Hafatry ny Papa Karemy 2013

 

Mino anatin’ny fitiavana mahatonga ny fitiavana

Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika” (1 Jo 4, 16)

 

Ry rahalahy sy anabavy malala,

ny fankalazana ny karemy, anatin’ny “taonan’ny finoana”, dia manolotra fotoana sarobidy mba hieritreretana momba ny fifandraisan’ny finoana sy ny fitiavana: anatin’ny finoana an’Andriamanitra, amin’ny Andriamanitr’i Jesoa Kristy, sy ny fitiavana izay vokatry ny asan’ny Fanahy Masina, izay mitarika antsika amin’ny lalan’ny  fanokanan-tena amin’Andriamanitra sy ny amin’ny hafa.

 

1-      Ny finoana toy ny valin-teny amin’ny fitiavan’Andriamanitra.

 

Tamin’ny Ansiklika nosoratako voalohany, dia efa natolotro ny singa maromaro mba hahazoana ny fifandraisana akaiky amin’ireto hatsaram-panahy teolojika roa ireto, dia ny finoana sy ny fitiavana. Miainga avy amin’ny fanamafisan’i Md Joany Apostoly: “Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika” (1 Jo 4, 16), tiako ampatsiahivina fa hatrany am-piandohana ny maha-kristianina, dia tsy fanapahan-kevitra ara-pitondran-tena na firehan-kevitra lehibe, fa fihaonana miaraka amin’ny zava-miseho, miaraka amin’ny Olona iray, izay manolotra amin’ny fiainana ny fomba fijery vaovao ary maka fanapahan-kevitra entitra... Toa an’Andriamanitra izay efa nitia antsika mialoha  (1 Jo 4, 10), ny fitiavana dia tsy didy ihany, fa valin-teny amin’ny fitiavana asehon’Andriamanitra tonga mihaona amintsika  (Deus caritas est, n°1). Ny finoana no mamorona ny fankatoavana samirery, voafaoka amin’izany - ny maha-izy antsika – amin’ny fanambarana ny fitiavana maimaim-poana sy mirehidrehitra nitiavan’Andriamanitra antsika sy miseho miharihary amin’i Jesoa Kristy; ny fihaonana miaraka amin’Andriamanitra Fitiavana dia miantso tsy amin’ny fo ihany  fa amin’ny fanahy koa: “ny fanekena an’Andriamanitra velona dia lalana iray mankamin’ny fitiavana ary ny eny avy amin’ny sitrapontsika anatrehany dia mampiray ny saina, ny sitra-po, ary ny fihetseham-po anatin’ny asam-pitiavana tanteraka. Izany dingana izany tamin’izay dia mihetsika sy mivoatra mandrakariva : satria ny fitiavana dia tsy mety tomombana na feno (ibid, n° 17). Avy amin’io no mahatonga ny kristianina, indrindra ho an’ny olona miandraikitra ny asa fanompoana ara-pitiavana, mila ny finoana sy “ny fihaonana miaraka amin’Andriamanitr’i Jesoa Kristy, izay miteraka ao amin’izy ireo ny fitiavana sy manokatra ny fanahiny amin’ny hafa, hany ka ny fitiavan’izy ireo ny hafa dia tsy fanerena avy ety ivelany, fa vokatry ny finoany izay manana-kery anatin’ny fitiavana” (ibid, n°31°). Ny Kristianina dia olona babon’ny fitiavan’i Kristy ary mihetsika noho ny fitiavana “teren’ny fitiavan’i Kristy izahay” (2 Kor 5, 14), misokatra amin’ny fomba miharihary sy lalina  amin’ny fitiavana ny hafa (ibid, n° 33). Ity fihetsika ity teraka talohan’ny fahalalana fa tiana, sy voavela, ary tompoin’ny Tompo, izay miondrika manasa ny tongotry ny Apôstoly sy nanolo-tena teo ambony Hazofijaliana mba hisarika ny olon-drehetra ho amin’ny fitiavan’Andriamanitra.

            “Ny finoana dia mampiseho amintsika fa Andriamanitra dia nanolotra ny Zanany ho antsika sy mahatonga ao amintsika ny fahamarinan’ny fandreseny izay tena marina tokoa: Andriamanitra dia Fitiavana... Ny finoana, no mahatonga antsika hahalala ny fitiavan’Andriamanitra  izay nambarany tamin’ny fon’i Jesoa notreboniny teo ambonin’ny Hazofijaliana, sy miteraka fitiavana amin’ny fotoany. Fahazavana izy, ary izany tokoa, izay manilo tsy ankijanona amin’ny fomba vaovao ny tontolo anatin’ny haizina sy manome antsika  hery hivelomana sy hiasana” (ibid, n° 39). Izany rehetra izany dia mampahazo antsika ny fihetsika fototra izay mampiavaka ny kristianina indrindra amin’ny fitiavana mifototra amin’ny finoana sy voavolavolany” (ibid, n° 7).

