Sorona Masina ny Alahady 06 mey 2018

ALAHADY FAHA-6 – Taona B fankalazana ny Paka

TSY MIFIDY OLON-KOTIAVANA ANDRIAMANITRA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Iz. 48, 20

Teny mahafaly no torio, ary ataovy antso avo. Aelezo hatrany am-paravazan-tany izao: Nanafaka ny vahoakany ny Tompo. Aleloia!


Asiana VONINAHITRA ANIE ...


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, enga anie izahay tsy hitsaha-mankalaza ireo androm-pifaliana anomezam-boninahitra an’i Kristy Tompo tafatsangan-ko velona; ary ny Paka mistery tsarovanay mandavantaona anie, hoentinay manamasina ny fiainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa. 10, 25-26. 34-35. 44-48

Nidina tamin’ny Jentily koa ny fanomezan’ny Fanahy Masina.

Tamin’izany andro izany, raha vao niditra tao Sezarea i Piera, dia notsenain’i Kôrnely, kapiteny rômanina, ka sady niankohoka teo an-tongony izy no nitsaoka azy. Fa nasain’i Piera nitsangana izy, nataony hoe: “Mitsangàna, fa olona ihany aho”. Dia niloa-bava i Piera ka nanao hoe: “Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra: fa izay matahotra Azy sy manao ny marina, dia ankasitrahiny, na aiza na aiza firenena misy azy”. Mbola miteny eo i Piera no nidina tamin’izay rehetra nihaino ny teniny ny Fanahy Masina ka talanjona fatratra ny mpino voafora, tonga teo niaraka tamin’i Piera, nahita fa nidina tamin’ny Jentily koa ny fanomezan’ny Fanahy Masina, satria reny niteny fiteny samihafa sy nankalaza an’Andriamanitra izy ireo. Dia hoy i Piera: “Azo lavina tsy hatao Batemy amin’ny rano va ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina toa antsika ireto?” Koa ireo, nasainy natao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo; izy kosa nangatahin’ireo hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 97, 1. 2-3ab. 3de-4


Fiv.: Nanambara ny famonjeny tamin’ireo firenena ny Tompo.

Ihirao hira vao ny Tompo fa nahavita zava-mahagaga: ny tanany havanana, ny sandriny masina no nahazoany fandresena.
Nahariharin’ny Tompo ny famonjeny, ny fahamarinany hitan’ireo firenena. Tsarovy, ry terak’i Israely, ny fitiavany sy fahamarinany!
Zahao, ry vazan-tany rehetra, ny famonjen’ny Andriamanitray. Hobio ny Tompo, ry tany tontolo; mientàna, miantsà sy mihobia.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 4, 7-10


Andriamanitra dia fitiavana.

Ry hava-malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy, tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahy tokana ho amin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Ary toy izao izany fitiavana izany: tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina no aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 15, 9-17

Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, koa mitomoera amin’ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany. Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako. Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, raha tia hoatra an’Andriamanitra ny olombelona rehetra dia hiadana sy hifanampy ary hifankahazo toy ny mpiray tampo; koa mivavaha mba holavorarîn’Andriamanitra ny fikezahantsika hifankatia.

Valy: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo.

* Nirahin’Andriamanitra hitory ny finoana tamin’ireo tsy Jody i Piera; koa mivavaha mba handroso hatrany ny asa fampielezana ny Finoana ataon’ny Eglizy, ka ho afa-manatona sy mankalaza an’Andriamanitra, ny mahitsy fo rehetra eran-tany.
* Maro ny mpanao pôlitika sy ny mpanasoa vahoaka manomana rafi-piainana hahafahana mifankatia marina tokoa; koa mivavaha mba hanampy azy ny kristianina, ary hino izy ireny fa manampy ho tody amin’izany, ny fandrosoan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
* Mivavaha mba tsy ho voaefitrefitry ny harena sy ny saranga tsy mitovy, ary ny antoko samy hafa ny olombelona eran-tany, fa hiray hina sy hifankatia toy ny mpiray tam-po, hanjakan’ny fiadanana araka ny hevitr’Andriamanitra.
* Misy tany sy firenena mbola tsy nandre ny Evanjely; koa mivavaha mba hanirahan’Andriamanitra mpiasa vonona ary tsy mahalala sasatra, hampahafantatra an’i Kristy any aminy.
* Ny tia sahala amin’i Jesoa dia mahafoy hatramin’ny aina; koa mivavaha mba hanana izany herim-po izany isika, sy hampiseho azy eo amin’ny fiainantsika isan’andro.


—Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, ataovy mitovy fitiavana amin’ny Fonao ny fonay; ataovy mitovy hery amin’ny Fitiavanao ny fitiavanay, dia hahay hahafoy tena tokoa izahay ka hampanjaka ny fitiavana eran-tany.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ny vavakay anie, ry Tompo, hisondrotra any aminao miaraka amin’ny Sorona atolotray; ary efa sitrakao nodiovina izahay, ka enga anie ho mendrika ny Sakramenta mirakitra ny fitiavanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka.


Kômonio

Jo. 14, 15-16

Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko hoy ny Tompo. Ary Izaho hangataka amin’ny Ray haniraka Mpiaro hafa ho anareo, mba hiaraka aminareo mandrakizay. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ny fitsanganan’i Kristy no anarenanao anay ho velona mandrakizay; ka mba ampitomboy ao aminay ny vokatry ny Sakramentan’ny Paka ary hamafiso ao am-ponay ny herin’ny Mofo mahavelona.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0547