Sorona Masina ny 25/03/2018

ALAHADY SAMPANKAZO

FAHATSIAROVANA NY NIDIRAN’NY TOMPO TAO JEROSALEMA

Lokon’akanjo: mena (chape na chasuble)

1 — Izao andro izao no ankalazan’ny Eglizy ny nidiran’i Kristy Tompo tao Jerosalema, fony izy nanatanteraka ny misterin’ny Pakany; koa tsarovana amin’ny Sarona rehetra anio izany: asiana “prôsesiô” na fidirana milahatra manetriketrika alohan’ny Sorona Masina lehibe; ary asiana fidirana, amin’ny fomba tsotra, amin’ny Sorona hafa rehetra. Ny “Prôsesiô”, indray mandeha ihany, fa ny fidirana amin’ny fomba manetriketrika dia azo atao alohan’ny Sorona rehetra misy mpiangona marobe.


Fahatsiarovana ny nidiran’ny Tompo tao Jerosalema

Fomba I: Prôsesiô

2 — Rehefa tonga ny fotoana, dia vorîna amin’ny fiangonana kelikely na toerana hafa ny mpiangona rehetra, ivelan’ilay fiangonana haleha avy eo. Mitana sampankazo ny kristianina,
3 — Ny Pretra sy ireo mpanotrona voahosotra manao akanjo mena fanao amin’ny Sorona, dia mandroso mankeo amin’ny vahoaka. Azon’ny Pretra soloana “Chape” ny “chasuble” fa alana amin’ny faran’ny prôsesiô.
4 — Mandritra izany dia hiraina ireto sasin-kira manaraka ireto, na hira hafa mifanaraka amin’ny fotoam-pivavahana.


Sasin-kira

Mt. 21, 9

Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida, hisaorana amin’ny Anaran’ny Tompo anie Ilay tonga ety amintsika, Mpanjakan’i Israely. Hôzàna any amin’ny avo indrindra.


5 — Ary miarahaba ny vahoaka ny Pretra, araka ny fanao; dia mamporisika ny kristianina hankalaza tsara an’izao andro izao, tena handray anjara amin’izay atao ary hahatsapa tokoa izay hevitry ny fombam-pivavahana, miteny tahatahaka izao:


Ry kristianina havana, hatramin’ny nanombohan’ny Karemy isika no nanomana ny fontsika tamin’ny finoana sy ny fanonerana ary ny fanasoava-namana, koa vory eto isika ankehitriny miaraka amin’ny Eglizy manontolo hiomana hankalaza ny misterin’ny Pakan’ny Tompontsika, izany hoe: ny nijaliany sy ny nitsanganany ho velona. Ary mba hanatontosan’i Kristy izany mistery izany, dia niditra tao Jerosalema tanànany Izy; enga anie isika mahatsiaro an’izany, mba hiombona anjara amin’ny fahasoavana avy amin’ny Hazofijaliana, hiarahantsika aminy koa hitsangan-ko velona.

6 — Vita ny famporisihana, dia manakamban-tanana ny Pretra manao anankiray amin’ireto vavaka reto:


Aoka isika hivavaka:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tsofy rano sy hamasino ireto sampankazo ireto, ary enga anie izahay faly manotrona an’i Kristy Mpanjaka mba ho tonga any amin’ilay Jerosalema mandrakizay, amin’ny alalan’Izy ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay.

V— Amen.

na hoe:

Andriamanitra ô, ampitomboy ny finoanay manantena Anao, ary raiso ny vavakay mitalaho aminao mora fo: ka enga anie izahay manofahofa sampankazo ankehitriny, mihoby an’i Kristy mpandresy, mba hahita vokatra amin’ny asa soa ataonay, hoentinay eo anatrehanao, ao amin’i Kristy izay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay.

V- Amen.

Fafazana ranovoahasina ny Sampakazo; tsy misy teny atao,


7 — Avy eo dia atao antso avo ny nidiran’ny Tompo, araka ny iray amin’ireto Evanjely efatra ireto. Ny Diakra no mamaky; raha tsy misy, dia ny Pretra. Atao toy ny fanao amin’ny Evanjely.


Raha taona A

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 21, 1-11

Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo

Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany, ka tonga tao Betifage anilan’ny tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy i Jesoa, ka nilazany hoe: “Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy, ary rehefa mby ao ianareo, dia hahita ampondra vavy mifatotra sy ny zanany eo aminy: vahao izy, dia ento aty amiko. Ka raha tàhiny misy miteny anareo, dia ilazao hoe: Misy ilàn’ny Tompo azy; dia havelany hoentinareo miaraka amin’izay izy”.

Ary tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka ity teny nolazain’ny mpaminany ity hoe: “Lazao amin’ny zanaka vavin’i Siôna hoe: Indro ny Mpanjakanao mankeo aminao, malemy fanahy sady mitaingina ampondra, dia zanak’ampondra mitondra jioga”. Dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony, dia nentiny ny ampondra sy ny zanany, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, dia nitaingina teo i Jesoa. Be ny vahoaka namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalana; ny sasany kosa naka rantsan-kazo, dia nampihahaka azy teny an-dalana koa; ary ny vahoaka nialoha sy izay nanaraka Azy, samy niantso nanao hoe: “Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida! Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Hôzàna any amin’ny avo indrindra!” Ary nony tonga tao Jerosalema Izy, dia taitra ny tao an-tanàna, ka nanao hoe: “Iza moa izao?” Ary ny vahoaka nilaza hoe: “Izy no i Jesoa Mpaminany, avy any Nazareta any Galilea”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Raha taona B

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 11, 1-10

1 Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.

Nony mby akaiky an’i Jerosalema sy tonga tao Betania anilan’ny tendrombohitra Oliva i Jesoa, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany, ary nilaza taminy hoe: “Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy; raha vao tonga any ianareo, dia hahita zanak’ampondra anankiray mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’olona; vahao izy ka ento mankaty amiko. Ary raha misy manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? valio hoe: Misy ilàn’ny Tompo azy; dia halefany hoentina aty miaraka amin’izay izy”. Dia nandeha izy ireo ka nahita zanak’ampondra mifatotra teo alatrano anilan’ny varavarana, teo an-tsampanan-dalana, dia novahany. Ary ny sasany tamin’ny olona teo nanao taminy hoe: “Ahoana no amahanareo io zanak’ampondra io?” Fa novaliany araka ny nandidian’ny Tompo azy izy ireo, ka namela azy hoentiny. Dia nentiny tany amin’i Jesoa ny zanak’ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, ary nitaingina teo Izy. Maro no namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalan-kalehany, ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin’ny lalana koa. Ary na izay nandeha teo alohany, na izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: “Hôzàna! Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida raintsika, izay efa tonga izao; hôzàna any amin’ny avo indrindra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


na hoe:

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 12, 12-16

2 Hosoavina anie Ilay aoy, amin’ny Anaran’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, dia ren’ny vahoaka be izay tonga hanao ny fety fa ho avy ao Jerosalema i Jesoa, ka naka sampan-drofia izy, dia nitsena Azy sy niantso hoe: “Hozàna, hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo sy Mpanjakan’i Israely”.

Ary i Jesoa nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: “Aza matahotra, ry zanaka vavin’i Siôna; indro avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky”. Tamin’izay dia tsy mbola fantatry ny mpianany ny hevitr’izany, fa nony efa voasandratra tamin’ny voninahiny i Jesoa vao tsaroany fa sady voasoratra ny aminy izany no nataon’izy ireo taminy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Raha taona D

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 19, 28-40

Hankalazaina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.

Nony mby akaikin’i Betifage sy i Betania anilan’ny tendrombohitra Oliva i Jesoa, dia naniraka ny mpianany roa lahy, nanao hoe: “Mankanesa amin’itsy vohitra aloha itsy, fa rehefa miditra ao ianareo dia hahita zanak’ampondra mifatotra tsy mbola nitaingenan’olona, ka vahao izy dia ento aty. Ary raha misy manontany anareo hoe: “Nahoana io no vahanareo?” valio hoe: “Misy ilàn’ny Tompo azy”.

Dia lasa ireo iraka ka nahita ny zavatra araka ny voalazan’i Jesoa taminy. Teo am-pamahana ny zanak’ampondra dia hoy ny tompony tamin’izy ireo: “Nahoana no vahanareo ity zanak’ampondra?” Ka novaliany hoe: “Misy ilàn’ny Tompo azy”. Dia nentiny tany amin’i Jesoa ny zanak’ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, dia natainginy teo i Jesoa. Nony nandroso Izy, dia novelaran’ny olona ny fitafiany ny lalana. Ary rehefa mby akaikin’ny fidinana amin’ny tendrombohitra Oliva Izy, dia nientan-kafaliana ny mpianany maro be ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery noho ny fahagagana rehetra hitany. “Hankalazaina anie, hoy izy ireo, ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra!”

Ary ny Farisianina sasany izay teo amin’ny vahoaka nanao taminy hoe: “Ry Mpampianatra ô, rarao re ny mpianatrao!” Fa novaliany hoe: “Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia hiantsoantso ny vato”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


8 — Azo asiana toriteny fohy aorian’ny Evanjely, raha hita fa mahasoa. Mba hanombohana ny Prôsesiô, dia azon’ny Pretra na olon-kafa atao ny miteny kely amin’ny vahoaka tahatahaka izao hoe:


Alao tahaka, ry kristianina havana, ireo vahoaka nihoby an’i Jesoa; koa mandrosoa ombam-piadanana.

