Hafatry ny Papa Fransoà ho an’ny andro maneran-tanin’ny tanora faha-XXIX - 2014

Nampiditra : admin
Daty : 24/03/2014

« Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny Fanjakan’ny Lanitra » (Mt 5, 3)

Ry tanora malala,

Tsaroako mandrakariva ny fihaonantsika tsy manam-paharoa tany Rio de Janeiro nandritra ny Andro Maneran-tanin’ny Tanora faha-XXVIII : fety lehibe nankalazana ny finoana sy ny fihavanana! Nandray antsika an-tanan-droa ny vahoaka brezilianina, tahaka ny fivelaran’ny tanan’ny sarivongan’i Jesoa Kristy Mpanavotra avy eny an-tendrombohitry Corcovado, izay manemitra ny moron-dranomasina mahafinaritr’i Copacabana. Teo amoron-dranomasina no nanavaozan’i Jesoa ny antsony hahatonga antsika tsirairay avy ho mpianany sady misionera, hahatsapantsika fa Izy no tena raki-tsarobidy indrindra eo amin’ny fiainana, ka handehanantsika hizara izany amin’ny hafa, na lavitra izany na akaiky, hatrany amin’ny fara vazan-tany lavitra indrindra sy hatrany amin’ireo heverintsika ho lavitra eo amin’ny fiainam-pisian’ny olombelona amin’izao androntsika izao.

Any Krakôvia ny dingana manaraka amin’ny fivahiniana masina iraisam-pirenenan’ny tanora maneran-tany ny taona 2016. Hampisy aim-panahy ny diantsika mandritra ny telo taona ho avy dia iriko ny hiara-mandinika aminareo ny Hasambarana atoron’ny Evanjely araka ny nanoratan’i Md Matio azy (5, 1-12). Atombotsika amin’ny Mt 5, 3 izany amin’ity taona ity : « Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny Fanjakan’ny Lanitra » ; ho an’ny taona 2015 kosa dia hodinihintsika ny Mt 5, 8 : « Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy » ; ary farany, amin’ny taona 2016 dia haompantsika amin’ny Mt 5, 7 manao hoe : « Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy».

1. Ny herim-panovana entin’ireo Hasambarana

Mahasoa mandrakariva ny mamaky sy mandinika ireo Hasambarana! Teo amoron’ny farihin’i Galilea, nandritra ny toriteny lehibe nataony voalohany no nilazan’i Jesoa azy ireo. Maro ny vahoaka tamin’izay ka niakatra teo an-tampon-kavoana Izy mba hampianatra ny mpianany, izany no nahatonga io toriteny io hantsoina hoe « ilay fampianarana teo an-tendrombohitra ». Ao amin’ny Baiboly, ny tendrombohitra dia heverina ho toerana anehoan’Andriamanitra ny tenany, ka i Jesoa nitory teny teo an-tendrobohitra dia naneho ny maha mpampianatra masina azy, toy ny Moizy vaovao. Inona àry no ampianariny?  Manoro ny lalan’ny fiainana i Jesoa, lalana izay nizorany rahateo, lalana izay tsy iza fa ny tenany ihany ary atolony mba hizorantsika fa lalana mankany amin’ny fahasambarana marina. Hita taratra nandritra ny fiainan’i Jesoa manontolo ny fiainany ireo Hasambarana ireo, nanomboka tamin’ny fahaterahany tao an-tranon’ombin’i Betlehema ka hatramin’ny fahafatesany teo ambony hazofijaliana ary ny fitsanganany ho velona. Tanteraka tao aminy avokoa ny fampanantenan’ny Fanjakan’Andriamanitra rehetra.

Eo am-panambaràna ny Hasambarana i Jesoa no miantso antsika hanara-dia Azy, hanjohy miaraka aminy ny lalan’ny fitiavana, ilay hany lalana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy mora ny manaraka io lalana io; fa izy Tompo kosa manampy antsika mandrakariva amin’ny fahasoavany ary tsy mamela antsika ho irery na oviana na oviana. Maro tokoa ireo sedra mameno ny fiainantsika : fahantrana, fahoriana, fanalam-baraka, tolona hampanjakana ny rariny sy ny fahamarinana, fahavizanana amin’ny fibebahana isan’andro, ireo ady atrehina mba hiainana ny finoana sy ny antso ho amin’ny fahamasinana, fanenjehana sy ireo fanamby maro hafa eo amin’ny fiainantsika. Fa raha mampandroso an’i Kristy anefa isika, ka avelantsika hiditra amin’ny tantaram-pianantsika Izy, ary zaraintsika aminy ny hafaliana sy ny fijaliantsika dia hahatsapa sy hiaina fiadananam-po sy hafaliana isika, izay Andriamanitra fitiavana tsy manam-pahataperana irery ihany no afaka manolotra azy.

