Sorona Masina ny Alatsinainy 28 janoary 2019

Herinandro faha-3 mandavantaona

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Sal. 95, 1. 6

 

Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin’ny toerany masina.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin’ny Anaran’ny Zanakao malalanao, fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 9, 15. 24-28

 

Nanolotra ny Tenany indray mandeha monja Izy mba hanala ny ota ary mba hiseho fanindroany ho an’ireo miandry Azy.

Ry kristianina havana, i Kristy no Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao, mba hahazoan’izay voaantso ny lova mandrakizay nampanantenaina azy, rahefa nisy fahafatesana hanalana ny fahotana natao tamin’ny fanekena taloha. Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tanana sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy, fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny. Ary tsy mba toy ny mpisorombe niditra isan-taona tao amin’ny fitoerana masina sy nitondra ran-javatra hafa Izy, ka hoe hanolo-tena matetika; raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny tenany ho sorona. Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rahefa afaka izany no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab, 3de-4. 5-6

 

Fiv.: Ihirao hira vao ny Tompo fa nahavita zava-mahagaga.

Ihirao hira vao ny Tompo: fa nahavita zava-mahagaga! Namonjy Azy ny tanany havanana, nanampy Azy ny sandriny masina.
Ny Tompo manambara ny famonjeny, sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena! Tsarovy, ry tranon’i Israely, ny hatsaram-po sy fahamarinany!
Zahao, ry vazan-tany rehetra, ny famonjen’ny Andriamanitray! Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo! Mientàna, mihobia sy miantsà!
Miantsà ny Tompo amim-baliha, amim-baliha sy hira fiantsana, amin’antsiva sy feon’anjomara! Mihobia anoloan’ny Tompo Mpanjaka!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 3, 22-30

 

Ho rava ny herin’i Satana.

Tamin’izany andro izany, ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe: “Efa azon’i Belzeboba Izy, ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony.” Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe: “Hataon’i Satàna ahoana no fandroaka an’i Satana? Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany; ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany: koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny. Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery sy mandroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony. Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay. Satria hoy izy ireo hoe: manana fanahy maloto Izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto hanamasina anay sy hahavonjy anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 33, 6

Manatòna ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.

 

Na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo. Izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina fa hamirapiratan’ny fiainana.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin’ny fanomezanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101