9 — Dia atomboka ny “prôsesiô” mankany amin’ilay fiangonana anaovana ny Sorona Masina.
Ny Mpitondra fanembohana no lohalaharana raha asiana fanembohana misy afo sy emboka; vao ny mpitondra ny Hazofijaliana, Hazofijaliana voaravaka, anelanelana mpanotrona roa mitondra jiro mirehitra. Manaraka an’ireo dia ny Pretra sy ireo mpanotrona azy; ary aorianany vao ny kristianina mitondra sampankazo.
Mandritra ny izorana dia ataon’ny mpihira na ny vahoaka ireto hira manaraka ireto, na hira hafa mifanaraka amin’ny fotoam-pivavahana.


Sasin-kira

Nitondra sampan’ôliva ny zanaky ny Hebrio hitsena ny Tompo ary nihorakoraka niantso hoe: «Hôzàna any amin’ny avo indrindra!»

Ny sasin-kira dia azo averina isaky ny andinin’ny Sal. 23, raha ilaina.


Salamo

Sal. 23

An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy, izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy: Izy nanorina azy tambony ranomasina nampitoetra azy tambonin’ny ony.
Iza no hiakatra am-bohitry ny Tompo? Zovy no honina amin’ny toerany masina? Dia izay mahitsy fo sy madio tanana, tsy mba mianiana hahavoa namana.
Izy no tahin’ny Tompo, vonjen’ilay Andriamanitra Marina, taranaka mitady ny Tavany, mitady ny Andriamanitr’i Jakôba.
Asandrato ny loha, ry vavahady; ry varavaram-pahagola, misandrata hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra!
Mpanjakan’ny voninahitra iza moa? Fa ny Tompo Tsitoha sy Mahery, ny Tompo ilay Mahery an’ady!
Asandrato ny loha, ry vavahady; ry varavaram-pahagola, misandrata hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra!
Mpanjakan’ny voninahitra iza moa? Fa ny Tompon’ny Tafika izy no Mpanjakan’ny voninahitra!


Sasin-kira

Namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalana ny zanaky ny Hebrio sady nihorakoraka niantso hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida, Hisaorana amin’ny Anaran’ny Tompo anie Ilay tonga ety amintsika!»

Ny sasin-kira dia azo averina isaky ny andinin’ny Sal. 46, raha ilaina:


Salamo

Sal. 46


Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana; mifalifalia ianareo Anjely: fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra, Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
Ireo vahoaka, nataony resinay; ny fokom-pirenena, ambany tongotray: izahay nofidiny ho lovany; i Jakôba olon-tiany, ho reharehany.
Andriamanitra miakatra hobîn’ny vahoaka; ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara.
Antsao ny Tompo, antsao! Antsao ny Mpanjakantsika, antsao! Fa Mpanjakan’ny tany tontolo izy: koa arindrao izany antsa. Andriamanitra am-piketrahany masina manjaka amin’ireo firenena.
Ireo andriam-bahoaka mivondrona ho vahoakan’ny Andriamanitr’i Abrama: an’Andriamanitra ny mpanjakan’ny tany: Andriamanitra voasandratra avo dia avo.


Antsa fiderana an’i Kristy Mpanjaka

Mp. Anao ny voninahitra, ny dera sy ny laza, ry Kristy Mpanjaka sy Mpamonjy: Ianao no derain’ny ankizy amim-pitiavana hoe: Hôzàna!

V. Anao ny voninahitra, ny dera sy ny laza, ry Kristy Mpanjaka sy Mpamonjy: Ianao no derain’ny ankizy amim-pitiavana hoe: Hôzàna!

Mp. Mpanjakan’i Israely Ianao ary taranaka malazan’i Davida, amin’ny Anaran’ny Tompo no ahatongavanao, ry Mpanjaka hajaina!

V. Anao ny voninahitra, ny dera sy ny laza, ry Kristy Mpanjaka sy Mpamonjy: Ianao no derain’ny ankizy amim-pitiavana hoe: Hôzàna!

Mp. Mivory ny mponin’ny lanitra any ambony any hisaotra Anao: miangona ny olombelona mety maty sy ny voaary tontolo hankalaza Anao.

V. Anao ny voninahitra, ny dera sy ny laza, ry Kristy Mpanjaka sy Mpamonjy: Ianao no derain’ny ankizy amim-pitiavana hoe: Hôzàna!

Mp. Nitondra sampan-drofia ny vahoaka Hebrio hitsena Anao: indreto koa izahay mivavaka mirary soa sy mihira mankalaza Anao.

V. Anao ny voninahitra, ny dera sy ny laza, ry Kristy Mpanjaka sy Mpamonjy: Ianao no derain’ny ankizy amim-pitiavana hoe: Hôzàna!

Mp. Talohan’ny hijaly Ianao no notolorany haja amam-boninahitra: Mpanjaka kosa Ianao no derainay amin’izao hira kanto izao.

V. Anao ny voninahitra, ny dera sy ny laza, ry Kristy Mpanjaka sy Mpamonjy: Ianao no derain’ny ankizy amim-pitiavana hoe: Hôzàna!

Mp. Finaritra Ianao nihaino azy; mba raiso koa ny vavakay, fa sitrakao ny tsara rehetra, ry malemy fanahy sy be indrafo.

V. Anao ny voninahitra, ny dera sy ny laza, ry Kristy Mpanjaka sy Mpamonjy: Ianao no derain’ny ankizy amim-pitiavana hoe: Hôzàna!

10 — Miditra ny fiangonana ny prôsesiô, dia hiraina ity sombin-kira manaraka ity, na hira hafa milaza ny nidiran’ny Tompo tao Jerosalema.


A. Raha niditra ny vohitra masina ny Tompo, dia nambaran’ny zanaky ny Hebrio mialoha fa hitsangan-ko velona Izy, “Hôzàna any amin’ny avo indrindra!”.
* Sady nitana sampan-drofia izy ireo no nihoby nanao hoe: * Hôzàna any amin’ny avo indrindra.
V. Vao henon’ny vahoaka fa avy i Jesoa nankao Jerosalema dia lasa izy ireo nivoaka hitsena Azy,
* Sady nitana sampan-drofia izy ireo no nihoby nanao hoe: * Hôzàna any amin’ny avo indrindra.


11 — Tonga eo amin’ny ôtely ny Pretra dia manao ny fanajana ny ôtely sy manemboka azy, raha asiana fanembohana; ary mankeny amin’ny toerany (raha “chape” no nanaovany dia soloina “chasuble”); avela ny vavaka rehetra, fa ny Fangatahana fanao amin’ny Sorana no amaranana ny “prôsesô”; ary tohizina toy ny fanao avy eo ny Sorona.


Fomba II: Fidirana manetriketrika

12 — Raha tsy misy ahafahana manao prôsesiô any ivelan’ny fiangonana, dia ny Fidirana no atao amin’ny fomba manetriketrika alohan’ny Sorona Masina lehibe, hankalazana ny Fidiran’ny Tompo tao Jerosalema.
13 — Ka anoloan’ny fiangonana na ao am-piangonana no vorîna ny kristianina mitana sampankazo. Dia mandeha ny Pretra sy ny mpanotrona, ary solontenan’ny mpiangona vitsivitsy mankeo ivelan’ny “choeur” amin’izay toerana mety indrindra ho hitan’ny be sy ny maro.
14 — Mandritra ny ankanesan’ny Pretra eny dia hiraina ny “Hôzàna” na hira hafa mifanaraka amin’ny fotoam-pivavahana. Ary hamasinina ny sampankazo, vakina ny Evanjely mitantara ny nidiran’ny Tompo tao Jerosalema (n° 5-7). Vita ny Evanjely dia mandroso ny Pretra miaraka amin’ireo mpanotrona sy ireo solontenan’ny mpiangona, mamakivaky ny fiangonana mankeny amin’ny “choeur”; ka hiraina mandritra izany ny sombin-kira hoe: “Raha niditra...” na hira hafa mfanaraka amin’ny fotoam-pivavahana.
15 — Tonga eo amin’ny ôtely ny Pretra dia manao ny fanajana ny ôtely, ary dia mankeny amin’ny toerany; ajanona ny vavaka rehetra fa atao avy hatrany ny Fangatahana fanao amin’ny Sorona, ary tohizina toy ny fanao ny Sorona.


