Sorona Masina ny Alahady 27 mey 2018

ALAHADY MANARAKA NY PANTEKOTY NY TRINITE MASINA Taona B

ANTSOIN’ANDRIAMANITRA HIRAY FIANAKAVIANA AMINY ISIKA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

 

Hankalazaina anie Andriamanitra Ray sy Ilay Zanany Lahy tokana ary ny Fanahy Masina, fa namindra fo tamintsika Izy.

 

Asiana VONINARITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’ izao tontolo izao ny Teny mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra; koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina, ka hankatò ny voninahitry ny Olona telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Deterônômy

Det. 4, 32-34. 39-40

Ny Tompo irery no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy ny tany ambany, ary tsy misy hafa.

Tamin’izany andro izany, dia hoy i Môizy tamin’ ny vahoaka Israely: “Anontanio ny andro fahagola tany alohanao, hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza na aiza, raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana, na nisy re toy izany akory na oviana na oviana! Vahoaka aiza no efa nandre ny feon’Andriamanitra niteny tao anatin’ny afo toy ny efa renao, ka mbola velona ihany izy? Oviana no mba nisy andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy tao afovoan’ny firenena iray hafa, tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady, tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe, toraky ny nataon’ny Tompo Andriamanitra ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta? Koa fantaronao anio, sy araiketo ao am-ponao fa ny Tompo no Andriamanitra, any amin’ny lanitra ambony sy ety an-tany ambany, ary tsy misy hafa. Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao, ary mba ho lava ny andronao, amin’ny taona mifandimby rehetra any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 32, 4-5. 6 sy 9. 18-19. 20 sy 22

 

Fiv. : Sambatra ny vahoaka nofidin’ny Tompo ho lovany.

Eny, marina ny tenin’ny Tompo, ny asany rehetra mahatoky, ny rariny sy hitsiny no tiany, mameno ny tany ny fitiavany.
Ny lanitra no vita dia ny tenin’ny Tompo; ny tafiny no misy: ny fofon’ain’ny vavany. Izay lazainy dia efa; izay teneniny, tomombana.
Izay matahotra ny Tompo no ahîny; eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany hafahany amin’ny fahafatesana, hovelominy amin’ny tao-mosarena.
Izahay manantena ny Tompo, ilay Mpitahy sy Mpiaro anay. Ny fitiavanao, ry Tompo ô, ho aminay matoky Anao!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 14-17

 

Raiso ny Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Abà, Ray.

Ry kristianina havana, izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra. Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray! Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, raha miara-mijaly aminy isika, mba hiarakomem-boninahitra aminy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 28, 16-20

Manaova Batemy azy ireo amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

Tamin’izany andro izany, niaraka nankany Galilea ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany. Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy. Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ankalazaintsika anio ny Trinite Masina sy ny fitiavana mampiray ireo Olona telo ao amin’Andriamanitra tokana; koa miraisa fo isika hivavaka mba hanahaka ny fianakavian’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ny olombelona rehetra, ka hifankatia sy hiray fo amam-panahy.

Valy: Efa miombona fanahy izahay e, ka henoy ny vavakay, Tompo ô!

* Nomen’i Kristy ny fahefany ny Eglizy sady nomeny toky fa tsy hilaozany mandra-pahatapitry ny taona rehetra; koa mivavaha mba ho hery sy toky ho an’ny kristianina rehetra ao amin’ny Eglizy izany tenin’ny Tompo izany, hoentiny miasa hanitatra ny Fanjakan’Andriamanitra hatraiza hatraiza.
* Mivavaha mba hampian’Andriamanitra amin’ny fahasoavany ny mpitondra rehetra hahatsiaro fa olombelona zanak’Andriamanitra ireo entiny, ka hotsimbininy ary hiezahany hifankatia sy hifarimbona hifanolotra hasambarana amin’ny atao rehetra.
* Efa noraisin’Andriamanitra ho anisan’ny fianakaviany isika hatramin’ny Batemintsika; koa mivavaha ho an’ireo mbola tsy mahalala an’Andriamanitra na mitady Azy amin’ny fo mahitsy, mba hiseho aminy Andriamanitra, ary angataho mba ho haintsika aseho amin’ny toe-piainantsika manontolo sy andavanandro ny fitiavan’Andriamanitra.
* Taratry ny fianakavian’ny Trinite Masina avokoa ny fianakaviana sy ny vondrom-piraisana samihafa; koa mivavaha mba ho ny fitiavana mampiray ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, no hanentana ny fianakaviantsika sy ny fiangonantsika ary ny firenentsika hifankatia sy hiara-miasa tsy misy tambiny na ady varotra.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Tompo ô, nekenao ho anisan’ny fianakavianao izahay; koa ampianaro hiaina araka ny fiainanao ary hahatsiaro mandrakariva ny saina amam-panahy tokony hiainanay. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, mihanta aminao izahay ary miantso ny Anaranao: mba hamasino ireto fanatitray mpanomponao, hahatonga anay koa ho fanatitra lavorary mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Andriamanitra tokana Ianao miaraka amin’ny Zanakao Lahy tokana sy ny Fanahy Masina. Tsy tokana amin’ny maha-olon-drery tsy akory, fa tokana amin’ny fomba maha-Andriamanitra tokana ny Olona telo. Inoanay tokoa izay rehetra nambaranao ny amin’ny voninahitrao, ka ankatoavinay tsy an-kanavaka, na momba ny Zanakao na momba ny Fanahy Masina.

Hany ka miaraka amin’ny finoana ny maha-Andriamanitra marina sy mandrakizay Anao, dia tsaohinay ny maha-Olona telo samy hafa Anao sy ny fomba maha-Andriamanitra tokana an’ireo Olona telo ireo ary ny fahandrianana itovizany tanteraka.

Izany fahandrianana izany no derain’ny Anjely sy ny Arkanjely ary ny Kerobima sy ny Serafima, amin’ny hoby isan’andro tsy an-kijanona, iarahanay miredona hoe: Masina, Masina, Masina …

 

Kômonio

Gal. 4, 6

Zanaka ianareo, ka nirahin’Andriamanitra ao anatin’ ny fonareo ny Fanahin’ny Zanany miantso hoe: Abà, Ray ô!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo Andriamanitra ô, hahavonjy anay fanahy amam-batana anie ny Kômonio raisinay sy ny fiekenay fa Olona telo mandrakizay Ianao ary Andriamanitra tokana tsy azo sarahina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082