Sorona Masina ny Alahady 19 aogositra 2018

ALAHADY FAHA-20 mandavantaona — B

«TENA FIHINANA NY NOFOKO, TENA FISOTRO NY RAKO»

Tononkira fidirana

Sal. 83, 10-11

Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay, todiho ny Tavan’i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an’izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao, hitiavanay Anao ao amin’ny zavatra rehetra sy ambonin’ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Ohabolana

Ohab. 9, 1-6

Hano ny mofoko ary sotroy ny divaiko izay nampifangaroiko ho anareo.

Ny Fahendrena efa nanorina ny tranony, efa nipaika ny andriny fito, efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy, ary namboatra ny latabany. Naniraka ny ankizy vaviny izy, dia miantso eo an-tampon’ny havoan’ny tanàna: “Aoka hiditra aty izay kely saina!” Ary hoy izy amin’izay tsy manan-tsaina: “Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko. Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo; ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 33, 2-3. 10-11. 12-13. 14-15


Fiv.: Ankafizo sy anarano fo, fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava; ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Matahora ny Tompo ianareo olo-masiny, fa izay matahotra ny Tompo tsy orin’inoninona: ny manana no tonga mahantra sy noana, izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.
Avia, rey anaka, henoy Aho: ny tahotra ny Tompo no hampianariko anareo. Iza ianareo no te ho velona sady maniry fiainan-tsambatra?
Ny lela ambeno amin’ny ratsy, ny molotra aoka tsy hamitaka; ny ratsy, fadîna; ny tsara, atao; ny fiadanana katsahina sy ilofosana.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 5, 1 5-20


Aza manaonao foana, fa fantaro aloha ny sitra-pon’ny Tompo.

Ry kristianina havana, tandremo tsara ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry; hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao. Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitraky ny Tompo. Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy Masina ianareo. Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo. Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 6, 51-59

Tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”. Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: “Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?” Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin’ny Ray: Toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy. Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra: Tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, nambaran’i Jesoa mazava tsara fa tena fihinana ny Nofony, ary tena fisotro ny Rany, koa miraisa fo isika hiara-kitalaho mba hitombo finoana ny kristianina rehetra zanaky ny Eglizy, sy hazoto manao Kômonio, mba hahatafaray antsika rehetra ho tena iray ao amin’i Kristy Tompo, Ilay nanolo-Tena ho sakafo hahavelona antsika mandrakizay.

Valy: Mino aho, Tompo, ampitomboy ny finoako.

* Vitsy isika mandray ny Vatana aman-dRan’i Kristy raha oharina amin’ny isan’ny mponina eto an-tany, koa mivavaha ho an’ny Eglizy mba hamokatra lalandava hatrany ny asa fitoriana ny finoana marina sahaniny eran-tany, indrindra amin’ireo tsy mpino sy mbola misalasala.
* Hatraiza hatraiza dia miezaka tokoa ireo mpitondra fanjakana amin’izay hananan’ny vahoaka sakafo ampy sy fivelaram-piainana mendrika, koa mivavaha mba tsy ho latsa-danja noho izany ny ezak’ireo tompon’andraikitra samihafa amin’ny fikarakarana ny sakafo sahaza ny fanahy maha-olona.
* Vahoaka maro an’isa ny tantsaha, mpamatsy ara-tsakafo ny olombelona namany, koa mivavaha mba hamboly hahavokatra sy hiompy hahavanona izy rehetra, hanasoavany ny tenany sy ny mpiara-belona aminy.
* Maro ny mijaly noho ny fahoriana isan-karazany, vokatry ny aretina, fahafatesan-kavana, fahantrana, na voina samihafa, koa mivavaha mba hahay manakambana ny fijaliany amin’ny an’i Kristy ireo mijaly, ary hahay hanovo hery sy hahazo fahasambarana ao am-pony, amin’ny fandraisana ny Vatan’ny Tompo amin’ny Kômonio masina.
* Mivavaha ho antsika iray fiangonana mba samy hitombo fitiavam-bavaka sy fahazotoana manao Kômonio isika mianakavy ary hoentintsika mampamirapiratra ny fiainantsika, ny fananana an’i Kristy sy ny fahasoavany ao am-pontsika.


— Azo ampiana iza ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Tomponay ô, natolotrao ho sakafon’ny fanahinay ny Vatanao sy ny Ranao masina, mba hahavelona anay mandrakizay, koa mihanta aminao izahay: hamafiso ny finoanay sy ny fitiavanay mba hahafahanay mitarika ny hafa handray Anao, sy hoentinay manavao ny endriky ny tany.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra V, ohatra.


Kômonio

Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin’ny Tompo.


na hoe:

Jo. 6, 51-52

Izaho no Mofo velona nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo; raha misy mihinana izany Mofo izany, dia ho velona mandrakizay.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin’i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy ety an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082