Sorona Masina ny Alahady 07 aprily 2019

ALAHADY FAHA-5 - Taona D KAREMY

FIAINAM-BAOVAO NY PAKA

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Sal. 42, 1-2

Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ombao amin’ny ady ataoko, hanoherako ny firenena tsy mivavaka, fa Ianao no Andriamanitra mandako.


Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nanolo-tena ho faty ny Zanakao fa fatra-pitia an’izao tontolo izao; koa mihanta aminao izahay: mba ampio hizotra faingana hankany aminy.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao, ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 43, 16-21

Indro Aho hanao zava-mahagaga vaovao, ary hanome rano hosotroin’ny vahoakako.

Izao no lazain’ny Tompo, izay nanao lalana eny amin’ny ranomasina, sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery, izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika ama-mpiady mahery, hiantafika, — indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. — Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony! Fa indro Aho hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tsaha karankaina. Hanome voninahitra Ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin’ny amboadia sy ny ôstritsa, satria nanisy rano tany an’efitra Aho, sy ony eny amin’ny tany karankaina, hampisotroana ny vahoakako, ny olom-boafidiko, ny vahoaka noforoniko mba ho Ahy, ka hitory ny fiderana Ahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6.


Fiv.: Mba lehibe, ry Tompo Andriamanitra ô, ny asanao ety aminay ety.

Raha ny Tompo nampody an’i Siôna izay babo, dia toa nofinofy ny anay; vakin’ny hehy izahay, nanakoako ny hiranay!
Ireo firenena kosa nitakoritsika: «Lalina ity nataon’ny Tompo taminy!» Lalina tokoa ny nataony taminay koa akory ity hafalianay!
Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay; avereno faingana toy ny ranotrambo. Izay mamafy amin-dranomaso no mijinja amin-kira.
Eny tokoa, raha mandroso no tomany am-panipazana ny voa; fa nony miverina, manakora sy mihoby no milanja ny vokatra!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasiri’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 3, 8-14


Mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fakofako foana ny zavatra rehetra, mba ho hita ao aminy aho.

Ry kristianina havana: ataoko fatiantoka tokoa ny zavatra rehetra raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko; fa ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fakofako foana ny zavatra rehetra, mba ho hita ao aminy aho, tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, na ilay avy amin’ny lalàna, fa amin’ilay avy amin’ny finoana an’i Kristy dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana; mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany ho velona, ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesany, sy hahatratra ny fitsanganan-ko velona, raha azoko atao. Tsy dia hoe efa nahatratra sahady aho tsy akory, na hoe efa lavorary; fa miezaka aho mba hahatratra izay nahatratraran’i Kristy Jesoa ahy. Eny, ry kristianina havana, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako, mihazakazaka hanatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 8, 1-11

Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitoraka azy voalohany.

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia nankany an-tendrombohitra Oliva, fa nony maraina koa vao niverina tany an-Tempoly Izy, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy. Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalana sy ny Farisianina, ka narosony teo afovoany. Dia hoy izy tamin’i Jesoa: “Ry Mpampianatra, azo nijangajanga ity vehivavy ity. Ary i Môizy ao amin’ny lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa Ianao kosa mba ahoana, hoy Ianao?” Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany. Ry zareo amin’izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany Azy ihany, ka nitraka Izy dia nanao taminy hoe: “Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”. Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany. Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no lohalalana, ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany. Izay vao nitraka i Jesoa, ka nanao taminy hoe: “Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo? Moa tsy nisy nanameloka anao va?” Novaliany hoe: “Tsy nisy, Tompoko”. Dia hoy i Jesoa: “Izaho koa tsy hanameloka anao. Mandehana, ka aza manota intsony”.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ny Karemy dia lalana mankany amin’ny Kalvery misy ny fanavotana; koa enga anie ny vavaka ataontsika izao, ho loharano hanovozantsika hery mba hahafahantsika manaraka ny lalan’i Jesoa hatreo amin’ny Hazofijaliana sy ny fitsanganan-ko velona.

Valy: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao.

* Ny Pretra, vitsy eo amin’izao tontolo izao; ny milatsaka hanatevina ny laharana, tsy ampy; koa mangataha amin’Andriamanitra mba hifidy mpandraharaha masina Izy, hizara ny famelany sy hampiseho ny famindram-pony amin’ny olombelona rehetra.
* Maro ny sarotiny sy sarotra havanina eo amin’ny fiaraha-monina, koa mivavaha mba ho fitiavana sy fihavanana mandrakariva, no hasehon’ny kristianina eo am-pifaneraserana amin’ny olona.
* Misy fianakaviana misara-bazana, misy tokantrano misaraka; nefa tsy tokony hanameloka na iza na iza isika, fa hivavaka mba hiverenan’izay rehetra tafasaraka, ary haharetany amin’izay efa nekeny.
* Ny mpanan-karena mirobaroba, ny mahantra sy ny ory miofy akondro vava sy mifia-dranomaso; koa mivavaha ho an’ireo nambinina mba hahaizany mizara izay eo an-tanany.
* Maro ny iray finoana amintsika no misalasala ny hanatona an’Andriamanitra amin’izao Paka izao; koa mivavaha mba hahery ny fahasoavana handresy ny fisalasalany.


— Azo ampiana izay ilaina eran-tany na eo an-toerana.


Jesoa ô, ampianaro izahay tsy hitsara olona na hanameloka na iza na iza; ary matoky ny famelanao heloka izahay, ka aoka koa hazoto hamela heloka.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba henoy izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, ka enga anie izahay mpanomponao nampianarinao ny finoana kristianina mba hodiovin’izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:

Mendrika sy rariny ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay tena olombelona, ka nitomany an’i Lazara sakaizany, ary tena Andriamanitra mandrakizay, ka nanangana azy hiala ny fasana; Ilay nitsena ny olombelona, ka nitondra anay amin’ny fiainam-baovao amin’izao zava-masina ankalazainay izao.

Amin’ny alalany dia mitsaoka Anao Avo indrindra ny tafiky ny Anjely sambatra mandrakizay eo anatrehanao; koa avelao hikambana amin’ny feon’izy ireo ny feonay hifaly hihoby Anao manao hoe:

Masina, Masina, Masina...


Kômonio

Jo. 11, 26

Izay rehetra velona ka mino Ahy tsy ho faty mandrakizay, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: efa nihinana ny Vatana aman-dRan’i Kristy izahay, ka enga anie ho anisan’ny rantsam-batany mandrakariva.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0977