Hafatry ny Papa ho an'ny andro maneran-tanin'ny Tanora: Sampankazo 2015

Nampiditra : admin
Daty : 17/03/2015

“Sambatra ireo madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy ireo” (Mt 5,8)

Ry tanora malala,

Tohizantsika ny fivahiniana masina am-panahy mankany Krakôvia (Pologna), toerana handray ny andro maneran-tanin’ny tanora eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’ny jolay 2016. Nofidiantsika hitantana ny diantsika amin’izany ireo Fahasambarana araka ny Evanjely. Tamin’ny taona lasa isika dia nandinika ny fahasambaran’ireo mahantra am-panahy, ao anatin’ny fampianaran-dehibe nataon’I Jesoa teny an-tendrombohitra. Niarahantsika nahita tamin’izany ny tena hevitry ny fahasambarana, sy ny antso mafin’i Jesoa mba hirotsahantsika amin-kerim-po, amin’ny fikatsahana ny hasambarana. Amin’ity taona ity kosa isika dia handinika ny fahasambarana faha-enina manao hoe : « Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy » (Mt 5, 8).  

  1. Ny faniriana ho sambatra

Ny teny hoe « sambatra » na hoe « faly » dia miverina in-tsivy ao anatin’ny toriteny lehibe voalohany nataon’i Jesoa (cf Mt 5, 1-12). Toy ny fiverenan-kira mampahatsiahy antsika ny antson’ny Tompo izany teny izany, mba hizotra amin’ny làlana miaraka aminy, izay lalan’ny  tena fahasambarana, na dia eo aza ireo  fanamby maro tsy maintsy atrehina.

Eny, ry tanora malala, ny fitadiavana ny hasambarana dia iraisan’ny olona rehetra, amin’ny fotoana rehetra no sady tsy mifidy taona. Napetrak’Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona tsirairay ny faniriana tsy hay tohaina ny ho faly sy ho sambatra, hanana ny fahafenoana. Tsy tsapanareo ve fa mitebiteby ny fonareo, ary eo am-pitadiavana mandrakariva ny soa sy ny tsara izay maha afa-diana azy amin’ny hetahetany tsy manam-pahataperana?

Ireo toko voalohany ao amin’ny Boky Jenezy dia maneho amintsika ny fahasambarana mahafinaritra niantsoana antsika, izay tsy inona fa ny fiombonana tanteraka amin’Andriamanitra, amin’ny hafa, sy amin’ny zavaboahary, ary amin’ny tenantsika. Efa tao amin’ny fandaharan’Andriamanitra hatrany am-piandohana ny nanokafany malalaka ho antsika olombelona ny fifandraisana akaiky aminy sy fahafaha-mahita Azy izay mahasambatra, ka mahatonga ny fahazavan’Andriamanitra nanenika ny fifandraisan’ny olona ho marina sy mangarahara. Tao amin’io fahadiovana tany am-piandohàna io dia tsy nisy avokoa, na ny” saron-tava”, na ny fanarian-dia, na ny antony hisitrihana tsy te hihaona amin’ny hafa. Nangatsakatsaka sy nazava ny fifandraisana rehetra.  

Rehefa nanaiky ho resin’ny fakam-panahy ny lehilahy sy ny vehivavy ka nanapaka ny fiombonana tsy misy ahiahy tamin’Andriamanitra, dia tafididitra tamin’ny tantaran’ny olombelona ny fahotàna (Gn 3).  Niharihary avy hatrany ny vokany teo amin’ny fifandraisan’izy ireo : tamin’ny tenany, tamin’ny izy samy izy ary tamin’ny zavaboahary.  Mampivarahontsana izy ireny ! Voaloto ny fahadiovana tany am-piandohana. Nanomboka teo, dia tsy afaka nihaona mivantana amin’Andriamanitra intsony ny olombelona. Nanaraka izany ny fironana hiafina, voatery  nanarona ny fitanjahany ny lehilahy sy ny vehivavy. Rehefa tsy nahazo ny fahazavana avy amin’ny fahitana  ny Tompo izy ireo dia niova tanteraka ny fijeriny ny zavamisy manodidina azy, lasa fohy fijery. Very zotra tsy nahita mari-drefy intsony ny “tondroavaratra” nitarika azy ireo avy ao anaty hikatsaka ny hasambarana hany ka voasinton’ny hery mandrirotra ho amin’ny fitiavan-tena hangorona sy ny fahafinaretana izay mitondra azy ireo ho ao anatin’ny hantsan’ny alahelo sy ny tebiteby lalina.

