Sorona Masina ny Alahady 13 janoary 2019

ALAHADY manaraka ny Nisehoan’ny Tompo

NY BATEMIN’NY TOMPO

I JESOA NATAO BATEMY: TANDINDON’NY BATEMINTSIKA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Mt. 3, 16-17

Nony vita batemy ny Tompo, dia nisokatra ny lanitra, ary ny Fanahin’Andriamanitra nidina teo amboniny tahaka ny voromailala. Dia injao ny feon’ny Ray nilaza hoe «Zanako malalako ity, ilay sitrako tokoa».

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tamin’i Jesoa Kristy natao batemy teo amin’ny ranon’i Jordany ka nidinan’ny Fanahy Masina, dia nambaranao tamin’ny fomba manetriketrika fa Zanakao malalanao Izy; koa enga anie izahay zanaka natsanganao, nateraka tamin’ny rano sy ny Fanahy Masina, mba hazoto lalandava hanao izay mahafaly Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

na hoe:

Andriamanitra ô, nitafy nofo tahaka anay ny Zanakao Lahy tokana; mitovy aminay Izy eto ivelany, ka enga anie hitovy aminy izahay ao anaty.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz 40, 1-11

Indro ny Tompo Andriamanitra fa tonga amin’ny heriny.

Ampionony, ampionony ny vahoakako, hoy ny Andriamanitrareo. Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy: fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo ny indroa heny valin’ny fahotany. Injany misy feo miantso hoe: “Misavà lalana any an'efitra ho an’ny Tompo, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika! Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra, ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry; ny avo hanjary tany lemaka, ary ny vato mideza ho lembalemba”. Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo, ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny. Injay misy feo manao hoe: “Miantsoa!” Dia nisy namaly hoe: “Ahoana no antso hataoko?” — “Ahitra ihany ny nofo rehetra, ary tahaka ny voan-javatra eny an-tsaha ny hatsaran-tarehiny. Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa seranin’ny fofon’ain’ny Tompo”. Eny, ahitra ihany ny olombelona: maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny Tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay.

Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna. Manandrata feo mafy ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema; manandrata feo, fa aza matahotra. Lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe: “Indro ny Andriamanitrareo! Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra, amin’ny heriny; ny sandriny mampiasa ny fifehezana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny eo anoloany. Toy ny mpiandry ondry miandry ny andian’ondriny Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 103, 1b-2. 3-4. 24b. 25. 27-28. 29-30

 

Fiv: Misaotra Anao, Tompo, ny fanahiko, fa lehibe indrindra Ianao.

Fiandrianana sy voninahitra no itafianao, hazavana no lamba ihodidinanao, ny tranolainao dia ny lanitra mivelatra, ny rihana fonenanao dia ny tampon’ny rano.
Ny rahona no ataonao kalesy, ny elatry ny rivotra no isosànao; ny rivotra no irakirakao; ny tselatra, mpanompo kelinao.
Ny tany, henika ny harenao; ny ranomasina indro lehibe sy malalaka, mihelotrelotra no tsy tambo hisaina na biby madinika na biby vaventy.
Ny manana aina rehetra miandry Anao hamahana azy amin’ny fotoana; Ianao manome, izy mandray, ny tananao misokatra no mahavoky azy,
Manafin-taba Ianao, mipenimpenina izy; ny fofon’ainy alànao: mody mandry izy; ny fofon’ainao alefanao: àry izy, ka indro mihavao ny endriky ny tany.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’i Tito

Tito 2, 11-14; 3, 4-7

 

I Kristy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray.

Ry havako malala, efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra, mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao; fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka, miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, Izay nanolo-Tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa, sady fatra-pitia ny asa soa rehetra...

Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona, dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony. Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray, sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, Izay nampidininy be dia be tamintsika, tamin’ny alalan'i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika; mba hohamarinin’ny fahasoavana isika, ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia, aleloia.

Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy."

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 3, 1 5-1 6. 21-22

Nisokatra ny lanitra tamin’i Jesoa natao batemy sy nivavaka.

Tamin’izany andro izany, raha mbola niandry ny olona sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy, dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe: “Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho: Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo”. Tamin’ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra; ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny voromailala, dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe: “Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko indrindra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao andro ankalazana ny nanaovana batemy an’i Jesoa izao, dia mivavaha ho an’ireo rehetra nandray ny fanosorana ho zanak’Andriamanitra sy ho mpitory ny teniny, ary ho an’ireo rehetra mbola miandry ny Batemy Sakramenta haha-zanak’Andriamanitra azy, mba samy haharitra hatramin’ny farany hijoro ho vavolombelon’i Kristy sy ny finoana isika rehetra.

Valy: Aina sy vonjy Ianao, ry Tompo ô.

* Mivavaha mba hijoro ho mpitondra ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny olombelona isika rehetra tonga zanak’Andriamanitra tamin’ny Batemy.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra fanjakana rehetra mba hitondrany ny vahoaka araka ny teny sy ny fahamarinana nentin’i Kristy Zanak’Andriamanitra.
* Mivavaha ho an’ireo miomana amin’ny Batemy sy ireo rehetra mangetaheta ny Batemy, mba hampanatona azy an’Andriamanitra ny fivavahana kristianina.
* Mivavaha ho an’ny mpanota mba hibebahany; ho an’ireo lavitra an’Andriamanitra mba hanatonany Azy, fa efa manatona azy Andriamanitra.
* Mivavaha ho antsika rehetra miangona eto izao, mba ho taratra amin’ny toetrantsika sy ny asantsika ny fiainam-baovao iraisantsika amin’i Kristy Jesoa.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Ry Jesoa, mpanala ny fahotan’izao tontolo izao, nietry Tena hilahatra tamin’ny mpanota Ianao, koa mihanta aminao izahay, ampio hihaino ny teninao, mba ho zanaky ny Ray marina tokoa.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, raiso ireto fanatitra ankalazana ny nanambarànao an-karihary ny Zanakao malalanao; ka ny sorona atolotray mpino anie hiray amin’ny sorona nataon’i Kristy be indrafo, Ilay nanala ny fahotan’izao tontolo izao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Fa teo Jordany no nanambarànao ny Batemy tamin’ny fomba mahagaga mba hinoanay noho ny feo avy any an-danitra, fa ny Teninao dia monina ety aminay olombelona, ary mba hahafantaranay fa Izy Kristy, nidinan’ny Fanahy Masina, naka endri-boromailala sy nohosorany diloilo firavoana, dia nirahina hitory ny Evanjely amin’ny mahantra.

Izany no ankalazanay Anao lalandava ety an-tany, miaraka amin’ny Herin’ny lanitra, mihoby Anao avo indrindra tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina...

 

Kômonio

Jo. 1, 32. 34

Indro ilay notorîn’i Joany Batista hoe: «Eny, nahita aho ary nanambara fa Izy no ilay Zanak’Andriamanitra».

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Henika ny fanomezana masina izahay, ry Tompo, no mitalaho aminao: enga anie izahay nihaino ny Zanakao Lahy tokana sy mino Azy mba hantsoinao hoe zanakao, ary ho tonga zanakao tokoa.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082