Sorona Masina ny Alahady 10 febroary 2019

ALAHADY FAHA-5 mandavantaona — D

ISIKA TSIRAIRAY NO ANTSOIN’ANDRIAMANITRA SY IRAHINY

Tononkira fidirana

Sal. 94, 6

Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an’Andriamanitra: mandohaliha eo anoloan’ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka ... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 6, 1-2a. 3-8

Inty aho, iraho aho.

Tamin’ny taona nahafatesan’i Osiasa Mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny Tempoly ny rebareban’akanjony. Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany, niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe: “Masina, masina, masina ny Tompon’ny tafika! feno ny voninahiny ny tany rehetra”. Nihozongozona ny fanambanin’ny vavahady, noho ny feon’izay niantso mafy, ary tonga feno setroka ny trano. Ka hoy aho tamin’izay: “Idiran-doza aho! maty aho! fa izaho olona maloto molotra; ary ny firenena itoerako maloto molotra, nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Tompon’ny tafika! Kanjo, nanidina nanatona ahy, ny iray tamin’ireo Serafima, nitondra vain’afo teny an-tanany, nalainy tamin’ny tandra, teo ambony ôtely. Nakasiny tamin’ny vavako izany, dia hoy izy: “Jereo, efa voakasik’ity ny molotrao; ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao”. Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe: “Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho anay?” Ka hoy aho: “Inty aho, iraho aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 137, 1-2a. 2bd-3. 4-5. 7d-8


Fiv.: Miantsa Anao eo anatrehan’ireo Anjely aho, ry Tompo.

Midera Anao amin’ny foko tontolo aho, satria Ianao mihaino ny tenin’ny vavako; miantsa Anao eo anatrehan’ny Anjely aho, miankohoka mitodika ny Tempolinao.
Midera ny Anaranao masina, ry Tompo, noho ny fitiavanao sy ny fahamarinanao: nasehonao ho lehibe ny Anaranao, sy ho ambonin’ny voaary rehetra ny teninao. Rehefa miantso aho, Ianao mamaly sy mampitombo ny hery ato amiko.
Misaotra Anao ny mpanjakan’ny tany raha mandre ny tenin’ny vavanao, midera ny lalan’ny Tompo izy ireo, fa lehibe ny voninahitry ny Tompo.
Ny tananao mitsotra mamonjy ahy. Ny Tompo no mpamaly izay ratsy atao ahy. Mandrakizay ny fitiavanao, ry Tompo: aza atsahatra ny efa ataon’ny tananao.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 15, 1-11 (lava): 3-8. 11. (fohy)


Izany àry no torînay ary izany koa no ninoanareo.

Ajanona ny ao anatin’ny […] raha ny fohy no atao.

Ry kristianina havana, [ampahatsiaroviko anareo ny Evanjely notorîko taminareo, izay noraisinareo, sy niorenanareo, ary hahazoanareo famonjena, raha tananareo araka ny nitoriako azy taminareo; afa-tsy raha hoe ninonino foana ianareo.]

Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina; dia nalevina Izy, sy nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina; ary niseho tamin’i Sefasy, vao tamin’ny roa ambin’ny folo. Manaraka izany, dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby dimanjato Izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan’ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry. Raha efa izany, dia niseho tamin’i Jakôba Izy, vao tamin’ny Apôstôly rehetra. Ary faran’izy rehetra, mba nisehoany koa aho, dia izaho izay toy ny tsy tonga volana.

[Fa ambany indrindra amin’ny Apôstôly aho, ary tsy mendrika hantsoina hoe Apôstôly akory aza, satria nanenjika ny Eglizin’Andriamanitra aho; saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.]

Koa izany àry no torînay, na izaho na izy ireo; ary izany koa no ninoanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy; hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 5, 1-11

Namoy ny zavatra rehetra izy ireo, ary nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nijoro teo amoron’ny farihin’i Genezareta, ary nifanesika taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra. Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna, ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka. Rehefa nitsahatra niteny Izy, dia nanao tamin’i Simôna hoe: “Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano”; fa hoy ny navalin’i Simôna Azy: “Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato”. Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka rovitra ny haratony. Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy; dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo. Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: “Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho”, fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan’ny hazandrano azony; ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede izay iray raharaha tamin’i Simôna. Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna: “Aza matahotra fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao”. Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo, ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, asain’ny Eglizy mivavaka isika sady asainy miasa; koa mangataha amin’Andriamanitra, mba hosokafany ny fon’ny olona rehetra handray ny fahasoavany ary hosokafany ny fanahiny handray ny teniny.

Valy: O ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza.

* Mila Pretra ny Eglizy hitory ny Evanjely sy hanamasina ny olombelona; koa mangataha amin’Andriamanitra mba hifidy apôstôly maro mahafoy tena Izy.
* Misy mpikatroka very herim-po, ary filoha sahiran-tsaina amin’ny adidiny; koa mangataha amin’i Kristy hankahery azy sy hampatoky azy.
* Mivavaha ho an’ireo tsy manana anton’asa sy ireo tsy mahomby amin’izay ataony mba homen’Andriamanitra fahazavana sy hery izy hahombiazany.
* Ny gazety sy ny fampielezam-peo ary ny fahita lavitra dia mamolavola ny sain’ny olona; koa mivavaha ho an’ireo mpiandraikitra, mba hampanjakany ny fahamarinana sy ny rariny ary ny fitiavana.
* Mivavaha ho an’ireo zanatsika manaraka fandalinam-pinoana mba samy hazoto sy handroso ara-panahy izy rehetra.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, miantsoa mpiasa maro hanompo ny Eglizinao amin’ny fitoriana ny Evanjely, ary omeo hery sy hafanam-po ireo efa nirahinao eo am-perin’asa.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ireo ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.


Kômonio

Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.


na hoe:

Mt. 5, 56

Sambatra ny ory, fa halana alahelo; sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray amin’i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0653