 

2-      Ny fitiavana toy ny aina anatin’ny finoana.

 

Ny fiainana kristianina manontolo dia valin-teny amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Ny valin-teny voalohany indrindra dia ny finoana, toy ny fandraisana, feno figàgàna (fahatalanjonana) sy fankasitrahana, amin’ny fanombohan’Andriamanitra asa tsy manam-paharoa izay mialoha sy miantso antsika. Ary ny “eny” avy amin’ny finoana dia manamarika ny fiantombohan’ny tantara amirapiratan’ny ny fisakaizana  amin’ny Tompo, izay mameno sy manolotra ny heviny feno amin’ny fisiany. Nefa Andriamanitra dia tsy afa-po amin’ny fandraisantsika ny fitiavany maimaim-poana. Tsy mitsahatra mitia antsika Izy, nefa tiany ny misarika antsika miaraka ho any Aminy, manova antsika amin’ny fomba lalina hany ka afaka miteny miaraka amin’i Md Paoly : tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato  amiko (Ga 2, 20).

Rehefa avelantsika ny toerana ho an’ny fitiavan’Andriamanitra, dia tonga mitovy Aminy isika, mandray anjara amin’ny fitiavany tokoa. Ny fisokafantsika amin’ny fitiavany dia midika fa manaiky ny hivelomany ao amintsika, sy hanaiky ho tarihany  hitia miaraka Aminy, sy ao Aminy ary ho toa Azy; ny finoantsika araka izany dia tonga hisy vokany  noho ny fitiavana (Ga 5, 6) sy ny fonenany ao amintsika (1 Jo 4, 12).

Ny finoana, dia ny fahalalana ny marina sy ny fanekena azy (1 Tim 2,4); ny fitiavana, dia “mizotra” anatin’ny marina (Ef 4,15). Miaraka amin’ny finoana, dia miditra anatin’ny fisakaizana amin’ny Tompo; miaraka amin’ny fitiavana, dia miaina sy mamboly io fisaikaizana io (Jo 15, 14sns). Ny finoana no mahatonga antsika handray ny didin’ny Tompo sy mpampianatra ; ny fitiavana  no manome antsika ny hasambarana sy hampihantra izany (Jo 13, 13-17. Teraka ho zanak’Andriamanitra anatin’ny finoana isika (Jo 1, 12 sns); ny fitiavana no mahatonga antsika maharitra amin’ny fomba (azo tsapain-tanana sy hita maso) ny maha-zanak’Andriamanitra eo am-pitondrana ny vokatry ny asan’ny Fanahy Masina (Ga 5, 22). Ny finoana no mampahafantatra antsika ny fanomezana izay nankinin’Andriamanitra tsara fo sy malala-tanana amintsika; ny fitiavana no mampamokatra azy ireo (Mt 25, 14-30).

 

3-      Fatorana tsy azo sarahina ny finoana sy fitiavana

 

Araka ny voalaza teo, dia miharihary mazava tsara izay tsy azontsika sarahina, jereo ny finoana sy ny fitiavana. Ireto hatsaram-panahy roa ireto dia mifandray akaiky dia akaiky ary fahadisoana ny fifanoherana na “hevitra tsy mitovy”. Vokany, amin’ny lafiny iray, ny hetsika ny iray izay asiana tsindrim-peo loatra amin’ny maha aloha azy sy ny toetra entitra ananan’ny  finoana amin’ny fanambaniana na fanaratsiana ny asan’ny fitiavana sy mampihena  ny asa maha olona amin’ny ankapobeany, dia voafetra. Nefa amin’ny lafiny iray dia voafetra koa ny fanohanana ny fanamboniana tafahoatra ny fitiavana sy ny asany, eo am-pieritreretana fa ny asa dia misolo ny finoana. Ho an’ny fiainam-panahy salama, dia ilaina ny mandositra  amin’ny fiankinan-doha be fahatany amin’ny finoana toy ny fientana-miasa momba ny fitsipi-pitondran-tena (ara-moraly).

