Sorona Masina ny Talata 26 febroary 2019

Herinandro faha-7 mandavantaona

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sal. 12, 6

 

Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.

 

Fangatahana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin’ny teninay na amin’ny asanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 4, 1-10

 

Mangataka ianareo, fa ratsy fangataka, ka tsy mahazo.

Ry kristianina havana, avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy avy amin’ny filan-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va? Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo; mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana; mifanditra sy miady ianareo; ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo; mangataka ianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan’ny filan-dratsinareo, ka tsy mahazo ianareo. Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra. Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain’ny Soratra Masina hoe: Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy izay nampitoerina ao anatinareo? Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena. Koa maneke an’Andriamanitra ianareo, ary manohera ny demony, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina. Fantatro ny fahorianareo, ka manaova fisaonana, dia mitomania. Aoka hanjary ranomaso ny hehinareo, ary hody alahelo ny hafalianareo. Manetre tena eo anatrehan’Andriamanitra, dia hanandratra anareo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 54, 7-8. 9-10a. 11b-11d. 23.

 

Fiv.: Miankîna amin’ny Tompo, fa hanohana anao Izy.

Raha izay hono aho no mba ary elatra toa voromailala hisidinana hitadiavana toerana, dia indro ho nandositra any lavitra, ka ho nonina any an’efitra.
Ho dodona hamonjy fialofana amin’ny tafioka sy ny rivo-doza! Akorokoroy, ry Tompo, saratsaraho ny fiteniny!
An-keriny sy ady no hitako ao an-tanàna; voasangodina andro aman’alina ny manda.
Miankîna amin’ny Tompo, fa hanohana anao Izy. Izy na oviana na oviana tsy hamela ny olo-marina hivaona!

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Siràka

Eklesiastika 2, 1-11

 

Omano amin’ny fizahan-toetra ny fanahinao.

Anaka, raha mandroso hanompo ny Tompo ianao, omano ho amin’ny fizahan-toetra ny fanahinao. Ahitsio ny fonao, ka mahareta, ary aza mikoropaka foana amin’ny andron’ny fahoriana. Miraiketa amin’Andriamanitra ianao, ka aza misaraka aminy, mba hitomboanao ho amin’izay hiafaranao. Ekeo avokoa izay manjò anao, ary mandefera amin’ny fifandimbiasan’ny fietrenao. Fa ny volamena sy ny volafotsy aofana amin’ny afo; ary ny olona ankasitrahan’Andriamanitra kosa, amin’ny memin’ny fietrena. Matokia an’Andriamanitra ary Izy hanarina anao; mizora amin’ny lala-mahitsy ary manantenà Azy. Miandrasa ny famindram-pony, ianareo matahotra ny Tompo, ary aza mivily lalana, fandrao dia levona ianareo. Matokia Azy, ianareo matahotra ny Tompo, dia tsy ho very valisoa ianareo. Manantenà, ianareo matahotra ny Tompo, ny hasambarana, ny hafaliana mandrakizay sy ny famindram-po. Diniho ange ny taranaka fahagola, ka fantaro; iza no nanantena ny Tompo, ka nahazo henatra na oviana na oviana? Zovy no naharitra tsy niala tamin’ny fahatahorana Azy, ka mba nilaozany? Iza no niantso Azy, ka latsa no hany azony? Fa miantra sy mamindra fo ny Tompo, ary mamela heloka sy mamonjy amin’ny andro mahory Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 36, 3-4. 18-19. 27-28. 39-40

 

Fiv.: Ankino amin’ny Tompo ny lalanao.

Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara; monena amin’ny tany, miraota amin-toky. Eny, ny Tompo no iravoy: dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Ny andron’ny madio fantatry ny Tompo; ny lovan’ireny ho mandrakizay. Tsy ho maina izy raha mihantona ny ando, ary ho voky amin’ny tao-mosarena.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara, raha tahiny te-haharitra mandrakizay. Fa ny Tompo dia tia ny rariny, ka tsy mandao ny mpivavaka aminy. Ny olo-meloka ho fongotra mandrakizay; ny taranaky ny olon-dratsy ho fompotra.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo: fa izy no mandany amin’ny andro fahoriana. Ny Tompo mitahy sy manafaka azy, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy. Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aieloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Tompontsika.

Aleioia.

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 9, 29-36

 

Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’Olona. Izay te-ho voalohany no ho mpanompon’ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany, namaky an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany, ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany, fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe: “Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’Olona, dia hovonoiny, fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny hahafatesany.” Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa. Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe: “Inona izany niadianareo hevitra tany an-dalana izany?” Fa tsy niteny tsy nivolana izy, satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana. Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe: “Izay te-ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra.” Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany; sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe: “Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 9, 2-3

Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao;ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.

 

na hoe :

Jo. 11, 27

Mino aho, ry Tompo, fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay tonga eto amin’izao tontolo izao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin’izao mistery izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0578