Fomba III: Fidirana tsotra

16 — Amin’ny Sorona rehetra atao amin’ity alahady ity, ka tsy misy Fidirana amin’ny fomba manetriketrika, dia Fidirana tsotra no atao hahatsiarovana ny nidiran’ny Tompo tao Jerosalema.
17 — Mandritra ny ankanesan’ny Pretra eny amin’ny ôtely, dia hiraina ny sasin-kira Fidirana sy ny Salamo miaraka aminy na hira hafa mitovy hevitra amin’io. Rehefa tonga eo amin’ny ôtely ny Pretra dia manao ny fanajana ny ôtely vao mankeny amin’ny toerany, miarahaba ny olona ary manohy Sorona Masina toy ny fanao.
Amin’izay Sorona tsy misy mpiangona na misy olona fa tsy misy hira Fidirana: dia ny Pretra, rehefa tonga eo amin’ny ôtely, sy avy manao ny fanajana ny ôtely ary miarahaba ny olona, no mamaky ny sasin-kira Fidirana ary manohy ny Sorona Masina toy ny fanao.
18 — Sasin-kira


Sasin-kira Fidirana

Henemana talohan’ny fankalazana ny Paka, nony tonga tao Jerosalema renivohitra ny Tompo, dia notsenain’ny ankizy nitondra sampan-drofia, nihoby nanao hoe: «Hôzàna any amin’ny avo indrindra, Hisaorana amin’ny Anaran’ny Tompo anie Ianao, ilay tonga aty aminay, ry feno famindram-po!»


na:

Sal. 23, 9-10

Andrao ny lohanareo, ry vavahady. Asandrato ny tatao, ry vavahady fahagola hidiran’ny Mpanjaka be voninahitra. Mpanjaka be voninahitra iza moa izany? Fa ny Tompo Mahery, Izy no Mpanjaka be voninahitra! Hôzàna any amin’ny avo indrindra! Hisaorana anie Ilay tonga, feno famindram-po ho antsika.


19 — Raha tsy misy prôsesiô na Fidirana amin’ny fomba manetriketrika aza, dia mety raha asiana fankalazana ny Tenin’Andriamanitra momba ny Fidiran’ny Mesia sy ny Fijalian’ny Tompo ny sabotsy hariva na ny alahady amin’ny fotoana hita fa tsara.





ALAHADY SAMPANKAZO — SORONA MASINA

FANDINIHANA NY FIJALIAN’NY TOMPO

Lokon’akanjo: volomparasy

— Vita ny prôsesiô na ny Fidirana amin’ny fomba manetriketrika dia atomboka amin’ny Fangatahana ny Sorona Masina.
(Raha tsy misy prôsesiô na Fidirana amin’ny fomba manetriketrika kosa dia ny Fomba faha-3 no arahina amin’ny fidirana)


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, nekenao hitafy nofo sy hijaly teo amin’ny Hazofijaliana ny Mpamonjy anay mba hampianatra anay olombelona hanetry tena; koa mba ataovy ankafizinay tsara ny fampianarana avy amin’ny fijaliany hahamendrika anay hitsangan-ko velona tahaka Azy.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 50, 4-7

Tsy nafeniko tamin’ireo nandatsa Ahy ny tavako, ary fantatro fa tsy ho menatra Aho.

Nomen’ny Tompo Andriamanitra ny lelan’ny mpianatra aho mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. Mamoha ahy isa-maraina Izy; mamoha ny sofiko Izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainoan’ny mpianatra. Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory. Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora. Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo vato ary fantatro fa tsy ho menatra aho.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 21, 8-9. 17-18a. 19-20. 23


Fiv.: Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, ahoana no dia ilaozanao aho?

Izay rehetra mahita manaratsy, manondro molotra, mihifi-doha: «Ilay matoky ny Tompo aoka hoafahany; ilay sakaizan’ny Tompo: aoka hovonjeny!» Andian’amboa no mitangorona amiko, taranak’olon-dratsy no manarona: ny tanana sy tongotro voaloakany, voaisany avokoa ny taolako: indreo izy mijery, indreo fa mibandrina ahy;
Ny akanjoko ifampizaràny, ny fitafiako ilokàny.
Aza mijanona eny lavitra, ry Tompo; faingàna hamonjy ahy, ry Heriko.
Dia hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko aho, sy hankalaza Anao ao am-piangonana.
Ry matahotra ny Tompo, derao Izy; ry taranak’i Jakôba, mihobia.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fi1. 2, 6-11


Nilatsa-Tenany ho ambany Izy, ka nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra.

Ry kristianina havana, na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza i Kristy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-Tenany ho ambany, hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra any amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.

Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.

Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.

Rehefa vakina ny tantaran’ny Fijalian’ny Tompo, dia tsy itondrana jiro, tsy itondrana emboka; tsy itondrana ny baiboly, tsy asiana famantaran’ny Hazofijaliana. Diakra no mamaky, fa raha tsy misy dia ny Pretra. Mpamaky tsotra aza dia mahazo manao, fa ny anjaran’I Jesoa Kristy no ataon’ny Pretra, raha mbola azo atao koa. Raha Diakra, dia mangataka tso-drano amin’ny Pretra aloha.


Taona A


Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Md. Matio

Mt. 26, 14 – 27, 66 (fohy kokoa: 27, 11-54)

M =Mpitantara; V =Vahoaka; J =Jesoa


M. Ary tamin’izay ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy atao hoe Jodasy Iskariôta, nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona, ka nanao taminy hoe:

V. Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo Izy?

M. Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo. Hatramin’izay dia nikendry izay hamadihana Azy izy. Ary tamin’ny andro voalohany fihinanana ny azima, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany nanao hoe:

V. Aiza no tianao hanamboaranay hihinananao ny Paka?

M. Dia hoy i Jesoa taminy:

J. Mankanesa any an-tanàna ao amin-dRanona, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan’androko, ka hanao ny Paka ato aminao Aho sy ny mpianatro.

M. Nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka. Nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin’ny mpianany roa ambin’ny folo lahy. Teo am-pihinanana dia hoy Izy:

J. Lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.

M. Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe:

V. Moa izaho va izany, Tompoko? Dia namaly Izy ka nanao hoe:

J. Izay niara-nanatsoboka ny tanany tamiko tao an-dovia, izy no hamadika Ahy. Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; kanefa loza ho an’izay hamadika ny Zanak’olona! tsara ho azy ny tsy teraka.

M. Dia mba niteny i Jodasy ilay namadika Azy nanao hoe:

V. Raby, moa izaho va izany?

M. Ka novaliany hoe:

J. Voalazanao.

M. Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo i Jesoa, notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany, ka hoy Izy:

J. Raiso àry hano: fa Vatako ity.

M. Raha efa izany, dia nandray ny kalisy Izy, ary rehefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe:

J. Isotroinareo rehetra, fa Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka. Lazaiko aminareo, fa tsy hisotro amin’itony vokatry ny fotoboaloboka itony intsony Aho, ambara-piavin’izay andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray, any amin’ny Fanjakan’ny Raiko.

M. Ary rehefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Oliva. Dia hoy i Jesoa taminy:

J. Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina, fa efa voasoratra hoe: Hokapohiko ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry andrasana; fa rehefa tafatsangana Aho, dia hialoha anareo any Galilea.

M. Fa i Piera namaly hoe:

V. Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy ho tafintohina na oviana na oviana.

M. Ary hoy i Jesoa taminy:

J. Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.

M. Fa hoy i Piera taminy:

V. Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.

M. Mba nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra. Tamin’izay i Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemany, ary hoy Izy tamin’ny mpianany :

J. Mipetraha eto ianareo, raha mbola mankany hivavaka Aho.

M. Ary nitondra an’i Piera sy izy roa lahy zanak’i Zebede hiaraka aminy Izy dia nanomboka nozoin’alahelo sy fahoriana mafy. Ka hoy Izy tamin’ireo:

J. Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy; mijanòna eto, ka miaraha miari-tory amiko.

M. Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe:

J. Raiko, raha azo atao, aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka, fa ny Anao.

M. Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka hitany fa natory ireo, dia hoy Izy tamin’i Piera:

J. Hay ianareo tsy nahazaka ny miara-miaritory amiko ora iray akory? Miambena sy mivavaha mba tsy ho latsaka amin’ny fakàm-panahy ianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.

M. Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe:

J. Raiko, raha tsy azo esorina ity kapoaka ity fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ho tanteraka anie ny sitra-ponao.

M. Ary niverina Izy ka nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony; dia nilaozany ireo ka nandeha indray Izy nivavaka fanintelony, ary ny teniny teo no naveriny. Izay vao nankeo amin’ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe:

J. Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra! Indro efa antomotra ny fotoana, ary efa hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona. Mitsangàna ianareo, andeha isika, fa efa akaiky ilay hamadika Ahy.

M. Raha mbola niteny izany Izy, dia indro tamy i Jodasy isan’ireo roa ambin’ny folo lahy, arahin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona. Efa nomen’ilay mpamadika famantarana toy izao izy ireo: Izay horohako no izy, ka sambory. Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa izy ka nanao hoe:

V. Arahaba, Raby.

M. Dia nanoroka Azy izy. Ary hoy i Jesoa:

J. Ry sakaiza, haninona aty ianao?

M. Tamin’izay dia nanatona ny sasany ka nisambotra an’i Jesoa sy nihazona Azy. Ary indro ny anankiray tamin’izay teo amin’i Jesoa nandray ny sabany, dia namely ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka nahafaka ny sofiny an’ila. Fa hoy i Jesoa taminy:

J. Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao, fa izay rehetra hamely amin’ny sabatra dia ho fatin’ny sabatra. Moa ataonao fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, ka haniraka Anjely tsy omby lejiona roa ambin’ny folo Izy ho eto amiko? Fa hatao ahoana àry no hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?

M. Ary tamin’izay, dia hoy i Jesoa tamin’ireo:

J. Mova tsy ny hisambotra jiolahy ianareo mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy; nipetraka isan’andro teo aminareo Aho, nampianatra teo an-Tempoly, nefa tsy nosamborinareo, fa tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka izay voasoratry ny Mpaminany.