Ny fisiana maha-kristianina dia mifototra amin’ny fiakarana mitohy amin’ny tendrombohitra fihaonana amin’Andriamanitra  mba hidina indray avy eo mitondra ny fitiavana sy ny hery avy amin’izany, amin’ny fanompoana ny rahalahy sy ny anabavy amin’ny fitiavana efa nitiavan’Andriamanitra. Ao amin’ny Soratra Masina no ahitantsika ny zotom-pon’Apôstoly amin’ny fitoriana ny Evanjely izay mahatonga ny finoana mifandray akaiky amin’ny asam-pitiavana fanompoana ny mahantra (Asa 6, 1-4). Anatin’ny Fiangonana, ny fibanjinana (fivavahana) sy ny asa, dia aseho an-tsary ny amin’ny endrik’Maria sy  Marta mirahavavy araka ny Evanjely, tsy maintsy miara-miaina sy miray tanteraka ireo (Lk 10, 38-42). Ny fialohavana dia mandeha aloha amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny fifampizarana araka ny Evanjely izay  tsy maintsy miorim-paka anatin’ny finoana (Catéchèse lors de l’Audience générale du 25 avril 2012). Indraindray, dia miandry satria mba mamaritra ny fiteny momba ny “fitiavana” amin’ny firaisan-kina na fanampiana tsotra araka ny maha-olona. Ho setrin’izany dia zava-dehibe ny mampatsiahy fa ny lehibe indrindra amin’ny fitiavana dia ny fitoriana ny Evanjely, izany hoe: “manompo ny Tenin’Andriamanitra”. Tsy misy asa mahasoa, sy asa fiantrana, manoloana ny hafa afa-tsy ny famakiana ny mofon’ny Tenin’Andriamanitra, mampandray anjara azy amin’ny Vaovao Mahafaly araka ny Evanjely, mampiditra azy amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra: ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly dia fampivoarana ambony indrindra sy feno tanteraka ny maha-olona. Toa izay voasoratry ny Mpanompon’Andriamanitra ny Papa Paoly VI tao anatin’ny Ansiklika (Taratasy fampianarana) Populorum progressio, ny voalohany sady anton-javatra fototry ny fampandrosoana dia ny fanambarana an’i Kristy (jereo n° 6). Io no marina voalohan’ny fitiavan’Andriamanitra ho antsika, iainana sy ambara, izay manokatra ny fisiantsika  handray  io fitiavana io sy ho tonga fampandrosoana tanteraka ny maha-olona sy ny olon-drehetra. (Ansiklika Caritatis in veritate, n°8).

Raha bangoina amin’ny teny fohy, dia miainga amin’ny fitiavana ny zavatra rehetra ary mankamin’ny fitiavana. Ny fitiavan’Andriamanitra maimaim-poana dia efa nampitaina tamintsika tamin’ny alalan’ny fanambarana ny Evanjely. Raha mandray azy am-pinoana isika, dia mandray iry voalohany sy tsy azo avela, ny fihaonana miaraka amin’ilay Nahary ka afaka isika “mitia ny Fitiavana”, ary afa-mitoetra sy mitombo anatin’ny Fitiavana sy mampita azy amin’ny hafa.

Mikasika ny fifandraisan’ny finoana sy ny asam-pitiavana, fomba fiteny iray ao amin’ny taratasy nosoratan’i Md Paoly ho an’ny kristianina tany Efezy dia voafehy sy voafintina toy izao ny fifandraisan’izy ireo amin’ny fomba tsara kokoa: “Eny, fahasoavana no namonjena anareo noho ny finoana, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra: tsy avy amin’ny asa izany, fandrao misy mirehareha. Fa asan’Andriamanitra isika, ary zava-noarîny tao amin’i Kristy Jesoa, mba hanao ny asa soa voaomany rahateo hataontsika” (Ef 2, 8-10). Tsapantsika eto fa ny finiavana hamonjy dia avy amin’Andriamanitra, ny Fahasoavany, ny famelana avy aminy raisina am-pinoana; nefa io finiavana io dia lavitra ny fetran’ny fahafahantsika sy ny andraikintsika, fa mahatonga ho marina ahay  sy hampirona azy amin’ny asam-pitiavana. Ireo dia tsy vokatry ny ezaka maha-olona fotsiny, izay hilana dera na hitadiavana voninahitra, fa ateraky ny finoana ihany, amirapiratan’ny Fahasoavana izay omen’Andriamanitra be dia be. Ny finoana tsy misy asa dia toy ny hazo tsy misy voany: ireo hatsaram-panahy roa ireo dia mifampiankina tanteraka. Ny fotoanan’ny Karemy  dia miantso antsika indrindra amn’ny fanondroana araka ny lovan-tsofina ho an’ny fiainana kristianina, mba hamahana ny finoana amin’ny alalan’ny fihainoana am-pitandremana sy mitohy ny Tenin’Andriamanitra ary ny fandraisan’anjara amin’ny Sakramenta, sy, ary anatin’ny fotoana iray, dia mitombo anatin’ny fitiavana, anatin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny hafa, sahala amin’ny fanondroana mazava mikasika ny fifadian-kanina, sy ny fivalozana (fibebahana), ary ny asa fiantrana.