Hitantsika ao amin’ny salamo ny tarainan’ny olombelona avy ao amin’ny aty fanahiny ambarany amin’Andriamanitra : “Iza no hampahita antsika ny hasambarana ? Aoka hamiratra eo aminay ry Tompo ny fahazavan’ny endrikao » (Sal 4, 7). Ao anatin’ny hatsaram-pony tsy misy fetra ny Ray no mamaly izany fitalahoana izany ka naniraka ny Zanany. Ao amin’i Jesoa Andriamanitra no maka ny endriky ny olombelona. Tamin’ny fahatongavany ho nofo, ny fiainany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona no nanavotan’i Jesoa antsika tamin’ny fahotana ary nanokafany faravodilanitra vaovao, tsy azontsika noeritreretina hatramin’izay.

Koa ao amin’i Kristy ry tanora malala no hahitana ny  fahatanterahan’ny fikasanareo ho amin’ny soa sy ny tsara ary ny hasambarana amin’ny endriny lavorary. Izy irery ihany no afaka mamaly ny hetahetanareo, izay matetika tsy tanteraka, noho ny fampanantenana poakatin’izao tontolo izao. Arakan ny nolazain’i Md Joany Paoly II hoe : « Izy no hatsarana mahasarika anareo, Izy no mahatonga anareo hangetaheta ny zavatra tena misy fotony, izay manakana anareo tsy ho zatra amin’ny marimaritra iraisana mety hanimba. Izy no manentana  anareo hanala ny saron-tava izay manimba ny fiainana, Izy no mamaky ao am-ponareo ireo  fanapahan-kevitra lalina tian’ny hafa hogejaina. Jesoa no mahatonga ny faniriana ao aminareo hanao ny fiainanareo ho zava-dehibe » (Alim-bavaka tany  Tor Vergata, 19 aogositra 2000 : Documentation catholique, 97 (2000), p. 778 ).

2. Sambatra ny madio fo……

Andeha àry hezahantsika halalinina  hoe amin’ny fomba ahoana tokoa moa no hahatratrarana ity hasambarana ity amin’ny alalan’ny fahadiovam-po. Alohan’ny zavatra rehetra, tsy maintsy   mahazo tsara ny hevitry ny teny hoe: “fo” ao amin’ny baiboly aloha isika. Amin’ny kolontsaina jody, ny fo dia foiben’ny fihetseham-po sy ny hevitra ary ny fikasàn’ny olombelona. Raha mampianatra antsika ny Baiboly hoe tsy mijery ny endrika ivelany Andriamanitra fa mijery ny fo (Cf. Iz.16, 7), dia azo lazaina ihany koa fa amin’ny alalan’ny fontsika no ahafahantsika mahita an’Andriamanitra. Satria ny fo no mamintina ny maha olombelona ny olombelona ao anatin’ny maha izy azy manontolo, amin’ny maha firaisan’ny vatana sy fanahy azy ary amin’ny fahafahany mitia sy hotiavina.