M. Ary tamin’izay dia nandao Azy ny mpianatra rehetra, ka nandositra. Ary izay nisambotra an’i Jesoa dia nitondra Azy tany amin’i Kaifa lehiben’ny mpisorona, izay nivorian’ny mpanora-dalàna sy ny loholona. Nanaraka Azy teny lavidavitra teny i Piera, hatrany antokotanin’ny lehiben’ny mpisorona. Niditra tao izy dia niara-nipetraka teo amin’ny mpiandry raharaha mba hahita izay farany. Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona rehetra dia nitady izay hiampangana lainga an’i Jesoa hamonoana Azy, fa tsy nahita na dia betsaka aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Nony farany, dia nisy roa tonga, ka nanao hoe:

V. Ilay io nilaza hoe: Mahay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra Aho, ary mahay manangana azy amin’ny hateloana indray.

M. Dia nitsangana ilay lehiben’ny mpisorona ka nanao taminy hoe:

V. Nahoana no tsy valianao izany fiampangan’ireo Anao izany?

M. Fa tsy niteny i Jesoa. Ary hoy ilay lehibe mpisorona taminy:

V. Mandidy Anao amin’ny Anaran’Andriamanitra velona aho, hilaza aminay raha Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra.

M. Dia hoy i Jesoa taminy:

J. Voalazanao. Ary lazaiko aminareo koa fa indray andro any ianareo hahita ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra be fahefana sy avy, eo amin’ny rahon’ny lanitra.

M. Tamin’izay dia norovitin’ilay lehiben’ny mpisorona ny fitafiany, ka hoy izy:

V. Niteny ratsy an’Andriamanitra Izy, ka ahoana indray no ilantsika vavolombelona? Indro efa renareo ny fitenenany ratsy an’Andriamanitra: ahoana no hevitrareo?

M. Ary ireo namaly ka nanao hoe:

V. Mendrika ho faty Izy.

M. Dia nororany ny Tavany ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany sady namely tehamaina Azy no nanao hoe:

V. Vinanio, ry Kristy, iza no namely Anao?

M. Tamin’izany i Piera nipetraka teo alatrano, ary nisy ankizy vavy anankiray nanatona azy ka nanao taminy hoe:

V. Ianao koa naman’i Jesoa Galileanina.

M. Fa novaliny teo anatrehan’izy rehetra izany ka hoy izy:

V. Tsy fantatro izay lazainao.

M. Dia nankeo am-bavahady izy, ndeha hitsoaka, fa hitan’ny ankizy vavy anankiray hafa koa, ka nolazainy tamin’ny olona teo hoe:

V. Ity koa naman’i Jesoa Nazareanina.

M. Fa nandà fanindroany indray izy sady nianiana nanao hoe:

V. Tsy fantatro izany Lehilahy izany.

M. Nony afaka kelikely dia nohatonin’ny olona teo i Piera ka nilazany hoe:

V. Marina tokoa raha tsy namany ianao, fa na dia ny fiteninao aza dia ampy hahalalana izany.

M. Ary tamin’izay dia sady niozona izy no nianiana fa tsy fantany izany lehilahy izany.

M. Niaraka tamin’izay naneno ny akoho, ka tsaroan’i Piera ny tenin’i Jesoa nanao hoe: alohan’ny maneno akoho, handà Ahy intelo ianao. Dia nivoaka izy ka nitomany fatratra. Ary nony maraina ny andro dia niara-nihevitra izay hahafaty an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary rehefa nafatony Izy dia nentiny ka natolony an’i Pôntsy Pilaty governora. Tamin’izay i Jodasy ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Izy, dia nanenina ka namerina ny farantsa kely telopolo tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona, nanao hoe:

V. Nanota aho fa nanolotra ny ra marina.

M. Fa ireo nanao hoe:

V. Ahoanay izany? fa asanao.

M. Dia natsipiny tao anatin’ny Tempoly ny vola ka lasa izy nanao tadimody nananton-tena. Ary nalain’ny lohandohan’ny mpisorona ny vola ka hoy izy:

V. Tsy azo alatsaka amin’ny rakitra masina izany, satria vidin-dra.

M. Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan’ny mpanao vilany ny vola hatao tany fandevenam-bahiny. Izany no anaovana io saha io mandraka androany hoe Haseldamà, na hoe sahan-drà; ary tanteraka tamin’izay ny tenin’i Jeremia mpaminany nanao hoe: Dia nalainy ny vola telopolo, vidin’ilay notombanan’ny zanak’i Israely, ka nomeny hamidy ny sahan’ny mpanefy vilany, araka ny nandidian’ny Tompo ahy. Dia...


(Eo no manomboka ny Vakinteny fohy):


M. Nentina teo anatrehan’ny governora i Jesoa ka nanontanian’ny governora hoe:

V. Ianao va no Mpanjakan’ny Jody?

M. Hoy i Jesoa taminy:

J. Voalazanao.

M. Fa ny fiampangana nataon’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona Azy, no tsy novaliany kely akory, ka hoy i Pilaty taminy:

V. Tsy renao va izany zavatra maro iampangana Anao izany?

M. Fa tsy namaly Izy na dia indraim-bava aza, ka gaga dia gaga ny governora. Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaon’ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray tian’ny vahoaka. Ary tamin’izay dia nisy mpifatotra anankiray malaza atao hoe Barabasy, ka rehefa nivory ny vahoaka, dia hoy i Pilaty taminy:

V. Iza no tianareo halefako ho anareo, i Barabasy sa i Jesoa izay atao hoe Kristy?

M. Satria fantany fa fialonana no nanoloran’izy ireo an’i Jesoa. Ary raha nipetraka teo amin’ny fitsarana izy, dia nampaniraka taminy ny vadiny hilaza hoe:

V. Aza manao na inona na inona amin’io Lehilahy marina io ianao, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy halina izay.

M. Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nahatarika ny vahoaka hangataka an’i Barabasy sy hampamono an’i Jesoa. Dia niteny indray ny governora nanao hoe:

V. Iza no tianareo halefako ho anareo amin’izy roa lahy?

M. Dia hoy izy ireo:

V. I Barabasy.

M. Ary hoy i Pilaty taminy:

V. Ahoana kosa àry no hataoko amin’i Jesoa izay atao hoe Kristy?

M. Hoy indray izy rehetra:

V. Aoka hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.

M. Hoy ny govemora:

V. Fa inona àry no ratsy nataony e?

M. Dia vao mainka nihorakoraka izy nanao hoe:

V. Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy!

M. Nony hitan’i Pilaty, fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia nampaka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka, ary nanao hoe:

V. Afa-tsiny amin’ny Ran’io Lehilahy marina io aho; fa raharahanareo.

M. Dia namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe:

V. Aoka ho aminay sy amin’ny zanakay ny Rany.

M. Tamin’izay dia nalefany i Barabasy, ary i Jesoa nony efa nasainy nokapohina dia natolony azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana. Tamin’izay dia nentin’ny miaramilan’ny govemora ho any amin’ny toerana fitsarana i Jesoa, sady novoriny hanodidina Azy ny miaramila namany. Dia nendahiny ny fitafiany ka nampitafiany kapaoty jaky Izy; ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo, dia nasatrony ny lohany, sady nampitanany volotara ny tanany havanana; raha efa izany dia nandohalika ankila teo anatrehany izy ary naneso Azy hoe:

V. Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.

M. Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nikapohany ny lohany. Nony efa nolalaoviny toy izany Izy, dia noesoriny ilay kapaoty ka nampitafîny Azy indray ny fitafiany, ary nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy. Rehefa tafavoaka ny tanàna, dia nifanena tamin’ny lehilahy Sireneanina anankiray atao hoe Simôna izy ireo, ka notereny io hilanja ny Hazofijalian’i Jesoa. Ary nony tonga teo amin’ny tany atao hoe Gôlgôtà izany hoe tanin’ny karan-doha, dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny, fa nony nandramany dia tsy nety nisotro Izy. Ary rehefa voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, mba ho tanteraka ny teny nolazain’ny mpaminany hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokàny ny akanjoko; dia nipetraka niambina Azy izy ireo.
Teo ambonin’ny lohany dia nasiany soratra milaza ny nanamelohana Azy manao hoe: ITY NO JESOA MPANJAKAN’NY JODY.
Nisy jiolahy roa niara-nofantsihana taminy tamin’ny Hazofijaliana, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. Ary izay nandalo dia nihifikifi-doha nanevateva Azy nanao hoe:

V. Ialahy, ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra sy manangana azy anatin’ny hateloana ity, vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy; raha Zanak’Andriamanitra ialahy, mialà amin’ny Hazofijaliana.

M. Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona, dia naneso Azy koa nanao hoe:

V. Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena; raha Mpanjakan’i Israely Izy, aoka hidina hiala amin’ny Hazofijaliana ankehitriny, dia hino Azy isika. Natoky an’Andriamanitra Izy, ka raha tia Azy Andriamanitra dia aoka hanafaka Azy ankehitriny, satria Zanak’Andriamanitra Aho, hoy ny filazany.

