Sorona Masina ny Alahady 10 jona 2018

ALAHADY FAHA-10 mandavantaona — B

NY FIANAKAVIANA MIADY AN-TRANO DIA TSY HAHARITRA

Tononkira fidirana

Sal. 26, 1-2

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?

 

Asiana VONINAHITRA ANIE. ..

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian’ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 3, 9-15

Hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany.

Tamin’izany andro izany ny Tompo Andriamanitra niantso an-dralehilahy nilaza taminy hoe: “Aiza moa ianao?” Hoy ny navaliny: “Nandre ny feonao tao anaty saha aho, ka natahotra, fa mitanjaka, ka dia niery aho”. Ary hoy ny Tompo Andriamanitra: “Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao? Moa nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao va ianao?” Hoy ny navalin-dralehilahy: “Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin’ilay hazo, dia nihinana aho”. Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy: “Ahoana no nanaovanao izany?” Hoy ny navalin-dravehivavy: “Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho”. Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava: “Noho ianao nanao izany, dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao. Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 129, 1-2. 3-4ab. 4d-6. 7-8

 

Fiv.: Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy Mpamonjy anay

Anaty hantsana aho no miantso Anao: Tompo ô, henoy ny feoko! Aoka ny sofinao hihaino itony feoko mitoreo.
Raha mitsikilo heloka Ianao, ry Tompo, Tompo ô, iza no hahatanty? Kanefa ao aminao ny famelàna mba hieken’ny olona Anao.
Koa manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; miandry ny Tompo ny fanahiko, manoatra ny mpiambina miandry ny maraina.
Fa ny fitiavana no ao amin’ny Tompo: ilay fanavotana lehibe no ao aminy. Eny, Izy no hanavotra an’i Israely amin’ny heloka rehetra nataony.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

2 Kôr. 4, 13 — 5, 1

 

Mino koa izahay, ka miteny.

Ry kristianina havana, noho izahay manana ilay Fanahin’ny finoana voasoratra hoe: Nino aho, ka niteny, dia mino koa izahay, ka miteny. Satria fantatray fa Izay manangana an’i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay miaraka amin’i Jesoa koa, sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo. Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany, mba homena be ny fahasoavana, ka hitombo be ny fisaoran’ny maro ho voninahitr’Andriamanitra. Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny. Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay; fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay. Fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity, manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay, dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 3, 20-35

Raha mitsangan-kanohitra ny tenany ary i Satàna, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.

Tamin’izany andro izany dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory i Jesoa sy ny mpianany. Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo: “Efa very saina Izy”. Ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe: “Efa azon’i Belzeboba Izy, ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony”. Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe: “Hataon’i Satàna ahoana no fandroaka an’i Satàna? Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany; ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany: koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny. Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny mahery sy mandroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony. Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay”. Satria hoy izy ireo hoe: ‘Manana fanahy maloto izy’. Ary tonga ny reniny sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso azy. Fa nisy olona maro nipetraka nanodidina azy, dia nilazana Izy natao hoe: “Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao”. Fa novaliany hoe: “Iza moa no reniko sy rahalahiko?” Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe: “Ireo no reniko sy rahalahiko; fa na iza na iza manao ny sitra-pon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, hazo avo halan-drivotra isika kristianina, zanak’ondry eo ampovoan’ny amboadia; koa angataho ny herin’i Kristy Zanak’Andriamanitra, ho herintsika sy ho tokintsika; fa raha tsy Izy, tsy hahefa na inona na inona isika.

Valy: Tsy ho very mandeha izay rehetra mifefy aminao.

* Mangataha mba hofenoin’Andriamanitra herim-po lalandava ny Papa sy ny Eveka mitondra ny Eglizy, ary hahatsiaro fa ny herin’ny maizina sy ny «vavahadin’ny afobe» tsy haharesy azy, araka ny efa nampanantenain’i Kristy.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra firenena tsirairay eto an-tany, mba handaitra ny ezaka tsara rehetra ataony, hisakanany ny ady an-trano, ary hampanjakany ny fifankatiavana sy ny fandriam-pahalemana.
* Maro no kivy amin’ny fahasarotan’ny fiainana, be ny mamoy fo noho ny fahadisoam-panantenana, tsy latsak’izany ireo miraviravy tanana amin’ny famoretana maro mangeja; koa angataho i Kristy ho heriny sy tokiny, fa efa nandresy ny ratsy rehetra, hatramin’ny fahafatesana.
* Enga anie isika iray Fiangonana, mba sady hahay hanovo hery lalandava ao amin’i Kristy, no ho mpitondra hery amin’ny osa rehetra; satria ho efantsika ny zavatra rehetra ao amin’i Kristy ilay mankahery antsika.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Tompo ô, omeo ny herin’ny Fanahinao izahay, ary ataovy manambara ny herin’i Jesoa Tompo nitsangan-ko velona, fa efa nandray ny antoky ny famonjena, ka enga anie hampianao handresy ny herin’ny ratsy rehetra, sy hampitombo ny hasambarana eto an-tany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, mba topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra II, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.

 

na hoe:

1 Jo. 4, 16

Fitiavana Andriamanitra: izay mitoetra ao amin’ny fitiavana mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra mitoetra ao aminy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie, hanafaka anay amin’ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin’ny lala-mahitsy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091