Hafatry ny Papa ho amin'ny FIANTSOAN'ANDRIAMANITRA

Nampiditra : harilova
Daty : 07/05/2009

 

 

Alahady faha-efatra Fankalazana ny Paka

Hafatry ny Papa Ray Masina ho an’ny andro iraisam-pirenena faha-46 hivavahana manokana ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra.

“ny fitokiana amin’ny fiantsoan’Andriamanitra sy ny valin-tenintsika olombelona”

Ry rahalahy Eveka sy pretra hajaina, ianareo rahalahy sy anabavy malala rehetra,

An-katrok’izao andro iraisam-pirenena hivavahana ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra ho pretra sy relijiozy izao, dia mahafaly ahy ny manentana ny vahoakan’Andriamanitra manontolo handinika manokana ny lohahevitra mikasika ny fitokisantsika ny fiantsoan’Andriamanitra sy ny valy omentsika olombelona. Manakoako mandrakariva ao amin’ny Fiangonana ny fanentanan’i Jesoa ny Mpianany : “Angataho ary ny Tompom-bokatra haniraka mpiasa ho an’ny sahany” (Mt 9, 38) Mivavaha! Izany antsoavo nataon’ny Tompo izany dia manamafy fa mila mivavaka lalandava sy am-pinoana ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra isika. Midika izany fa ao anatin’ny fiainam-bavaka ihany no hahafahan’ny ankohonam-piainana kristiana mitoky sy manantena ny fiantsoan’Andriamanitra.

Ny Fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy ho amin’ny fiainana voatokana manko dia fanomezana manokana avy Aminy, atolony ny tsirairay araka ny haben’ny fitiavana entiny mamonjy ny olon-drehetra. I Md Paoly izay ankalazaintsika amin’ity taona ity ny faha-roa arivo taonan’ny nahaterahany dia mampahatsiaro antsika ao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny Efezianina fa “Andriamanitra, rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nitsodrano antsika tao amin’i Kristy tamin’ny tsodrano rehetra ara-panahy any an-danitra, sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao mba ho masina sy tsy hanan-tsiny eo anatrehany isika amin’ny fiainana ny fitiavana” (Ef 1, 3-4) Ao anatin’ny Fiantsoana milolohalanitra ho amin’ny fahamasinana àry dia sitrak’Andriamanitra ny hiantso ny sasantsasany hanara-dia akaiky kokoa an’i Kristy mba ho tonga Mpanompo sy Vavolombelony manokana. Ilay Mpampianatra Masina Izy tenany mihitsy moa no niantso ny Apostoly sy nametra-tanana tamin’izy ireo mba “hiara-hitoetra Aminy sy hirahiny hitory teny, sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony” (Mk 3, 14-15); Izy ireo kosa indray nampian’ireo mpianatra hafa, zary mpiara-miasa mahatoky amin’izany asa fanirahana izany. Tahaka izany koa ireo pretra sy relijiozy marobe nandritra ny taonjato mifandimby, sady mamaly ny antson’ny Tompo no manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina ka manaiky hirotsaka eo anivon’ny Fiangonana, hahafoy tena manontolo hiasa ho fanompoana ny Evanjely. Mahavelom-pisaorana an’Andriamanitra izany, noho Izy mbola manohy miantso mpiasa ho an’ny sahany. Ka na dia eo aza ny tebiteby ateraky ny tsy fahampiana pretra amin’ny faritra sasany, ankoatra ireo olana sy vatomisakana tsy maintsy hatrehin’ny Fiangonana, diat sy miozongozona kosa ny finoana fa Izy Tompo no mitantana antsika ho amin’ny hafenoan’ny Fanjakany, araka ny fandaharam-pitiavany izay tsy azon’ny saintsika akory vinavinaina, Izy no mifidy sy miantso an-kalalahana olona avy amin’ny kolontsaina sy ny taona rehetra, hanara-dia Azy.

Adidintsika mialoha ny zavatra rehetra ny mivavaka lalandava mba ho voatahiry hivaivay ny hafanam-po hitalaho amin’Andriamanitra hiantso olona hanara-dia Azy eo anivon’ny Fianakaviantsika, eo anivon’ny Paroasy, ao amin’ny fikambanana masina mikatroka ho herivelon’ny fiangonana, eo anivon’ny ankohonam-piainan-drelijiozy sy amin’ireo sampan-daharaha rehetra mamelona ny Diosezy. Mila mivavaka isika mba hitombo amin’ny fitokisana an’Andriamanitra ny vahoaka kristianina manontolo, ka hiaiky fa tsy hitsahatra hiantso olona hanolo-tena ankahalalahana hiara-miasa Aminy amin’ny asam-pamonjena ilay “Tompom-bokatra”. Ary hivavaka koa mba hananan’ireo izay mamaly ny antso fahavononana sy finiavana hiaino sy handinika ary hanatanteraka ny fandaharan’Andriamanitra, ka handalina marina tokoa izay mampiavaka ny fiantsoana ho pretra sy relijiozy mba hananana toe-piainana mifandraika amin’izany. Ny antso an-kahalalahana ataon’Andriamanitra manko, hoy ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mampahatsiaro antsika, dia mitaky valy an-kahalalahana koa avy amintsika olombelona. Ny Famaliana ny antso araka izany dia fanekena ny fandaharan’Andriamanitra ho an’ny tsirairay, ka mitaky fitondran-tena mifanandrify amin’izany, ka sady velom-pisaorana midera an’Andriamanitra no vonona tanteraka hiara-miasa Aminy handavorary ny fandaharany.

