Sorona Masina ny Alahady 16 septambra 2018

ALAHADY FAHA-24 mandavantaona — B

MISY HASINY NY FIJALIANA

Tononkira fidirana

Sir. (Ekl.) 36, 18

Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny Mpaminany; henoy ny vavak’i Israely mpanomponao sy vahoakanao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin’ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin’ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 50, 5-9a

Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko.

Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory. Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora. Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho. Akaiky Ilay manamarina ahy: iza no handahatra manohitra ahy? Aoka hifanatrika isika! Iza no manohitra ahy? Aoka izy hankaty amiko! Ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy: Ka iza no hanameloka ahy?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 114. 1-2. 3-4. 5-6. 8-9.


Fiv.: Mizotra ny lalako ampian’Andriamanitra ho any an-danitra any, fonenan’ny velona.

Izaho tia ny Tompo, fa mandre ny feoko Izy: ny sofiny atongilany rehefa miantso aho.
Efa voarohin’ny fahafatesana aho, efa tao anaty haratony: feno fahoriana sy alahelo no niantso ny Anaran’ny Tompo. «O ry Tompo ô, hoy aho, mba vonjeo re ny aiko!»
Ny Tompo antra sy marina, ny Andriamanitray mahay mangoraka: osa aho ka novonjeny! Ny aiko nafahany tamin’ny fahafatesana.
Ny masoko nalany tamin’ny tomany, ny tongotro tamin’izay nanfingana: koa hizotra eo anoloan’ny Tompo aho hatrany amin’ny tanin’ny velona!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 2, 14-18


Ny finoana raha tsy omban’asa, dia tena maty mihitsy.

Ry kristianina havana, raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa, inona no soa ho azony? Moa hahavonjy azy va izany finoana izany? Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan’andro, ka ilazan’ny iray aminareo hoe: “Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa”, nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany, inona no soa azony amin’izany? Mba toy izany ihany koa ny finoana, raha tsy omban’asa izy, dia tena maty mihitsy. Hamaly koa ny olona hanao hoe: “Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa. Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa; ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 8, 27-35

Ianao no Kristy... Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany dia nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa Aho?” Ary ireo namaly Azy nanao hoe: “I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany”. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: “Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?” Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: “Ianao no i Kristy”. Ary noraràny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza.

Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara ny filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: “Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona”. Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe: “Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy. Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao fahavoriantsika manodidina an’i Jesoa Kristy manolo-tena ho Sorom-pamonjena ny tany tontolo izao, dia akambano ny vavaka ataontsika, hangataka amin’Andriamanitra ny fahasoavana irintsika sy irîn’ny olombelona rehetra.

Valy: O ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza!

* Ny Papa Dimbin’i Piera dia manana adidy hitana ny finoan’ny Eglizy, ary ankehitriny dia ilaina mihoatra noho izay lasa izay ny hiraisan’ny mpino rehetra aminy; koa mivavaha mba ho tò ny fanirian’ny Papa Ray Masina sy izay rehetra angatahiny amin’Andriamanitra.
* Mivavaha isika ho an’ny mpitondra fanjakana sy ny mpiandraiki-draharaham-bahoaka rehetra mba hahatontosany ny adidiny amim-pahamarinana sy hanarahany amim-pitokiana ny tenin’i Jesoa manao hoe: Izay hitsitsy ny ainy no ho very azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny fitiavana Ahy no hahazo azy.
* Mazàna ankehitriny no itrangam-pifandirana amin’ny samy firenena na samy mpiara-monina; koa mangataha amin’Andriamanitra mba hofoanany ny fankahalana sy ny fitompoan-teny fantatra, ary mba tsy hitampi-maso amin’ny rariny sy ny hitsiny ny miady sy ny mpifanandrina, fa hahay mifandamina sy mihavana.
* Mangataha mba haka tahaka an’i Md. Piera isika hankatò fa i Jesoa Kristy dia irak’Andriamanitra, ary hoentanim-pinoana sy herim-po eo anatrehan’izao tontolo izao hitory hoe: «I Kristy dia Zanak’Andriamanitra tokoa».


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Tompo ô, Ianao nanomana ny Apôstôly ho vonona hanatrika Anao sy hiray fo aminao nijaly sy nitsangan-ko velona; koa omany koa izahay hanaraka Anao na amin’ny mora na amin’ny sarotra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Aoka hanohina ny Fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon’ny mpanomponao, mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay, hanajana ny Anaranao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra IV, ohatra.


Kômonio

Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak’olombelona hialoka ambany elatrao.


na hoe:

1 Kôr. 10, 16

Ny kalisy izay isaorantsika dia firaisana amin’ny Ran’i Kristy; ny Mofo izay vakîntsika dia firaisana amin’ny Vatan’i Kristy Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin’ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085