Hafatry ny Papa ho an’ny Karemy 2015 : Tazomy mafy

Nampiditra : admin
Daty : 14/02/2015

“Ry rahalahy sy anabavy malala,

Ny Karemy dia fotoana fihavaozana ho an’ny Fiangonana, ho an’ny fikambanana rehetra ary ho an’ny mpino tsirairay. Fa indrindra “fotoam-pahasoavana” (2 Kor 6,2).

Tsy mangataka n’inon’inona amintsika Andriamanitra ka tsy efa nomeny antsika tam-boalohany izany : “Tia isika satria Andriamanitra mihitsy no tia antsika mialoha” (1 Jo 4,19). Mihevitra antsika Izy. Mivimbina antsika tsirairay ao am-pony, fantany ny anarantsika, miahy izy ary mitady antsika rehefa manalavitra azy isika. Mahaliana azy isika tsirairay ; tsy mamela azy hikimpy manoloana izay manjo antsika ny fitiavany.

Misy fotoana anefa, rehefa milamina isika sady misosa avokoa izay atao, hadinontsika tanteraka ny mijery ny hafa (tsy mba manao izany na oviana na oviana Andriamanitra Ray), tsy raharahantsika intsony ny olana mianjady amin’ny hafa, ny fijaliana sy ny tsindrihazolena mihantra aminy… dia latsaka ao anaty tsy firaharahiana ny fontsika : rehefa salama tsara aho sy mahomby izay ataoko, hadinoko izay ao anaty fahasahiranana. Izany fihetsika feno fitiavan-tena, tsy mivaky loha ny hafa izany, dia miparitaka hatraiza hatraiza, hany ka azo lazaina fa misy ankehitriny ny fanatontoloana ny tsy firaharahiana. Aretina misoko tsy maintsy atrehina izany noho ny maha-kristianina antsika.

Rehefa mivelona amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoakany dia ahitam-baliny ireo fanontaniana sesilany apetraky ny vanimpotoana. Iray amin’ireo sedra mafy mitranga, tiako hasongadina amin’izao hafatra izao, ny fanatontoloana ny tsy firaharahiana. Ny tsy firaharahiana ny eo akaiky sy ny tsy firaharahiana an’Andriamanitra dia fakampanahy mpahazo, na dia isika kristianina aza. Noho izany, mila mihaino isika, isaky ny Karemy, ny antsoantson’ireo mpaminany izay manandram-peo sy mamoha antsika. Miraharaha izao tontolo izao Andriamanitra, nomeny hatramin’ny Zanany lahy aza mba ho famonjena ny olona rehetra. Noho ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo, ny fiainany tety an-tany, ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona, dia nisokatra tanteraka ny varavarana nanelanelana an’Andriamanitra sy ny olombelona, nanelanelana ny lanitra sy ny tany. Ny Fiangonana no toy ny tanana mihazona izany varavarana izany tsy hihidy rehefa mitory ny Vaovao mahafaly, mankalaza ny sakramenta, maneho ny finoany amin’ny asa feno fitiavana (jereo Gal 5,6).

Kanefa izao tontolo izao dia mihidy aman-trano no sady manakatona ilay varavarana fidiran’Andriamanitra ao amin’ny olombelona sy ny olombelona ao amin'Andriamanitra. Noho izany dia tsy tokony ho gaga ilay tanana, dia ny Fiangonana, rehefa voatosika, voahosihosy sy maratra. Izany indrindra no ilàn’ny vahoakan’Andriamanitra fihavaozana, hiala amin’ny tsy firaharahiana sy tsy hihidy aman-trano. Ireto misy soridalana telo zaraiko aminareo mba handinihana izany fihavaozana izany.

1. “Raha misy rantsambatana iray marary dia miara-marary aminy ny rantsambatana rehetra” (1 Kor 12,26) – Ny Fiangonana

Ny fitiavan’Andriamanitra izay mamongotra ny fitiavan-tena mahafaty tsy mijery ny hafa, dia atolotry ny Fiangonana antsika ao anatin’ny fampianarany ary indrindra ao amin’ny fijoroany ho vavolombelona. Tsy afaka hijoro anefa ka hitory amin’ny hafa izay zavatra tsy mbola nodiavina. Ny kristianina dia izay mamela an’Andriamanitra hampitafy azy ny hatsarampanahiny sy ny famindrampony, hampitafy azy an’i Kristy ka hanahaka azy, mpanompon’Andriamanitra sy ny olona. Ny litorjian’ny Alakamisy Masina, ny fanasàna tongotra, no mampatsiahy antsika izany. Tsy nanaiky hosasàn’i Jesoa tongotra i Piera, saingy takany avy eo fa i Jesoa dia tsy nampiseho fotsiny ny tokony hifanasantsika tongotra. Izay hanasa ny tongotry ny hafa dia efa tsy maintsy nanaiky hosasàn’i Kristy tongotra aloha. Izy irery ihany no hanana “anjara” miaraka aminy (Jo 13,8) sy afaka hanompo ny olombelona.