Raha ny mikasika ny famaritana ny hoe « madio » kosa dia ny teny grika katharos no ampiasain’i Matio evanjelista, ary ny dikany fototra dia hoe madio mangaraharaha, mangatsakatsaka, tsy misy singa mamindra aretina. Ao amin’ny Evanjely no ahitantsika an’i Jesoa mandrava ny fiheverana ny fahadiovana araka ny fomba amam-panao nianona tamin’ny  ivelany fotsiny sy nandràra ny fifampikasohana rehetra tamin-javatra  na tamin’ ny olona (toy ireo marary hoditra sy ireo vahiny) izay noheverina ho toy ny maloto. Hentitra dia hentitra ny tenin’i Jesoa tamin’ ireo Farisianina sy ny ankamaroan’ny Jody tamin’izany fotoana izany, izay tsy nisakafo raha tsy efa avy nidio sy nanaraka ny fomba maro mifandray amin’ny  fanasana ny fitaovana, nanao hoe : « tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy. Fa izay mivoaka avy amin’ny olona no mahaloto ny olona. Ny avy ao anaty, avy amin’ny fon’ny olona no ivoahan’ny hevi-dratsy : dia ny fakam-badin’olona, ny halatra, ny famonoan’olona, ny fijangajangàna, ny fitiavan-karena , ny hasomparana,  ny hafetsen-dratsy, ny fanaranam-batana, ny fitsiriritana, ny vava ratsy fanalam-baraka, ny fiavonavonana, ny fahadalana » (Mk 7, 15. 21-22).

Manao ahoana indray àry izany hoe fahasambarana mipoitra avy amin’ny fo madio izany? Raha miainga amin’ireo lisitry ny ratsy mahatonga ny olona haloto notanisain’i Jesoa ireo, dia hitantsika fa mikasika indrindra ny seha-pifandraisantsika amin’ny hafa avokoa ny fanontaniana. Isika tsirairay dia tsy maintsy mianatra mandanjalanja sy manavaka tsara izay mety mandoto ny fontsika, manofana ny feon’ny fieritreretana hahitsy sy ho matsilo, hahafahany “mandanjalanja sy mamantatra izay sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahany no lavorary” (Rm 12, 2). Raha ilaina ny fikajiana ny zavaboary, mba ho fahadiovan’ny rivotra sy ny rano ary  ny sakafo, moa tsy ambony lavitra noho izany no tsy maintsy hitandrovantsika ny fahadiovan’izay sarobidy indrindra ananantsika dia ny fontsika sy ny fifandraisantsika. Ny “fandalinana ny fifandraisantsika amin’ny tenantsika sy amin’ny hafa” no hanampy antsika hiaina amin’ny  rivotra madio, avy amin’ny zavatsoa, avy amin’ny fitiavana marina, avy amin’ny fahamasinana.

Indray andro aho nanontany anareo hoe aiza ny harenareo ? Harena inona no ifotoran’ny fonareo ? (Dinidinika niaraka tamin’ ireo tanora avy any Belzika, ny 31 mars 2014). Marina tokoa fa ny fontsika dia mety hiraikitra amin’ny harena tena izy na ny harena sandoka, mety mahita fiadanana azo antoka, na mety ho sondrian-tory, manjary kamo sy domelina. Ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra no harena sarobidy indrindra ho antsika eo amin’ny fiainana. Resy lahatra amin’izany ve ianareo ? Tsapanareo ve ny maha sarobidy anareo eo imason’Andriamanitra? Fantatrareo ve fa sady tiany ianareo no raisiny tsy misy fepetra amin’ny maha izy azy anareo tsirairay avy? Raha mihena izany  fahatsapàna izany, dia hanjary ho ankamantatra saro-baliana ny olombelona, satria ny fahatsapana fa tia antsika tsy misy fepetra Andriamanitra no manome heviny ny fiainantsika. Tadidinareo ve  ny resak’i  Jesoa tamin’ilay tovolahy mpanakarena (Mk 10, 17-22) ? Nambaran’iMarka evanjelista fa nijery azy ny Tompo ka  tia azy (and. 21), ary nasainy izy hanara-dia azy mba hahita ny harena marina. Mirary anareo aho, ry tanora malala, mba homba anareo mandritra ny androm-pianinanareo io  fijerin’i Kristy feno fitiavana io.