M. Dia nandatsa Azy toy izany koa iretsy jiolahy roa izay niaraka nofantsihana taminy tamin’ny Hazofijaliana. Ary hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy dia rakotry ny haizina ny tany rehetra. Nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy dia niantso mafy i Jesoa hoe:

J. Elî, Elî, lamà sabaktany!

M. Izany hoe:

J. Ry Andriamanitro! ry Andriamanitro, nahoana no dia nilaozanao Aho?

M. Raha nandre izany ny sasany tamin’izay teo, dia nanao hoe:

V. Miantso an’i Elia ilay ity.

M. Dia nihazakazaka niaraka tamin’izay ny anankiray tamin’izy ireo ka nandray spônjy; nony novontosany vinaingitra dia notohizany volotara ka natohony Azy hotsentsafiny. Fa ny sasany nanao hoe:

V. Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka Azy i Elia.

M. Ary niantso tamin’ny feo mahery indray i Jesoa, dia niala aina.

(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)


M. Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba teo amin’ny Tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy, nisokatra ny fasana, ary betsaka ny fatin’ny olona masina efa nody mandry no nitsangana; ka nony efa nitsangan-ko velona i Jesoa dia nivoaka tamin’ny fasana izy ireo, ka niakatra tany an-tanàna masina ary niseho tamin’ny maro. Ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an’i Jesoa kosa nony nahita ny horohoron-tany mbamin’ny zavatra rehetra tonga teo, dia raiki-tahotra mafy ka nanao hoe:

V. Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy

(Ajanona eto raha Vakinteny fohy)


M. Nisy vehivavy maromaro koa nitazana teny lavidavitra teny, dia ireo izay nanaraka an’i Jesoa sy nanompo Azy hatrany Galilea, anisan’ireo i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba sy i Jôsefa, ary ny renin’ny zanak’i Zebede. Nony hariva ny andro, dia nisy lehilahy manan-karena anankiray avy any Arimatia atao hoe Jôsefa, izay mpianatr’i Jesoa koa, nanatona an’i Pilaty ka nangataka ny fatin’i Jesoa. Dia nasain’i Pilaty nomena azy. Noraisin’i Jôsefa ny faty, dia nofonosiny lamba fotsy madio, ary naleviny tao amin’ny fasana vaovao nolavahana tamin’ny vatolampy, izay nampanaoviny ho an’ny tenany. Nony nakodiany ny vato makadiry tamin’ny varavaram-pasana dia lasa izy. Ary i Maria Madelena sy ilay Maria anankiray dia teo ka nipetraka nanandrify ny fasana. Ny ampitson’iny izay andron’ny fiomanana, dia nivory tany amin’i Pilaty ny lohandohan’ny mpisorona, sy ny Farisianina ka nanao hoe:

V. Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona ilay mpamitaka iny dia nanao hoe: Rehefa afaka hateloana dia hitsangana Aho. Koa asaovy ambenana ny fasany ambara-pahafaky ny andro fahatelo, fandrao sokoin’ny mpianany ny fatiny, dia lazainy amin’ny vahoaka hoe: nitsangan-ko velona Izy, ka ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.

M. Dia hoy i Pilaty taminy:

V. Mana-mpiambina ianareo, koa mandehana ambeno araka izay hainareo.

M. Nony nandeha izy ireo, dia sady nasiany tombokase ny vato no nametrahany mpiambina teo mba hahazoany antoka marina ny amin’ny fasana.


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaka


Taona B


Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Md. Marka

Mk.14, 1 – 15, 47 (fohy 15, 1-39)

M =Mpitantara; V =Vahoaka; J =Jesoa


M. Rehefa indroa andro sisa ny Paka sy ny Azima, dia nitady hisambotra am-pitaka an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy; nefa, hoy izy, tsy tokony ho amin’ny andro fety fandrao mitabataba ny vahoaka. Ary nony tany Betania tao an-tranon’i Simôna boka i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray niditra raha mbola nipetraka nihinana Izy. Nitondra tavoara alabastra feno diloilo manitra sarobidy natao tamin’ny salohin’ny narda ravehivavy, ary novakîny ny tavoara, dia naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny menaka. Maro tamin’izay teo no tezitra ka nifampilaza hoe:

V. Nahoana re no laniana foana toy izao ity zavamanitra? Denie telon-jato mahery iny raha namidy ka homena ny mahantra.

M. Dia nimonomonona tamin-dravehivavy izy ireo. Fa hoy i Jesoa taminy:

J. Avelao izy; nahoana ianareo no manao ny mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko, fa ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asian-tsoa araka izay tianareo, fa Izaho kosa tsy eto aminareo mandrakariva; nanao izay azony natao izy; nohosorany rahateo ny Tenako ho fandevenany Ahy. Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin’izao tontolo izao, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao ho fankalazana azy.

M. Ary i Jodasy Iskariôta, ilay isan’izy roa ambin’ny folo lahy, dia nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona mba hanolotra Azy. Faly ireo nony nandre izany, ka nanaiky hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay fotoana mety hamadihany Azy. Ary tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe:

V. Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka?

M. Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe:

J. Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy. Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: “Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?” Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo ka ao no anamboary ho antsika.

M. Dia nandeha ny mpianany ka tonga tany antanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka. Nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin’ny folo lahy. Ary raha nipetraka nihinana izy ireo, dia hoy i Jesoa:

J. Lazaiko marina aminareo fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo izay miara-mihinana amiko.

M. Dia nalahelo izy ireo ka samy nanontany Azy tsirairay hoe:

V. Izaho va izany?

M. Ary hoy Izy taminy.

J. Ny anankiray aminareo roa ambin’ny folo lahy izay miara-mandray amiko amin’ny tanany ao an-dovia. Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; nefa mila loza ho an’izay hamadika Azy. Tsara ho an’izany lehilahy izany ny tsy teraka.

M. Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo i Jesoa ka nony efa notsofiny rano sy novakîny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe:

J. Raiso, fa Vatako ity.

M. Raha efa izany, dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra. Ary nolazainy aminy hoe:

J. Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro. Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao, any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

M. Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva, ary hoy i Jesoa taminy:

J. Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina; fa efa voasoratra hoe: Hokapohina ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry; fa rehefa tafatsangana indray Aho, dia hialoha anareo any Galilea.

M. Dia hoy i Piera taminy:

V. Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina na oviana na oviana.

M. Ary hoy i Jesoa taminy;

J. Lazaiko marina aminao fa anio alina ihany, raha mbola tsy haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.

M. Fa vao mainka niteny mafimafy kokoa izy nanao hoe:

V. Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.

M. Ary nilaza toy izany koa izy rehetra. Ary tonga tany amin’ny saha atao hoe Getsemany izy ireo, dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

J. Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.

M. Ary nentiny hiaraka aminy i Piera sy i Jakôba ary i Joany, ary nihoron-koditra sy ory indrindra Izy. Ary hoy Izy taminy :

J. Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy; mijanòna eto ianareo, ary miareta tory.

M. Dia nandroso kely Izy, ka niankohoka tamin’ny tany, ary nivavaka mba ho afaka amin’izany ora izany, raha azo atao, nanao hoe:

J. Abà, Raiko, azonao atao ny zavatra rehetra, ka aoka tsy hikasika Ahy ity kapoaka ity; kanefa aoka tsy ny sitra-poko no ho tanteraka, fa ny Anao.

M. Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka nahita azy natory, ary nilaza tamin’i Piera hoe:

J. Ry Simôna, matory va ianao? Tsy nahari-tory ora iray akory va ianao? Miambena ianareo, ary mivavaha mba tsy ho latsaka amin’ny fakàm-panahy. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.

M. Dia lasa indray Izy nivavaka, ka ilay teny teo ihany no nataony. Nony niverina indray Izy, dia nahita azy natory fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitan’izy ireo izay havaly Azy. Ary niverina fanintelony Izy, ka nanao taminy hoe:

J. Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra. — Aoka izay; tonga ny fotoana: indro hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona. Mitsangàna ianareo, andeha isika: indro efa akaiky ilay hamadika Ahy.

M. Niaraka tamin’izay, raha mbola niteny Izy, dia tamy i Jodasy Iskariôta isan’izy roa ambin’ny folo lahy mbamin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona. Izy ireo dia efa nomen’ilay mpamadika Azy famantarana toy izao:

V. Izay horohako no Izy, ka sambory, ary ento tsy amim-pisalasalana.

M. Vantany vao tonga izy dia nanatona an’i Jesoa ka nanao hoe:

V. Arahaba, Raby.

M. Dia nanoroka Azy izy. Ary nosamborin’ireo Izy, dia nohazoniny. Fa ny anankiray amin’izay teo aminy nanatsoaka sabatra, dia namely ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka nahafaka ny sofiny an’ila. Ary niteny i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe:

J. Mova tsy ny hisambotra jiolahy no fiavinareo nitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy! Teo aminareo isan’andro Aho, nampianatra teo amin’ny Tempoly, kanefa tsy nosamborinareo, fa izany no ahatanterahan’ny Soratra Masina.