Fotoana tsara ny Karemy hamelàna an’i Kristy hanompo antsika sy hampianatra ny fomba fanompoany. Amin’ny alalan’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra izany, sy ny fandraisana ny sakramenta, indrindra fa ny Eokaristia. Ao isika no manjary lasa ilay raisintsika : Vatan’i Kristy. Noho io vatana io, tsy hahazo laka ao am-pontsika intsony ny tsy firaharahiana. Satria izay an’i Kristy dia vatana iray aminy ka tsy misy intsony ny samy maka ho azy. “Raha misy rantsana iray monja marary, miara-marary aminy ny rantsana rehetra ; raha misy rantsana iray ravo, miara-paly aminy avokoa ny rehetra” (1 Kor 12, 26).

Ny Fiangonana dia fiombonan’ny olomasina satria olomasina no miaraka ao, ary satria zavatra masina no ifampizaràna ao : ny fitiavan’Andriamanitra izay nasehon’i Kristy antsika sy ny fanomezana rehetra avy aminy. Anisan’ireny koa ny valinteny avy amin’ireo rehetra nanaiky hoentanin’izany fitiavana izany. Ao amin’ny fiombonan’ny olona masina sy ny fifampizaràna ny zavatra masina dia tsy misy manana zavatra samirery, ary izay ananana dia iombonana. Ary satria mitambatra ao amin’Andriamanitra isika, noho izany dia afaka manao zavatra na dia ho an’izay lavitra antsika aza, na dia ireo tsy ho voavonjintsika amin’ny herin’ny tena samirery aza, satria mivavaka miaraka amin’izy ireo sy ho azy ireo ao amin’Andriamanitra, ka afaka miara-manatontosa ny asam-pamonjena.

2. “Aiza ny rahalahinao?” (Jen 4, 9) – Ny paroasy sy ny fikambanana

Tsy maintsy velona ao amin’ny fiainan’ny paroasy sy ny fikambanana kristianina ny fampianaran’ny Fiangonana. Tsapa eo anivon’ireny seha-piainan’ny Fiangonana ireny tokoa ve ny maha-vatana iray ny mpikambana rehetra ? Vatana iray izay mandray sy mizara ny fanomezana rehetra irin’Andriamanitra atolotra ? Vatana iray mahalala sy mikolokolo izay rantsana tena osa, tena mahantra sy tena madinika ? Sa kosa isika mialokaloka ao ambany fitiavana feno nofinofy varian’ny lavitra fa tsy mahita akory ilay Lazara eo ambany maso, mipetraka eo am-baravarantsika mihidy ? (jereo Lk 16, 19-31).

Mba handraisana sy hamokarana tanteraka ny fanomezan’Andriamanitra, dia tsy maintsy mihoatra ny soritry ny Fiangonana hita maso isika. Izany hoe, miombona amin’ny Fiangonana any an-danitra amin’ny alalan’ny fivavahana. Rehefa mivavaka ny Fiangonana eto an-tany dia misy fiombonan’asa sy fiombonam-pahasoavana tonga hatreo anatrehan’Andriamanitra. Miaraka amin’ireo olomasina izay efa henika an’Andriamanitra, ao anatin’izany fiombonana izany isika no maharesy ny tsy firaharahiana amin’ny alalan’ny fitiavana.

Tsy hoe feno voninahitra ny Fiangonana any an-danitra satria efa tsy miaina ny fahorian’ny tany intsony ka mifaly samirery. Tsia. Afaka mifaly sy miravo ny olomasina satria, noho ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesoa ho velona dia resin’izy ireo ny tsy firaharahiana ny hafa, ny hamafisan’ny fo, ny fankahalàna. Raha tsy mbola mandresy eto an-tany izany fitiavana izany dia miaraka amintsika izay mbola an-dalam-pivahiniana hatrany ny olomasina. I masimbavy Terezy avy any Lisieux, mpampianatry ny Fiangonana, izay resy lahatra fa ny haravoan’ny Lanitra vokatry ny fandresen’ny fitiavana voahombo dia tsy feno raha mbola misy olona iray monja mijaly sy mitaraina eto an-tany, dia nanoratra hoe : “Tsy mihevitra ny hipetra-potsiny aho any an-Danitra, ny faniriako dia ny hiasa hatrany ho an’ny Fiangonana sy ho an’ireo fanahy.” (Taratasy 254, 14 jolay 1897).