Ny fitokisana amin’Andriamanitra izay miantso antsika mialoha izany no mamolavola sy mampisy lanjany ny valy ataontsika olombelona; manampy antsika hahazo izany ny Fibanjinana ny Misterin’ny Eokaristia, izay manambara amintsika ny nahafoizan’Andriamanitra Ray maimaimpoana ny Zanany Lahitokana hamonjy ny olombelona, fa indrindra maneho koa ny fahavononan’i Kristy hisotro hatramin’ny farany ilay “kalisy” mirakitra ny sitrapon’ny Ray (Mt 26,39). Ao amin’ny Eokaristia no ankalazantsika an’i Kristy manaiky an-tsitrapo hatao sorona hamonjy ny olombelona, ilay fanomezana lavorary manatanteraka ny fandaharam-pitiavana ho fanavotana izao tontolo izao. Ny Fiangonana, hoy i Joany Paoly II, dia nandray avy amin’i Kristy Tompony ny Eokaristia, tsy hoe fanomezana fe fanomezana ao anatin’ny maro, fa ilay fanomezana sarobidy indrindra, satria ny Tenany mihitsy sy ny maha-olombelona azy miaraka amin’ny asam-pamonjena no natolony ho antsika.

Mba hanohizana izany misterim-pamonjena izany amin’ny taona rehetra, mandra-piverin’Izy Tompo am-boninahitra, no hilana ny pretra, ka ao amin’ny Eokaristia no hibanjinana ny modely tapitr’ohatra amin’ny famaliana am-pitokiana ny antson’Izy Ray. I Kristy mihitsy manko no miasa ao amin’ireo nofidiany ho Mpanompony amin’ny Sorona Masina, ka manohana azy ireo mba ho feno fitokisana sy ho velom-pisaorana mandrakariva, handresy ny tahotra, indrindra anie rehefa manonja iny ny fahatsapana ny fahalemena sy ny fetran’ny tena (Rm 8, 26-30) ka mangidy ny tsy fifankahazoana izay mety ho tonga hatramin’ny fanenjehana (Rm 8,35-39).

Ny fahatsapana fa navotan’ny Fitiavan’i Kristy, isaky ny mankalaza ny Sorona Masina, dia mamelona ao am-pon’ny Kristianina, fa indrindra ny Pretra, ny fitokisana tanteraka amin’i Kristy izay nahafoy ny aina ho antsika. Raha mino ny Tompo isika ka manaiky handray ny fanomezana atolony antsika, dia mazàva loatra fa hitoky aminy bebe kokoa hatrany ary hahafoy tena hanatanteraka ny fitiavany hamonjy izao tontolo izao. Amin’izay dia handao ny zavatra rehetra an-tsitrapo ka haka tahaka ilay Mpampianatra Masina. Izay no mampamokatra ny famaliana ny antson’Andriamanitra ho antsika olombelona, satria zary fihaonan’ny fitiavana izay miantso sy ny fahafahan’ny olombelona izay mamaly am-pitiavana, ka hahatsiaro mandrakariva ny tenin’i Jesoa hoe : “Tsy ianareo no fifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo sy haharetan’ny vokatrareo” (Jn 15, 16)

