Sorona Masina ny Alahady 18 novambra 2018

ALAHADY FAHA-33 mandavantaona — B

HIVERINA I KRISTY AMIN’NY FARANDRO

Tononkira fidirana

Jer. 29, 11. 12. 14

Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo, ary hihaino anareo Aho: hampodiko avy any amin’ny tany rehetra ny babo aminareo.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana nomaninao ho anay, raha maharitra manompo Anao fototra iavian’ny soa rehetra izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Daniely Mpaminany

Dan. 12, 1-3

Amin’izany andro izany dia ho voavonjy ny vahoakanao.

Amin’izany andro izany, hitsangana i Misely ilay filoha ambony, izay miandany amin’ny zanaky ny firenenao, ka amin’izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy, hatrizay nisian’ny firenena, ka hatramin’izany andro izany. Amin’izay dia ho voavonjy ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra eo amin’ny boky. Ary maro amin’ireo mandry ao amin’ny vovo-tany no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay; fa ny sasany ho amin’ny latsa amam-panariana mandrakizay. Izay ho efa hendry hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra; ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana, ho tahaka ny kintana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 15, 5 sy 8 .9-10. 11

 

Fiv.: Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao!

Ny Tompo ny ahy no zara lovako; Ianao no rakitro mateza. Ataoko eo anoloana hatrany ny Tompo, izaho tsy hiala eo ankavanany.
Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko, ny nofoko avy no mandry amin-toky. Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly, ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady.
Fa ny lalan’ny fiainana no hatoronao ahy: hafenoam-pifaliana eo anoloanao, hafinaretan-dava eo ankavananao.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 10, 11-14. 18

 

Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy.

Ry kristianina havana, ny mpisorona rehetra dia mijoro isan’andro hanao ny raharahany, sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny, fa i Kristy kosa indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra; ka hatramin’izao Izy dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay. Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy; ka rehefa voavela ny fahotana, dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena sy mivonòna ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 13, 24-32

Hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazan-tany efatra Izy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany ny amin’ny hiverenany nanao hoe; “Amin’izany andro izany, rehefa afaka ireo fahoriana lehibe, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony, ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra. Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra. Alaovy ho fanoharana ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona. Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, indray andro any ho tonga ny farany hanapitra ny tantaran’izao tontolo izao, ary dia ho raikitra amin’izay kosa ny Fanjakan’i Kristy amin’ny olombelona rehetra sy amin’ny voaary tontolo; koa mangataha amin’Andriamanitra mba ho izany andro haharitra mandrakizay izany no hokendrentsika amin’izay rehetra ataontsika.

Valy: Tompo ô, ho tonga anie ny Fanjakanao.

* Mivavaha mba ho voavorin’ny Eglizy hanotrona an’i Kristy Tompony, izay rehetra mahitsy fo sy izay rehetra vonona hiasa ho an’Andriamanitra.
* Miaraha mangataka amin’Andriamanitra mba tsy hoentin’ny mpanao fikarohana, hanimba an’izao tontolo izao ny fahaizany, fa mba hitadiavany izay hahasambatra ny olombelona.
* Mivavaha ho an’izay rehetra miady aina: mba homen’Andriamanitra hery sy fahasoavana izy hanolotra ny androny farany ho famonjena an’izao tontolo izao.
* Misy ireo kristianina manazava ara-bakiteny ny Baiboly, ka manambara fa antomotra ny farandro; koa mivavaha mba hahaizany mandalina sy mahazo tsara ny Soratra Masina, hoentiny eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra.
* Dieny eto an-tany isika rehetra dia asain’Andriamanitra manorina ny Fanjakany ao amin’ny fo sy ny saina amam-panahin’ny olombelona; koa mivavaha mba hanomanantsika ilay fihaonam-be amin’ny farandro, ny asa ataontsika eo amin’izao tontolo izao.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Jesoa ô, ampio izahay tsy hatahotra ny fahafatesana fa hahatsiaro kosa fa io no andro hihaonanay aminao, ary efa omanin’ny Ray amin’ny andro sy ny fotoana tiany.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao Avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady V, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan’Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.

 

na hoe:

Mk. 11, 23-24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.

 

Vavaka aorian’ny Komonio

Nandray ny fanomezana avy amin’ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain’ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy, hampitombo ny fitiavanay Anao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159