 

 

4-      Voalohany aloha ny finoana, lohalaharana koa ny fitiavana.

 

Toy ny fanomezan’Andriamanitra rehetra, finoana sy fitiavana manohy ny asan’ny Fanahy Masina manokana, io Fanahy io no nirahin’Andriamanitra ho ao am-pontsika mahatonga antsika hiantso hoe : “Aba, Ray!” (Gal 4, 6), sy ahafahantsika milaza hoe: “I Jesoa no Tompo” sy “tongava Ianao Jesoa Tompo!” (1 Kor 16, 22; Ap 22, 20).

Ny finoana , fanomezana sy valin-teny,  no mampahalala antsika  ny fahamarinan’i Kristy  toy ny Fitiavana tonga nofo sy voafantsika, fanekena tanteraka sy lavorary ny sitrapon’Andriamanitra sy ny indrafon’Andriamanitra manoloana ny hafa; ny finoana dia miorim-paka anatin’ny fo sy anatin’ny fanahy feno finiavana na marimarina kokoa ny Fitiavana dia fandresena tokana manoloana ny ratsy  sy ny fahafatesana. Ny finoana no manasa antsika hijery ny ho avy miaraka amin’ny lalan’ny fanantenana, anatin’ny fiandrasana matoky ny fandresen’ny fitiavn’i Kristy mihazo ny fahafenoana. Etsy ankilany, ny fitiavana no mampiditra antsika anatin’ny fitiavan’Andriamanitra miseho amin’i Kristy, mahatonga antsika manaraka amin’ny fomba manokana sy ny zava-misy amin’ny fanoloran-tena tanteraka sady tsy ankanavaka amin’i Jesoa  amin’ny Rainy sy ny amin’ny rahalahy. Efa nomena antsika ny fitiavana, ny Fanahy Masina dia mampandray anjara antsika amin’ny fanomezana manokana avy amin’i Jesoa: zanaka Izy anatrehan’Andriamanitra ary rahalahy  ho an’ny  olona tsirairay (jereo Rm 5, 5)

Ny fifandraisana misy amin’ireo hatsaram-panahy roa ireo dai mitovy amin’ny sakramenta roa lehibe ao amin’ny Fiangonana: ny Batemy sy ny Eokaristia. Ny Batemy  (sakramentan’ny finoana) dia mialoha ny Eokaristia (sakramentan’ny fitiavana), nefa ity farany ity dia mirona mankany amin’iry voalahony izay mitambatra ho fahafenoana amin’ny lalam-piainana kristianina. Amin’ny fomba mitovy sy mifanahaka, ny finoana dia mialoha ny fitiavana, nefa miseho miharihary tsotra izao raha voahaingon’ny fitiavana. Miainga amin’ny fahaiza-mandray ny finoana izany (mahay tian’Andriamanitra), nefa tsy maintsy tonga amin’ny fahamarinan’ny fitiavana  (mahay mitia an’Andriamanitra sy ny hafa), ary mitoetra mandrakariva, toy ny fahantanterahan’ny hatsaram-panahy rehetra.

 

Ry rahalahy sy anabavy malala, amin’izao fotoanan’ny karemy izao, izay hiomanantsika hankalaza ny zava-niseho tamin’ny Hazofijaliana sy ny Fitsanganan-ko velona, anatin’ny Fitiavan’Andriamanitra izay nanafaka izao tontolo izao sy nanazava ny tantara, dia mirary soa ho an’ny rehetra aho mba hivelona  ity fotoan-tsarobidy ity eo am-pamelombelomana ny finoanareo an’i Jesoa Kristy, mba hidirana anatin’ny lalam-pitiavana amin’ny Ray sy amin’ny rahalahy sy ny anabavy izay mihaona amintsika amin’ny fiainana. Ary farany dia asandratro amin’Andriamanitra ny fivavahako, ary angatahiko ho an’ny tsirairay sy ny ankohonam-piainana tsirairay avy ny Tsodranon’ny Tompo.

 

Vatikana, 15 oktobra 2012.

 

BENEDICTUS PP. XVI

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01