ny Apôstôly. Niara-nipetraka teo ambanin’ny lavarangan’i Salômôna ny mpino rehetra, ary tsy nisy olon-kafa sahy nikambana tamin’izy ireo; nefa ny vahoaka nankalaza azy. Nitombo isa isan’andro vaky ny olona izay nino ny Tompo, na lahy na vavy, ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary, ka napetrany teo ambony farafara na tsihy fandriana, mba hisy ho azon’ny tandindon’i Piera ahay, raha mandalo izy. Maro koa ny olona nidodododo nankao Jerosalema avy tamin’ny tanàna manodidina mitondra ny marary, sy izay nampahorin’ny fanahy maloto, ary sitrana avokoa izy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra


Salamo fandinihana

Sal. 117, 24. 22-24. 25-27a


Fiv.: Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo
Fa mandrakizay ny fitiavany.

Valion’i Israely manontolo: Eny, mandrakizay ny fitiavany! Valion’ny fokon’i Aarôna: Eny, mandrakizay ny fitiavany! Valion’ny matahotra ny Tompo: Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Ny vato narian’ny mpanao trano no indro tonga fehizoro; ny Tompo no nanao izany: zava-mahagaga imasonay! Izao ilay andro nataon’ny Tompo ho andro fifaliana sy firavoana.
Vonjeo re, ry Tompo ô! Tahio re, ry Tompo ô! Amin’ny Anaran’ny Tompo, hotahîna anie Ilay avy! Izahay eto an-tranon’ny Tompo no mitso-drano anareo. Ny Tompo no Andriamanitra; Izy no mpanazava!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 1, 9-11a. 12-13. 17-19


Efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay.

Izaho, Joany, havanareo sy namanareo amin’ny fahoriana sy fanjakana ary fandeferana ao amin’i Jesoa Kristy, dia tao amin’ny nosy anankiray atao hoe Patmôsy, noho ny amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fanambaràn’i Jesoa. Notsindrian’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho, ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon-trômpetra, nanao hoe: “Soraty amin’ny boky izay hitanao, ka ampitondray any amin’ny Eglizy fito any Azia”. Dia niherika nankany amin’ilay feo niteny tamiko aho, ka nony tafatodika dia nahita fanaovan-jiro volamena fito, maro rantsana. Ary teo afovoan’ireo fanaovan-jiro ireo, dia nisy anankiray toy ny Zanak’olona niakanjo akanjo rebareba, nietra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany. Vao nahita azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty; fa nanendry ahy tamin’ny tanany havanana Izy, ka nanao hoe: “Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany ary Velona; efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny afobe. Koa soraty ny zavatra efa hitanao, sy izay ankehitriny, ary izay mbola ho avy koa any aoriana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangana teo afovoan’ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana! Sambatra izay tsy nahita ka mino!»

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 20, 19-31

Nony afaka havaloana dia tonga i Jesoa.

Ny harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe; “Ho aminareo anie ny fiadanana!” Nony efa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ireo ny Tanany sy ny Tratrany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: “Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”. Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana”. Fa i Tômà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: “Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy izy tamin’ireo: “Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako dia tsy hino aho”.

Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tômà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana!” Ary hoy Izy tamin’i Tômà: “Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao, ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino”. Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe: “Tompoko sy Andriamanitro!” Fa hoy i Jesoa taminy: “Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino”. Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany, no tsy voasoratra amin’ity boky ity. Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mangataha mba hisy fihavaozana ara-panahy tena izy, eo amin’ny olombelona rehetra amin’izao andro masina maromaro fankalazana ny Paka izao.

Valy: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao.

* Mila ny vavaka ataontsika ny Papa miandraikitra ny finoan’ny Eglizy, ka mangataha mba hotsilovin’ny Fanahy Masina hatrany izy sy hankahereziny amin’izao fotoana fikarohana izao.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra fanjakana mikatsaka ny soa ara-nofo ho an’ny vahoaka, mba hampandrosoany ny tena hasambarana miorina ao amin’ny finoana an’Andriamanitra.
* Hafaliana sy fanantenana ny Paka ho antsika, koa mivavaha ho an’ireo rehetra tsy manan-kifaliana sy tsy manan-kantenaina, ary mba hisy olona hanatona azy ireny amin’ny fitiavan’i Kristy nitsangan-ko velona.
* Mila ny fanampiantsika amin’ny fivavahana sy amin’ny ohatra omentsika ireo vao natao Batemy; koa mangataha mba tena hanampy azy isika, hinoany an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Andriamanitra.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, fantatrao fa malemy izahay ary fatra-pisalasala; koa hazavao sy herezo tahaka an’i Masindahy Tômà, ary ampio hiaiky fa Ianao irery no Tompo sy Andriamanitra, velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny fanatitra atolotray vahoakanao (sy ireto vao naterakao); fa nahazo aim-baovao izahay, satria mankatò ny Anaranao ary vita Batemy, ka enga anie hahazo ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka I.


Kômonio

Jo. 20, 27

Hoy i Jesoa tamin’i Tômà: Ataovy eto ny tananao, tsapao ny diam-pantsika; ary aza malain-kino fa minoa. Aleloia.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: enga anie ny Sakramenta raisinay amin’izao Paka izao, mba hisy vokany maharitra ao am-ponay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084