Ny androm-pahatanorana no fotoana ivelaran’ireo haren-dehiben’ny fitiavana anatinareo, ny faniriana lalina ny fitiavana marina, kanto sy lehibe. Hery tsy hay tohaina toy inona no mipoitra avy amin’ny fahafaha-mitia sy ny fahatsiarovana ho tiana izany! Aoka tsy hosimbainareo na hodisoinareo izany soa toavina sarobidy izany. Tonga izany rehefa ampiasaintsika ho fitaovana hahatongavana amin’ny tanjona feno fitiavan-tena ny namantsika mandritra ny fifandraisana aminy, ka indraindray aza dia atao toy ny zavatra hakàna fahafinaretana fotsiny. Maratra sy malahelo ny fo aorian’ireny andram-piainana ratsy ireny. Miangavy anareo aho : aza matahotra ny fitiavana marina, izay nampianari’I Jesoa antsika sy novelabelarin’i Masindahy Paoly manao hoe : “Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy, ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo, tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolom-po, tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona fa mifaly noho ny fahamarinany, manala tsiny ny zavatra rehetra, manam-pinoana amin’ny zavatra rehetra, manam-panantenana amin’ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana” (1Kor 13, 4-8).

Eto am-panasàna anareo hahita indray ny hatsaràn’ny antso ho an’ny olombelona ho amin’ny fitiavana aho, no mamporisika anareo koa hanohitra ny firehana miely hanaovana ny fitiavana ho toy ny zavatra tsinontsinona, indrindra raha ahen-danja amin’ny maha lahy sy vavy ao amin’ny firaisan’ny nofo fotsiny, ka anesorana amin’ny fitiavana ireo mampiavaka azy manokana dia ny hatsarana, ny fiombonana, ny tsy fivadihana amim-panajana ary ny maha tompon’andraikitra.

Ry tanora malala « ao anatin’ny kolontsain’ny vonjimaika, ny samy manao izay mety aminy, dia maro no mihevitra sy milaza fa ny zava-dehibe dia ny « mahazo fahafinaretana » eo no ho eo, ka tsy ilaina ny mirotsaka mandritra ny androm-piainana manontolo, ny manao safidy matotra, « ho mandrakizay », satria tsy hay izay havoakan’ ny ampitso. Izaho kosa dia milaza aminareo ny mifanohitra amin’izany, miangavy sy mangataka aminareo aho mba ho revôlisionera ianareo, sahia manoha riana ; sahia manohitra ny kolontsain’ny  vonjimaika izay mihevitra, fa tsy afaka  hiantsoroka ny andraikitrareo ianareo, mihevitra fa tsy afaka hitia marina ianareo. Matoky anareo tanora aho ary mivavaka ho anareo. Manàna herim-po handeha “ hanoha riana ”. Ary manàna koa herim-po ho sambatra marina”. (Fihaonana tamin’ny tanora volontaires tany Rio, 28 jolay 2013).

Aoka ianareo ry tanora, ho mpikaroka mahafatram-po ! Raha mirotsaka mamantatra ny fampianaran’ny Fiangonana ao amin’io sahan’asa io ianareo, dia ho fantatrareo fa ny finoana kristianina dia tsy mifototra amin’ny karazana fandrarana, mangeja ny faniriantsika te ho sambatra, fa mifototra amin’ny fikasana  hanorina fiainana afaka mampigaga ny fontsika !

3…Fa hahita an’Andriamanitra izy.

Ao am-pon’ny olona tsirairay no andrenesana tsy tapaka ny fanasàn’ny Tompo hoe “Tadiavo ny endriko!”(Sal 27, 8). Miaraka amin’izany koa no tokony iantrehantsika ny toetra maha mpanota mahantra antsika. Izany no vakiantsika, ohatra, ao amin’ny salamo manao hoe : “Iza no afaka hiakatra any amin’ny tendrombohitry ny Tompo sy hitoetra amin’ny toerany masina ? Ny olona madio fo, izay tsy manan-tsiny ny tanany” (Sal 24, 3-4). Fa tsy tokony hatahotra isika na ho kivy : hitantsika, ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny tantaran’ny tsirairay amintsika, fa Andriamanitra hatrany no manolo-pihavanana voalohany. Izy no manadio antsika mba ho mendrika hijoro eo anatrehany isika.