M. Dia nandao Azy ny mpianany rehetra fa lasa nandositra. Ary nisy tovolahy anankiray nanaraka Azy, lamba fotsiny no teny ankodiny, nosamborin’ireo koa; dia nariany ny lambany, ka lasa nandositra niboridana izy. Ary i Jesoa nentin’izy ireo ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona izay nivorian’ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona. I Piera kosa nanaraka Azy teny lavidavitra teny, hatrany an-tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona, dia niara-nipetraka tamin’ny mpanompo teo anilan’ny afo, sy namindro. Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpisaina rehetra dia nitady izay hiampangana an’i Jesoa hamonoany Azy, nefa tsy nahita; fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany. Nony inona dia nisy nitsangana niampanga Azy nanao hoe:

V. Renay Izy nanao hoe: Horavàko ity Tempoly nataon-tanana ity, dia hanangana hafa tsy nataon-tanana indray Aho amin’ny hateloana.

M. Fa tsy nifanaraka ny fiampangany na dia tamin’izany aza. Dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra ny lehiben’ny mpisorona nanao hoe:

V. Ianao va no Kristy Zanak’Ilay Isaorana?

M. Ka novalian’i Jesoa hoe:

J. Izaho no Izy! Ary ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, sy avy eo ambonin’ny rahon’ny lanitra.

M. Dia norovitin’ny Lehiben’ny Mpisorona ny fitafiany, ka hoy izy hoe:

V. Inona indray no ilàntsika vavolombelona? Efa renareo teo ny nitenenany ratsy an’Andriamanitra, ka ahoana no hevitrareo?

M. Dia nataon’izy rehetra fa mendrika ho faty Izy, ka ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny Tavany, sy namely totohondry Azy ary nanao hoe:

V. Vinanio.

M. Ny mpanompo avy no namely tehamaina Azy. Ary raha mbola teo ambany amin’ny tokotany i Piera, dia nankeo aminy ny anankiray amin’ny ankizy vavin’ny lehiben’ny mpisorona. Nony nahita an’i Piera namindro izy, dia nijery azy, ka nanao taminy hoe:

V. Ianao koa naman’i Jesoa Nazareanina.

M. Fa novaliany hoe:

V. Tsy fantatro, ary tsy azoko akory izay lazainao.

M. Dia nivoaka nankany alatrano izy ary naneno ny akoho. Fa nahita azy indray ilay ankizy vavy, ka nilaza tamin’izay teo hoe:

V. Naman’ireny koa io lehilahy io.

M. Fa nandà indray izy. Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo tamin’i Piera:

V. Naman’ireny tokoa ianao, fa Galileanina koa.

M. Tamin’izay sady niozona izy no nianiana hoe:

V. Tsy fantatro akory izany Lehilahy antsoinareo izany.

M. Niaraka tamin’izay dia naneno fanindroany ny akoho. Ary tsaroan’i Piera ilay teny nolazain’i Jesoa taminy hoe: tsy mbola haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao; ka dia nitomany izy.


Eto no manomboka raha Vakinteny fohy


M. Raha vao maraina ny andro, ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an’i Jesoa, dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty. Ary i Pilaty nanontany Azy hoe:

V. Ianao va no Mpanjakan’ny Jody?

M. Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe:

J. Voalazanao.

M. Ary maro ny zavatra niampangan’ny lohandohan’ny mpisorona Azy, ka nanontany Azy indray i Pilaty nanao hoe:

V. Tsy mamaly akory va Ianao? He izato hamaroan’ny zavatra iampangany Anao!

M. Fa tsy namaly intsony i Jesoa na dia kely aza, ka gaga i Pilaty. Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin’ny vahoaka; ka nisy kosa lehilahy iray atao hoe Barabasy niara-nifatotra tamin’ny mpikomy namany, satria nahafaty olona tamin’ny fikomiana. Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka azy mba hanao araka izay fanaony aminy; fa namaly i Pilaty nanao hoe:

V. Tianareo va raha ny mpanjakan’ny Jody no alefako ho anareo?

M. Satria fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona Azy taminy. Kanjo ny mpisorona namoky ny vahoaka fa aleo i Barabasy no halefany ho azy. Ka hoy indray i Pilaty taminy:

V. Inona àry no tianareo hataoko amin’ilay antsoinareo hoe mpanjakan’ny Jody?

M. Dia niantso indray izy ireo nanao hoe:

V. Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

M. Ary hoy i Pilaty taminy:

V. Fa inona àry no ratsy nataony?

M. Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe:

V. Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

M. Ary noho i Pilaty te hahazo sitraka amin’ny vahoaka, dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy, ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana. Dia nentin’ny miaramila i Jesoa ho ao amin’ny tokotany, izany hoe ao amin’ny fitsarana, sady novoriany ny miaramila namany. Nony efa nampitafiany kapaoty jaky izy, dia nosatrohany fehiloha tsilo, izay norandraniny, ny lohany; ary dia niarahaba Azy izy nanao hoe:

V. Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.

M. Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora Azy izy, ary nandohalika nitsaoka Azy. Nony efa nolalaoviny toy izany Izy, dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy, ka natafiny Azy indray ny fitafiany, vao nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy. Ary nisy lehilahy Sireneanina atao hoe i Simôna, rain’i Aleksandra sy i Rofosy, nandalo avy any an-tsaha, dia noteren’izy ireo hilanja ny Hazofijaliany, ary Izy dia nentiny tao amin’ny tany atao hoe Gôlgôtà izay adika hoe tanin’ny karan-doha. Dia nomeny divay miharo mira Izy hosotroiny, fa tsy nety nisotro. Nony voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nozarainy ny akanjony, ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy. Ary tamin’ny ora fahatelo no namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana. Ny filazana ny anton’ny namonoana Azy dia voasoratra hoe: MPANJAKAN’NY JODY. Ary nisy mpangalatra roa lahy niara-nofantsihany taminy tamin’ny hazofijaliana: ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany; ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: “Natao isan’ny ratsy fanahy Izy”. Ary izay nandalo dia sady nanevateva Azy no nanakifikifi-doha nanao hoe:

V. Hià! ry ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra sy manangana azy indray amin’ny hateloana ity! Vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy, ka mialà amin’ny Hazofijaliana!

M. Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia naneso Azy toy izany koa, fa izao no resany eo:

V. Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena. Aoka i Kristy Mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny Hazofijaliana amin’izao, mba ho hitantsika ka hinoantsika.

M. Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy. Nony tamin’ny enina, dia rakotra haizina ny tany rehetra hatramin’ny sivy; ary tamin’ny sivy, dia niantso mafy i Jesoa nanao hoe:

J. Eloy, Eloy, lamà sabaktany?

M. Izany hoe:

J. Ry Andriamanitra ô! ry Andriamanitra ô! nahoana no dia nilaozanao Aho?

M. Nony nandre izany ny sasany tamin’izay teo, dia nanao hoe:

V. Indro miantso an’i Elia Izy.

M. Dia nihazakazaka ny anankiray tamin’izy ireo, novontosany vinaingitra ny spônjy sy notohizany volotara, dia natolony Azy hotsentsafiny, ka hoy izy:

V. Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka Azy i Elia!

M. Fa niantso mafy i Jesoa, dia niala aina.


(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)


M. Ary rovitra nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly. Ilay kapiteny nitsangana teo antandrifin’i Jesoa, nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany izy, dia nanao hoe:

V. Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.

Tapitra eto ny Vakinteny fohy.


M. Ary nisy vehivavy nijery teny lavidavitra teny koa; anisan’ireny i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Jakôba sy i Jôsefa, ary koa i Salômé, izay nanaraka Azy sy nanompo Azy fony Izy tany Galilea. Fanampin’ireo koa nisy vehivavy maro izay niara-niakatra taminy tany Jerosalema. Ary nony hariva ny andro, satria andro Fiomanana, izany hoe andro mialoha ny sabata, dia tonga i Jôsefa avy any Arimatia, loholona malaza izay nanantena ny Fanjakan’Andriamanitra koa. Sahy nanatona an’i Pilaty izy, nangataka ny Vatan’i Jesoa. Gaga i Pilaty noho Izy maty sahady, ka nampaka ilay kapiteny sy nanontany azy na efa maty ela Izy na tsia. Nony reny ny filazan’ilay kapiteny, dia nomeny an’i Jôsefa ny faty. Dia nividy lamba i Jôsefa, ka nony efa nampidina ny maty dia namono lamba Azy, sy nandevina Azy tamin’ny fasana nolavahana tamin’ny vato, ary nanakodia ny vato tamin’ny varavaram-pasana. Ary nojeren’i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Jôsefa tsara izay nametrahany Azy.

Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaka


Taona D


Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 22, 14 – 23, 56 (fohy kokoa 23, 1-19)

M =Mpitantara; V =Vahoaka; J =Jesoa


M. Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana i Jesoa sy ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy. Ary hoy Izy tamin’ireo:

J. Naniry dia naniry hiara-mihinana ity Paka ity aminareo Aho alohan’ny hijaliako, fa lazaiko anareo fa tsy mba hihinana azy intsony Aho mandra-pahatanterany any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

M. Dia nandray ny Kalisy Izy ka nisaotra, ary nanao hoe:

J. Raiso ity, ka zarao aminareo; fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hisotro ny vokatry voaloboka intsony Aho mandrapahatongan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

M. Raha efa izany, dia nandray mofo Izy, ka nony efa nisaotra dia namaky azy, sy nanome azy ireo nanao hoe:

J. Vatako ity, izay atolotra ho anareo; manaova izany ho fahatsiarovana Ahy.

M. Dia nataony toy izany koa ny kalisy rehefa avy nihinana, ka hoy Izy:

J. Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako izay alatsaka ho anareo. Kanefa indro ny tanan’izay mamadika Ahy efa mby eto amiko eto ambony latabatra. Raha ny Zanak’olona, dia mandeha araka ny lahatra; fa mila loza izay hamadika Azy.