Isika koa dia mandray anjara amin’ny fahamendrehana sy ny hafalian’ny olomasina ary izy ireo dia mandray anjara amin’ny tolona sy ny faniriantsika filaminana sy fifankazahoana. Ny fahasambaran’izy ireo mianoka ny fandresen’i Kristy tafatsangan-ko velona dia mankahery antsika hihoatra ny endrika rehetra isehoan’ny tsy firaharahiana ny hafa sy ny fahidian’ny fo. Etsy andaniny, ny fikambanana tsirairay dia antsoina handingana ny tokonana manasaraka azy amin’ny fiaraha-monina manodidina sy amin’ny mahantra ary amin’ireo lavitra. Ny Fiangonana dia voaantso ho mpitondra hafatra, tsy mihidy aman-trano, fa irahina amin’ny olona rehetra. Izany iraka izany dia ny fitozoana hanambara eo amin’ny fiainana ho an’izay maniry hivimbina ny fahalemen’ny olombelona sy ny olona tsirairay mihitsy eo anatrehan’ny Ray. Izany iraka izany dia manambara fa tsy mety mangina ny fitiavana. Manaraka ny lalan’i Jesoa Kristy izay mizotra any amin’ny olona rehetra ny Fiangonana, hatrany am-paravazantany (jereo Asa 1,8). Hitantsika ao amin’ireo manodidina antsika araka izany ilay rahalahy, ilay rahavavy, izay namoizan’i Kristy aina sy nitsanganany ho velona. Izay azontsika rehetra dia ho azy ireo ihany koa. Toraka izany, izay ananan’izy ireo dia fanomezana ho an’ny Fiangonana sy ho an’ny olombelona rehetra.

Ry rahalahy sy anabavy malala, maniry tokoa aho raha maniry mba ho nosin’ny fifampitsinjovana eo an-dranomasin’ny tsy firaharahiana ny toerana rehetra anehoana ny Fiangonana, indrindra ny paroasintsika sy ny fikambanantsika !

3. “Tazomy mafy” (Jak 5,8) – Ny mpino tsirairay

Na isika tsirairay aza dia voasarika hiolonolona eo anatrehan’ny fahorian’ny hafa. Hetsaky ny filazam-baovao sy ny sary mampivarahontsana mitantara ny fijalian-draolombelona isika no sady mivala-ketraka ho tsy afa-manoatra. Inona no hatao tsy ho rendrik’izany tadion’ny tahotra sy ny fahalemena izany ?

Voalohany dia afaka miombom-bavaka amin’ny Fiangonana hita maso sy ny Fiangonana tsy hita maso isika. Aza hamaivanina ny herin’izany vavaka ataon’olona sesehena izany ! Ny fikasàna 24 ora ho an’ny Tompo izay antenaiko fa hotanterahin’ny Fiangonana rehetra, hatrany amin’ny diosezy, ny 13 sy 14 martsa, dia maneho fa ilaina ny vavaka.

Manaraka izany, afaka maneho fitiavana isika, na ho an’ny akaiky na ho an’ny lavitra, amin’ny alalan’ny fanampiana tanterahin’ireo vondrona mpanao asa soa maro ao anivon’ny Fiangonana. Ny Karemy dia fotoana tsara hanehoana ny fitsinjovana ny hafa amin’ny alalan’ny fihetsika, na kely aza saingy azo tsapain-tanana, fa iray fianakaviambe ny olombelona.

Ary farany, ny fijalian’ny hafa dia antso hiovàna fo satria mampatsiahy indray ny fahalemen’ny fiainako, ny fiankinan-doha amin’Andriamanitra sy ireo namana. Raha mangataka amim-panetrentena ny fahasoavan’Andriamanitra isika ka manaiky fa voafetra ihany ny fahafaha-manao zavatra, dia hatoky fa tsy misy fetra ao amin’ny fitiavany feno fatra. Ho voatohitra ny fakam-panahy izay mamitaka antsika ho mahavonjy tena no sady mahavonjy ny tontolo samirery.

Mba hanalavirana ny tsy firaharahiana sy ny fieboana ho mahavita zavatra, mangataka amin’ny rehetra aho mba ho fotoam-piofanan’ny fo ity Karemy ity, araka izay nolazain’i Benoît 16 (jereo Ansiklika Deus caritas est, lah. 31). Ny manana famindram-po dia tsy milaza hoe manana fo osa. Izay te ho be famindram-po dia tsy maintsy manana fo matanjaka, mahery, mihidy ho an’ny mpaka fanahy saingy misokatra amin’Andriamanitra. Fo manaiky hitsofohan’ny Fanahy sy hoentina amin’ny lalam-pitiavana mankany amin’ireo iraitampo. Fo tsotra miaiky ny fahantrany sy mitsinjo ny hafa.

Noho izany, ry rahalahy sy anabavy malala, maniry hiara-mangataka aminareo amin’i Kristy aho amin’izao Karemy izao : “Fac cor nostrum secundum cor tuum” : “Ataovy manahaka ny fonao ny fonay” (litanian’ny Fo Masin’i Jesoa). Dia mba hanana fo matanjaka sy feno fiantrana, fo mahatsinjo sy feno fitsimbinana, tsy mikainkona samirery sy misangodi-panina ao anatin’ny fanatontoloan’ny tsy firaharahiana ny hafa.

Izany no firariako, ary mivavaka ho anareo aho mba hamokatra ho an’ny mpino sy ny fikambanana tsirairay ny fizorana amin’ny Karemy. Mangata-bavaka aminareo koa aho. Hitso-drano anareo anie ny Tompo ary hiambina anareo anie i Maria Virjiny.

Avy eto Vatikana, ny 4 oktobra 2014, fetin’i masindahy François avy any Asizy.

(Dikan-teny ho an'ny katolika.org: Ignace Rasolo)

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0633 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org