Rehefa nandray ny antson’ny Tompo hiteny amin’ny anarany ny mpaminany Izaia, dia natahotra, ka niteny hoe : « Loza ho ahy ! Very aho, satria izaho maloto molotra » (Iz 6, 5). Kanefa, ny Tompo nanadio azy, nandefa ny anjely nikasika ny molony sy niteny hoe : « Afaka ny hadisoanao, voavela ny fahotanao » (and. 7). Ao amin’ny Testamenta Vaovao, raha niantso ny mpianany voalohany teo amin’ny farihin’i Genezareta i Jesoa sy nanao zava-mahatalanjona tamin’ny fanjonoana mampiaiky volana, dia nitalaho teo antongony i Piera nanao hoe : « Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho » (Lk 5, 8). Tsy ela ny valiny : « Aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao » (and. 10). Ary raha nanontany an’I Jesoa ny iray tamin’ny mpianany hoe “Tompo, asehoy anay ny Ray, dia ampy anay izany”, novalian’ny Mpampianatra hoe : “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray” (Jo 14, 8-9).

Mivantana aminareo tsirairay avy, n’aiza n’aiza toerana misy anareo ny fanasan’ny Tompo anareo hihaona aminy. Ampy ny “mandray fanapahan-kevitra hanaiky hihaona aminy, hitady azy isan’andro vaky. Tsy misy antony hieritreretana hoe tsy ho ahy izany fanasàna izany” (Hafalian’ny Evanjely n° 3). Mpanota avokoa isika, mila diovin’ny Tompo. Ampy anefa ny manao dingana kely mankeny amin’I Jesoa mba hahitàna fa mamela-tanana miandry antsika mandrakariva izy, indrindra amin’ny alalan’ny Sakrametan’ny Fampihavanana, fotoana tsara hihaonana amin’ny famindram-pon’Andriamanitra izay manadio sy manavao indray  ny fontsika.

Eny, ry tanora malala, te hihaona amintsika ny Tompo, manaiky ho “hitantsika izy”. “Fa amin’ny fomba ahoana ?”, hoy angamba ianareo. Masimbavy Terezy avy any Avilà, teraka tany Espagne, 500 taona lasa izay, tamin’izy mbola zaza dia niteny tamin’ny Ray aman-dReniny hoe : “Te hahita an’Andriamanitra aho”. Avy eo dia hitany ny lalan’ny vavaka, toy ny “fifandraisan’ny mpisakaiza, fifampiresahan’ny fanahy miaraka amin’Ilay fantany fa tia azy” (Le livre de sa vie, 8, 5). Arak’izany, manontany anareo aho : mivavaka ve ianareo ? Fantatrareo ve fa toa ny mitafa amin’ny namanareo iray no hahafahanareo miresaka amin’i Jesoa, amin’ny Ray, amin’ny Fanahy Masina? Ary tsy hoe namanamana, fa tena namanareo akaiky sy mahatoky indrindra ! Manaova an’izany am-pahatsorana. Ho hitanareo izay nolazain’ny tambanivohitra iray tany Ars, tamin’ilay pretra masina tao an-tanànany : rehefa mivavaka eo anoloan’ny tabernakla aho, “Izaho mijery azy, ary izy mijery ahy” (Katesizin’ny Fiangonana Katôlika n° 2715).

Averiko indray, manasa anareo aho hihaona amin’ny Tompo amin’ny famakiana matetika ny Soratra Masina. Raha tsy zatra izany ianareo, atombohy amin’ny Evanjely. Mamakia andalan-tsoratra masina iray isan’andro. Avelao ny Tenin’Andriamanitra hiteny ao am-ponareo, hanazava ny dianareo (Sal. 119, 105). Ho tsapanareo fa hay afaka “mahita” an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny endriky ny rahalahy, indrindra amin’ny endrik’ireo tsy misy mahatsiahy ianareo : ny mahantra, ny noana, ny mangetaheta, ny vahiny, ny marary, ny voafonja (Mt 25, 31-46). Mbola tsy nahatsapa izany ve ianareo? Ry tanora malala, mba hahafahantsika miditra ao amin’ny lojikan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy maintsy mahatsapa tena ho mahantra miaraka amin’ny mahantra isika. Ny fo madio dia tsy maintsy fo mahay mamoy fananana, mahay manetry tena sy mizara ny fiainany miaraka amin’ireo tena sahirana.