M. Dia nifanontany ny mpianatra hoe: iza re no dia hahavita izany amin’izy ireo? Ary velona koa ny ady hevitra tamin’izy ireo momba ny hahalalana izay lehibe indrindra amin’izy ireo, ka hoy i Jesoa taminy:

J. Amin’ny Jentily ny mpanjaka no mizaka azy rehetra, ary izay mandidy azy no atao hoe mpanasoa; fa aminareo kosa tsy mba toy izany, fa aoka izay lehibe aminareo no ho toy ny zandry, ary izay manam-pahefana no ho toy ny mpanompo. Fa iza moa no lehibebe kokoa, ny mihinana amin’ny latabatra va sa ny manompo? Moa tsy izay mihinana amin’ny latabatra va? Ary Izaho anefa eto aminareo dia toy ny mpanompo. Ianareo moa, naharitra nanaraka Ahy tamin’izay nanjo Ahy, Izaho kosa hanamboatra fanjakana ho anareo, tahaka ny nanamboaran’ny Raiko Fanjakana ho Ahy, mba hihinananareo sy hisotroanareo eo amin’ny latabatro any amin’ny Fanjakako, ary hipetrahanareo amin’ny seza fiandrianana, hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.

M. Ary hoy ny Tompo:

J. Ry Simôna, ry Simôna, indro i Satana nitady hikororoka anareo tahaka ny vary, fa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao.

M. Ary hoy i Piera taminy:

V. Vonon-kanaraka Anao Aho, Tompoko, na ho ao an-tranomaizina, na ho any amin’ny fahafatesana aza.

M. Fa hoy i Jesoa:

J. Lazaiko aminao, ry Piera, fa mbola tsy haneno akoho anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.

M. Ary hoy kosa Izy tamin’ny mpianany:

J. Raha naniraka anareo tsy hitondra kitampom-bola na kitampom-batsy na kiraro Aho, moa orin-javatra va ianareo?

M. Hoy izy ireo:

V. Tsy orin’inona na inona izahay.

M. Dia hoy Izy taminy:

J. Fa amin’izao kosa, izay manan-kitampom-bola aoka hitondra azy; toy izany koa izay manan-kitampom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra aoka hivarotra ny akanjony ka hividy iray, fa lazaiko aminareo fa ity teny voasoratra ity koa tsy maintsy ho tanteraka amiko, dia ilay hoe: Natao lasitra iray amin’ny ratsy fanahy Izy; fa efa ho tapitra daholo ny amiko.

M. Dia hoy izy ireo:

V. Tompoko, indreto misy sabatra roa. Dia hoy i Jesoa taminy:

J. Ampy izay.

M. Dia nivoaka nankany an-tendrombohitra araka ny fanaony Izy, ka nanaraka Azy koa ny mpianany. Nony tonga tany Izy dia nanao tamin’izy ireo hoe:

J. Mivavaha mba tsy ho azon’ny fakàm-panahy ianareo.

M. Dia nihataka tamin’izy ireo tokony ho tra-toraka Izy ka nandohalika, dia nivavaka nanao hoe:

J. Raiko! Raha sitrakao, halaviro Ahy ity kapoaka ity; ny sitra-ponao anefa no aoka ho tanteraka, fa tsy ny Ahy.

M. Tamin’izay dia nisy Anjely anankiray avy tany an-danitra niseho taminy sy nankahery Azy. Dia voan’ny fiadiana aina Izy, fa vao mainka nivavaka mafimafy kokoa. Ary nanjary toy ny ra ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin’ny tany. Nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ny mpianany ka nahita azy natory noho ny alahelo, ary nilaza taminy hoe:

J. Nahoana no natory ianareo? Mifohaza ka mivavaha mba tsy ho azon’ny fakàm-panahy ianareo.

M. Raha mbola niteny Izy, dia indro nisy andian’olona maromaro nitranga, ka ilay atao hoe Jodasy, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy no loha lalana, ary nanatona an’i Jesoa ilay io mba hanoroka Azy. Ary hoy i Jesoa taminy:

J. Ry Jodasy, dia fanorohana lahy no amadihanao ny Zanak’olona?

M. Nony hitan-dry zareo teo amin’i Jesoa izay hanjo, dia hoy izy taminy:

V. Tompoko, mba hamely amin’ny sabatra va izahay?

M. Dia nasian’ny anankiray taminy tokoa ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka afaka tery ny sofiny ankavanana. Fa hoy Jesoa:

J. Aoka izay.

M. Dia nanendry ny sofin-dralehilahy Izy, ka nahasitrana azy. Ary hoy i Jesoa tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpandraharaha amin’ny Tempoly ary ny loholona izay tonga teo handray Azy:

J. Mova tsy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo, mitondra sabatra sy langilangy! Teo aminareo isan’andro tao an-Tempoly Aho, nefa tsy nikasi-tanana Ahy akory ianareo; fa izao tonga ny fotoanareo sy ny herin’ny maizina.

M. Dia nisambotra Azy izy ireo ka nitondra Azy tany an-tranon’ny lehiben’ny mpisorona; i Piera izany nanaraka teny lavidavitra teny ihany. Ary nampirehitra afo teo afovoan’ny tokotany ny olona, dia nipetraka nanodidina, ka mba niara-nipetraka taminy teo koa i Piera. Nisy ankizy vavy anankiray kosa nahita azy nipetraka tao akaikin’ny afo, ka nijery azy, dia nanao hoe:

V. Ity koa niaraka taminy.

M. Fa nandà i Piera nanao hoe:

V. Ravehivavy, tsy mahalala Azy akory aho.

M. Nony afaka kelikely dia nisy lehilahy anankiray koa nahita azy ka nanao hoe:

V. Ianao koa lahy naman’irony olona irony.

M. Fa hoy i Piera:

V. Ry sakaiza, tsy nàmany akory aho.

M. Ora iray taorian’izany, dia nisy hafa nilaza tamim-pitokiana hoe:

V. Tena marina raha tsy nàmany koa ralehilahy ity, satria Galileanina izy.

M. Dia hoy i Piera.

V. Ry sakaiza, tsy fantatro izay lazainao.

M. Niaraka tamin’izay raha mbola niteny izy, dia naneno ny akoho. Ary nitodika nijery an’i Piera ny Tompo, ka tsaroan’i Piera ilay tenin’ny Tompo nanao hoe: Alohan’ny maneno akoho anio, handà Ahy intelo ianao; dia nivoaka tany ivelany izy ka nitomany fatratra. Dia nataon’ireo olona nitana Azy fihomehezana i Jesoa sady nokapohiny, notampenany ny masony, notehafiny ny Tavany, dia hoy izy taminy:

V. Vinanio hoe izay namely Anao?

M. Ary maro ny teny ratsy hafa nanaratsiany Azy. Nony vao maraina ny andro, dia nivory ny loholona sy ny lohandohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, ka nentiny tao amin’ny Sanedrîna i Jesoa, ary hoy ireo taminy:

V. Raha Ianao no i Kristy, dia lazao aminay.

M. Fa hoy Izy taminy:

J. Na hilaza aminareo aza Aho, tsy hinoanareo akory; ary raha hanontany anareo aza Aho, tsy hovalianareo na halefanareo akory. Fa hatramin’izao ny Zanak’olona dia hipetraka eo ankavanan’ny herin’Andriamanitra.

M. Dia hoy izy rehetra:

V. Zanak’Andriamanitra izany Ianao?

M. Ary hoy Izy taminy:

J. Voalazanareo: Izy Aho.

M. Ka hoy izy ireo:

V. Inona indray no ilàntsika vavolombelona? Tenantsika no nandre tamin’ny vavany.

M. Tamin’izay dia nitsangana izy rehetra ka nitondra an’i Jesoa tany amin’i Pilaty.

Eto no manomboka ny vakinteny fohy.


M. Nitsangana ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ka nitondra an’i Jesoa tany amin’i Pilaty, ary niampanga Azy toy izao:

V. Azonay nampiodina ny firenenay ilay io, sy nandrara tsy handoa hetra ho an’i Sezara, ary nilaza ny Tenany ho Kristy Mpanjaka.

M. Dia nanontany Azy i Pilaty nanao hoe:

V. Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao? Ka novaliany hoe:

J. Voalazanao.

M. Ary hoy i Pilaty tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny vahoaka:

V. Tsy hitako izay mahameloka io Lehilahy io.

M. Fa vao mainka nanao letrezana izy ireo nanao hoe:

V. Mampiodina ny vahoaka Izy, aeliny eran’i Jodea manontolo ny fampianarany, dia hatrany Galilea izay nanombohany ka hatraty.