Izany fifamatoram-pitiavana amin’ny antson’Andriamanitra sy ny valintenin’olombelona iznay dia azo tarafina ao amin’ny fiainana voatokana ihany koa. Hoy ny Konsily Vatikana II “ireo torohevitry ny vaovao mahafaly, izany hoe ny fahadiovana natokana ho an’Andriamanitra izany, ny fahantrana sy ny fanekena, satria moa eo ny teny sy ny ohatra navelan’ny Tompohanamarim-pototra azy, sy ireo Apostoly sy Aban’ny Fiangonana amam-pampianatra sy mpiandry ondry namporisika, dia fanomezana avy amin’Andriamanitra, noraisin’ny Fiangonana avy amin’ny Tompo, ary ianteheranay Aminy ny hitehirizana azy hatrany” (LG 43). Dia averina indray fa i Kristy no modely halain-tahaka amin’ny fitokisana tanteraka sy ny fanatanterahana am-pinoana ny sitrapon’ny Ray, ka hifantohan’ny fijerin’ireo olona manoka-tena. Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana Kristianina, firifiry ireo olona babon’i Kristy ka mandao ny fianakaviana, ny fananana sy ny harena mandalo izay mety irin’ny fon’olombelona, ka nahafoy tena hanara-dia an’i Kristy sy hiaina am-pahamarinana tokoa araka ny Evanjely, izay zary fianarana hanovozana ny Fahamasinana. Mandraka ankehitriny dia misy ireo te hanaraka izany fahalavorariana araka ny Vaovao Mahafaly izany, ka manatanteraka izany amin’ny Fanononana ireo voady araka ny torohevitry ny Evanjely. Ny fijoroan’ireo rahalahy sy anabavy ireo ho vavolombelona, na amin’ny fiainana mihiboka atokana ho amin'ny vavaka (sy fibanjinana) na ireo fikambanana mikatroka amin’ny apostolà isan-karazany, dia mampahatsiaro ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo fa ny misterin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia efa santarintsika eo anivon’ny tantara, saingy miandry ny hafenoany any an-danitra.

Iza anefa no afaka hiambo ho mendrika hiantsoroka ny fanompoana maha-Mpisorona? Iza no afaka hiaina ny Fiainana voatokana ka hitoky amin’ny herin’ny tenany irery? Dia averina indray, ary tsara ny manamafy satria tsy hoe fiekena fotsiny fa avy amin’Andriamanitra ny antso fa fahatsapana koa hoe Izy no manatanteraka hatramin’ny farany ny fikasany hamonjy ny olombelona, hany ka izay mamaly ny antson’Andriamanitra dia tsy hatahotra tahaka ilay mpanompo kamo ka nandeha nandevina ny talenta nankinina aminy (Mt 25, 14-30) fa kosa ho vonona mandrakariva hihaino ny baikon’ny Tompo, ary tsy hiambahamba handrotraka indray ny harato, tahaka ny nataon’i Md Piera, mitoky amin’ny Tenin’izy Tompo eny fa na dia nandamòka aza ny fisasarana tontolo alina (Lk 5,5). Tsy hoe manafoana ny andraikitra manokana sanatria izany famaliana an-kalalahana izany fa fiaraha-miantsoroka amin’Andriamanitra, maha-tompon’andraikitra ao sy miaraka amin’i Kristy, entanin’ny herin’ny Fanahy Masina, ka zary fiombonana marina tokoa amin’ilay hany afaka mampamokatra ny ezaka ataontsika. (Jn 15,5)

Ilay Amen feno sy lavorary tanteraka nataon’ilay Virjiny tao Nazareta tamim-kalalaham-po sy fanetren-tena, tamin’ny fanekena tanteraka ny sitrapon’ilay Avo indrindra nampahafantarin’ilay Iraka avy any an-danitra azy no fitaratry ny valintenintsika olombelona, mamaly am-pitokisana an’ilay niantso antsika. Ny “Eny” navaliny ampahavononana no nahamendrika azy ho tonga Renin’Andriamanitra, ho Renin’ny Mpamonjy. Saingy tsy azo adinoina fa taorian’izay “eny” voalohany izany dia mbola namerimberina ny “eny” im-betsaka i Maria, hatramin’ny nijoroany teo am-pototry ny hazofijaliana, tamin’i Jesoa nofantsihana, mba hiombonany anjara amin’ny fijaliana mahatahotra niaretan’ilay Zanany tsy manantsiny. Ary teo ambony Hazofijaliana indrindra no nanoloran’i Jesoa azy ho Renintsika sy nanokanany antsika ho zanany (Jn 19, 26-27), i Maria ilay Reny manokana ho an’ny Pretra sy ny olom-boatokana. Izany no iriko hanankina aminy ireo olona maheno ny antson’Andriamanitra ka mindran-dalana ho amin’ny fianam-panompoana amin’ny maha-pretra sy relijiozy.

Ry hava-malala, aoka tsy hahakivy anareo ny hamafin’ny sedra sy ny mety ho fisalasalana, mahatokisa an’Andriamanitra ary araho an-kitsi-po i Kristy, aoka ianareo ho vavolombelon’ny hafaliana miboiboika avy amin’ny fiombonana aminy tanteraka. Tahaka an’i Maria ilay mino ka antsoin’ny taranaka rehetra hoe sambatra (Lk 1,48), dia misikìna herim-panahy handavorary ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra Ray, ka hikolokolo ao am-ponareo, tahaka an’i Masina Maria, ny fahafahana migaga sy mitsaoka an’ilay Nahavita zava-dehibe satria Masina no anarany (Lk 1,49).

Vatikano 20 janoary 2009

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1201 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org