Hoy ny Papa 27/03/2014

Ny Karemy dia fotoam-pahasoavana, fotoana hibebahana sy hiainana mifanaraka amin'ny batemy izay noraisina.

Hevitra mandeha

zemjos ( 28/03/2014 05:43)
Raha ny amiko manokana, dia isan'andro no tokony hianana ny karemy satria isan'andro isika dia mahazo fahasoavana foana, ohatra amin'izany ny fahavelomantsika, tsy mbola nisy fahasoavana lehibe mihoatra ny misterin' ny fahavelomantsika. Ny FIBEBAHANA: Olombelona nofo sy rĂ  isika ka mandia tany mety ho solafaka miloloha lanitra mety ho lena ary malemy ny nofontsika ka mety handairan'ny ratsy misy eto an-tany ka noho izany ny fakam-panahy miriaria na ny ratsy na ny tsara izany ka indraindray ny tsara amintsika mety ho ratsy amin'ny hafa, ka toy izany koa ny fihevintsika tsy fehitr'Andriamanitra; kanefa izany no antony angatahantsika famelana Aminy isan'andro ary izany koa no antony hibebahantsika isan'ora ary tokony hamelantsika ny ratsy vitan'ny fahavalontsika tamintsika.
Izany tokoa mantsy no tena hamantarana ny olona iray hoe vita Batemy izy satria: manahaka ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina no mitondra azy ary manantanteraka hatrany sy manohy ny asa nampanaovin'i Ray an'i Jesoa.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1301