M. Nony nandre ny teny hoe Galilea i Pilaty, dia nanontany raha olona avy any Galilea Izy, ka nony fantany fa hoe avy any amin’ny tany fehezin’i Herôda Izy, dia nampanateriny tany amin’i Herôda, izay tao Jerosalema koa tamin’izany andro izany. Faly dia faly i Herôda nony nahita an’i Jesoa, fa efa ela no naniriany hahita Azy, noho ny fandrenesany Azy efa maresaka ery, sady nanantena izy fa hahita Azy hanao fahagagana. Nanao fanontaniana maro taminy izy, fa tsy namaly na inona na inona kosa i Jesoa. Eo izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna efa nikiribiby ery niampanga Azy. Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy, ka nony efa nampiakanjoiny akanjo fotsy sy nolalaoviny, dia naveriny tany amin’i Pilaty indray. Tamin’izay andro izay dia tonga nisakaiza tery i Herôda sy i Pilaty efa nifandrafy teo iny. Nasain’i Pilaty novorîna ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpifehy ny vahoaka, dia nilazany hoe:

V. Nentinareo taty io Lehilahy io, fa hoe mandrendri-bahoaka hikomy, ary efa nanadina Azy teo anatrehanareo aho, nefa tsy hitako velively izay helony amin’izay iampanganareo Azy. Tahaka izany koa i Herôda, fa namerina Azy ho aty amintsika izy, ary indro tsy misy na inona na inona tokony hanamelohana Azy ho faty. Koa hofaiziko Izy, dia halefako.

M. Fa tsy maintsy mandefa mpifatotra iray ho an’ny vahoaka rahateo izy amin’ny andro fety. Kanjo indray niredona ny vahoaka niantso hoe:

V. Vonoy io, fa i Barabasy no alefaso ho anay.

M. I Barabasy anefa dia natao an-tranomaizina, satria sendra nisy fikomiana tao an-tanàna, ka namono olona izy. Dia mbola niteny ihany i Pilaty, fa te handefa an’i Jesoa; nefa niantso mafy ny vahoaka nanao hoe:

V. Fantsiho! fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy!

M. Fa niteny tamin’izy ireo fanintelony indray i Pilaty nanao hoe:

V. Inona àry no ratsy nataony? Tsy hitako izay heloka tokony hahafaty azy; koa hofaiziko Izy, dia halefako.

M. Nefa nikiry izy ireo niantso mafy nangataka Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ka nitombo nitombo ihany ny horakoraka. Dia nasain’i Pilaty natao izay nangatahiny; ilay notadiaviny ho afaka sy natao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy vonoana olona moa nalefany, ary i Jesoa kosa natolony hanaovany izay sitra-pony. Ary raha nitondra Azy izy ireo, dia nisy lehilahy Sireneanina anankiray avy any an-tsaha atao hoe Simôna notanany, dia nampitondrainy ny Hazofijaliana nanaraka an’i Jesoa. Nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy sy vehivavy koa, izay nandon-tratra nitomany Azy. Fa nitodika azy ireo i Jesoa nanao hoe:

J. Ry zanaka vavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy foana, fa ny tenanareo sy ny zanakareo no itomanio, fa indro ho avy ny andro hanaovana hoe: “Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoana”. Amin’izay ny olona vao hilaza amin’ny tendrombohitra hoe: “Mianjerà aminay”, sy amin’ny havoana hoe: “Saròny izahay”; fa raha toy izany no ataony amin’ny hazo lena, hatao ahoana amin’ny maina?

M. Ary nisy olon-dratsy roa lahy koa, nentin’ny miaramila, hiara-kovonoina amin’i Jesoa. Nony tonga tany amin’ny fitoerana atao hoe Kalvery izy ireo, dia nofantsihany tamin’ny Hazofijaliana Izy sy ireo mpangalatra ireo; ny iray moa teo ankavanany, ary ny iray kosa teo ankaviany. Dia hoy i Jesoa:

J. Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.

M. Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany. Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:

V. Namonjy ny sasany Izy, ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy.

M. Ny miaramila koa naneso Azy nanatona nanolotra vinaingitra Azy, ary nanao hoe:

V. Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody, vonjeo ny Tenanao.

M. Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’NY JODY. Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:

V. Raha Ianao no Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay.

M. Fa nanarin’ilay anankiray izy, nataony hoe:

V. Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika, fa ny Azy kosa, tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy.

M. Dia hoy izy tamin’i Jesoa:

V. Tompoko, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny Fanjakanao Ianao.

M. Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:

J. Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao.

M. Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina, dia rakotra haizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany, fa nihamaizina ny masoandro; ary rovitra nisasaka roa ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly. Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe:

J. Raiko! apetrako eo an-tananao ny fanahiko.

M. Nony voalazany izany, dia niala aina Izy.

(MandohaIika eto, ary mangina kelikely)


M. Rehefa nahita ny zavatra niseho teo ny kapiteny dia nankalaza an’Andriamanitra, ka nanao hoe:

V. Tena olo-marina tokoa io Lehilahy io.

M. Ny vahoaka rehetra vory teo mba hijery koa, nony nandinika ny zava-niseho, dia lasa niverina nandondòna ny tratrany. Fa ny olom-pantatr’i Jesoa rehetra kosa dia nijoro teny lavidavitra ombàn’ireo vehivavy nanaraka Azy avy tany Galilea ka samy nijery izany.

Tapitra ny Vakiteny fohy.


M. Ary nisy lehilahy tsara fanahy sady marina anankiray atao hoe Jôsefa izay anisan’ny Sanedrîna tsy mba nisy neken’izy io na ny hevi-dratsin’ny sasany na ny nataon’izy ireo; avy any Arimatia tanànan’i Jodea izy, ary mba nanantena ny Fanjakan’Andriamanitra koa. Nanatona an’i Pilaty izy ka nangataka ny vatan’i Jesoa. Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny lamba, ary naleviny tao amin’ny fasana anankiray nolavahana tamin’ny vato, sy tsy mbola nandevenana olona. Andro fiomanana tamin’izay andro izay, sady efa hiantomboka ny sabata. Ary ny vehivavy nanaraka an’i Jesoa avy tany Galilea dia niaraka tamin’i Jôsefa koa, ka nijery ny tao am-pasana sy izay fomba fametrahana ny vatan’i Jesoa. Rehefa niverina avy any izy ireo, dia namboatra zava-manitra sy menaka manitra; fa nony sabata ny andro dia nitsahatra araka ny Lalàna izy.


Asiana IZAHO MINO


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, antsoin’ny Eglizy isika amin’ity Herinandro Masina ity, hiaraka amin’i Kristy hiakatra ny Kalvery; koa tokony hivavaka mafy hahatondra ny hazofijaliantsika, sy hamonjy an’izao tontolo izao, amin’izay leferintsika.


Valy: Ray ô, tia anay ny Zanakao, ka tsinjovy izahay.

* Ny kristianina rehetra eran-tany no miaraka amintsika manomboka ity Herinandro Masina ity; koa mivavaha ho an’ny Eglizy manontolo, mba hiray fo hivavaka sy ho feno fitiavana.
* Mbola betsaka ny sahala amin-dry i Pilaty sy i Herôda ary i Kaifa ankehitriny, koa mivavaha ho an’ny manam-pahefana rehetra, mba samy hampian’Andriamanitra hahay hampiasa ara-drariny ny fahefany.
* Maro mpanasaritaka ny sain’ny vahoaka, koa mivavaha ho an’ireo entina hankamin’ny lalan-diso; fa indrindra ireo tarihina hanohitra an’i Kristy.
* Misy mpitsara sy vavolombelona: maha-voaheloka olona tsy manan-tsiny; koa mivavaha ho an’izay migadra sy voasazy tsy an-drariny.
* Mifampivavaha isika, ho tonga eto am-piangonana matetika amin’ireto Andro Masina ireto, mba hihaino tsara ny Tenin’Andriamanitra sy hitombo fitiavana ny Mpanavotra antsika.


— Azo ampiana izay ilaina eran-tany na eo an-toerana.


Ry Jesoa Tompo ô, amporisiho izahay hanaraka Anao tsara amin’ity Herinandro Lehibe ity, ary omeo hery tsy handao Anao fa hiaraka aminao hatramin’ny farany, ary hifankatia toy ny nitiavanao anay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Amindrao fo izahay, ry Tompo, fa efa hankalaza ny Fijalian’ny Zanakao; koa na tsy mendrika hampitony Anao aza ny asa vitanay, dia ilay Sorona tokana aman-tany kosa anie, no aoka hampitony Anao, fa be indrafo Ianao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:


Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay tsy nanan-tsiny nefa nanaiky hijaly hisolo voina ny mpanota, sy ho voaheloka tsy an-drariny hisolo ny olo-meloka; ny nahafatesany no nahalevona ny fahotanay, ary ny nitsanganany ho velona no nahazoanay ny fahamarinana.

Izy no derain’ny tany aman-danitra sy hobin’ny Anjely sy ny Arkanjely tsy mitsahatra manao hoe: Masina, Masina, Masina...


Kômonio

Mt. 26, 42

Hoy i Jesoa: «Raha tsy azo esorina ity kapoaka ity, ry Ray, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ho tanteraka ny sitra-ponao».


Vavaka aorian’ny Kômonio

Henika ny hanina masina izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao, fa ny nahafatesan’ny Zanakao no anantenanay hahazo izay inoanay: ka enga anie ny nitsanganany ho velona kosa no hitondranao anay ho tody amin’izay irinay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0077 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org