Ny fihaonana amin’Andriamanitra ao amin’ny vavaka, amin’ny famakiana ny Baiboly sy amin’ny alalan’ny fiainam-pirahalahiana no hanampy anareo hahalala ny Tompo sy ny tenanareo. Toa ireo mpianatra tany Emaosy (Lk 24, 13-35), ny feon’i Jesoa no hampirehidrehitra ny fonareo ary hisokatra ny masonareo mba hahalalanareo ny fisiany ao amin’ny tantaranareo, ka hahitanareo ny fikasany feno fitiavana ho an’ny fiainanareo.

Ny sasany aminareo mahatsapa na hahatsapa ny antson’ny Tompo ho amin’ny fanambadiana, hanorina fianakaviana. Maro no mihevitra fa “lany andro” io antso io, nefa tsy marina izany ! Noho io antony io indrindra, ny ankohonam-piangonana manontolo dia mandinika manokana momba ny antso sy ny iraka ataon’ny fianakaviana ao anatin’ny Eglizy sy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ankoatr’izany, manentana anareo aho mba handinika ny antso ho amin’ny fiainana voatokana na ho pretra. Tsara ery ny mahita ireo tanora mamaly ny antso hanolotena tanteraka ho an’i Kristy sy hanompo ny Eglizy ! Manontania tena ianareo miaraka amin’ny fo madio, ary aza matahotra an’izay angatahan’Andriamanitra aminareo! Manomboka eo amin’ny “eny” hamalianareo ny antson’ny Tompo, dia hanjary voa famafy vaovaon’ny fanantenàna ao amin’ny Eglizy sy ao amin’ny fiaraha-monina ianareo. Aza hadinoina: ny sitra-pon’Andriamanitra no hasambarantsika !

4. Eny an-dàlana mankany Krakôvia

« Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy » (Mt 5, 8). Ry tanora malala, araka ny hitanareo, ity fahasambarana ity dia tena mahakasika akaiky ny fisianareo, ary izy no antoka hahasambatra anareo. Izany no mahatonga ahy hamerina indray hoe : manàna ianareo herimpo ho sambatra !

Ny andro maneran-tanin’ny tanora amin’ity taona ity dia mitondra antsika amin’ny dingana farany amin’ny làlana iomanana mankany amin’ny fotoan-dehibe manaraka ifamotaonan’ny tanora maneran-tany any Krakôvia, amin’ny 2016. Telopolo taona lasa indrindra izay, Masindahy Joany Paoly II no namorona tao amin’ny Eglizy ny andro maneran-tanin’ny tanora. Tena fahasoavan’Andriamanitra ary mitarehim-mpaninaniana tokoa ity fivahiniana masina ataon’ny tanora mitety kaontinanta maro eo ambany fitarihan’ny dimbin’i Piera ity. Miara-misaotra ny Tompo isika noho ny vokatsoa sarobidy nentiny teo amin’ny fiainan’ny tanora maro manerana ny planeta ! Endrey ny fahitan-java-baovao mavesa-danja, indrindra ny nahitàna an’i Kristy, Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, ary ny fahitana ny Eglizy toy ny fianakaviana lehibe iray sy mampiantrano ! Niteraka fiovam-piainana sy famaliana ny Antso ireny fihaonana ireny ! Enga anie Masindahy Joany Paoly II, mpiahy ny JMJ, hivavaka ho an’ny fivahiniana masina ataontsika mankany Krakôvia. Ary enga anie ny fijerin-drenin’I Maria Virjiny sambatra, feno hasoavana, tsara indrindra sy madio tanteraka, hambomba antsika amin’ity lalana ity.

Natao teto Vatican, ny 31 janoary 2015,
Fahatsiarovana an’i Md Joany Bosco.

Dikanteny VPKT

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0145 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org