Mitondra herim-panovana vaovao ireo Hasambaran’i Jesoa; endrika fahasambarana hafa tsy mitovy amin’ireo mahazatra lazain’ny haino aman-jery sy ny foto-pisainana mahazo laka amin’izao fotoana izao. Raha ny fomba fisainan’izao tontolo izao dia fanafintohinana lehibe ny nahatongavan’Andriamanitra ho olombelona mitovy amintsika ary indrindra ny nahafatesany teo ambony hazofijaliana! Raha ny zotram-pandinihan’izao tontolo izao dia heverina ho « voa mafy» sy ketraka ireo lazain’i Jesoa fa olon-tsambatra. Indrahindraina mihitsy aza izao ny fahombiazana amin’ny fomba rehetra, ny fiadanam-piainana, ny fireharehana amim- pahefana ary ny fizahozahoana anindriana ny hafa.

Ry tanora malala, miantso antsika i Jesoa mba handraisantsika ny fiainana atolony, ka hahafahantsika manapa-kevitra hisafidy ny lalana hizorantsika hahatongavana amin’ny hafaliana tena izy. Fanamby lehibe iray ho an’ny finoana izany. Tsy nampatahotra an’i Jesoa ny nanontany ireo mpianany raha maniry ny hanara-dia azy tokoa izy ireo na hizotra amin’ny lalan-kafa (cf.  Jn 6, 67). Ary Simôna nantsoina hoe Piera no nanana herim-po namaly hoe : « Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay » (Jn 6, 68). Raha hainareo koa ny mamaly « eny » amin’i Jesoa dia hisy dikany ny fiainam-pahatanoranareo ary hamokatra avo zato heny.

 

2. Ny herim-po hikatsaka ny fahasambarana

Fa inona moa no hevitry ny teny hoe « olon-tsambatra » (makarioi amin’ny teny grika)? Ny sambatra dia midika hoe faly. Koa ambarao amiko àry : maniry marina tokoa ny fahasambarana ve ianareo? Maro ny sarintsarim-pahasambarana eto ivelany manodoka amin’izao fotoana izao, ka mety ho alaim-panahy hianona amin’ny kely toy izany isika, hanjary ho fohy fihevitra momba ny fiainana. Ny mifanohitra amin’izany no tokony hataonareo, irio ny zavatra lehibe ary aoka halalaka ny fonareo! Hoy ny olontsambatra Pier Giorgio Frassati hoe: « Ny velona tsy amim-pinoana, tsy manan-dova sarobidy harovana, tsy manohy ny tolona hitady ny marina, dia tsy velona fa velombelom-poana. Sanatria tsy tokony ho velombelom-poana mihitsy isika fa tokony ho velona marina ». (Taratasy ho an’i I. Bonini, 27 febroary 1925). Nantsoin’i Ray masina Joany Paoly II hoe « olon’ny Hasambarana » i Pier Giorgio Frassati nandritra ny Sorona Masina nanandratany azy ho olontsambatra ny 20 mey 1990. (Toriteny : AAS 82 [1990], 1518).

Raha avelanareo hivelatra marina ireo faniriana lalina ao am-ponareo dia ho tsapanareo fa misy hetaheta tsy hay vonoina ho amin’ny fahasambarana ao anatinareo, ka izany no hahafahanareo manavaka sy mandà ireo zava-maro arantiranty « mora vidy » manodidina anareo. Rehefa mikatsaka ny fahombiazana, ny fahafinaretana, ny fananan-javatra miorina amin’ny fitiavan-tena isika ka manao azy ireny ho toy ny sampy ho tompoina dia mety hahatsapa ho sambatsambatra tokoa; saingy fahafaham-po sandoka sy mandalo ihany izany, ka amin’ny farany aza isika dia ho andevozin’izany, tsy ho faly sady tsy ho afa-po mihitsy fa hikatsaka ny mihoatra hatrany. Tena mampalahelo tokoa ny mahita tanora “voky sy manana izao rehetra izao” nefa osa sy mangozohozo.

Hoy i Md Joany raha nanoratra ho an’ny tanora izy : « Mahery ianareo fa mitoetra ao aminareo ny tenin’Andriamanitra sady efa naharesy ilay Ratsy ianareo » (1 Jn 2, 14). Matanjaka ny tanora mifidy an’i Kristy, mivelona amin’ny teniny ary tsy « mivoky» amin-javatra hafa! Aoka ianareo hanana herim-po hanoha-riana sy tsy hanara-drenirano fotsiny! Manàna herim-po hikatsaka ny tena fahasambrana marina! Sahia mandà ny kolontsain’ny vonjimaika, ny eto ivelany sy ny an-kosotra fotsiny ary ny tsy mitahiry sy tsy miraharaha, izay manakana anareo tsy ho afa-mandray andraikitra sy hiatrika ireo fanamby lehiben’ny fiainana!

3. Sambatra ny mahantra am-panahy…

Ny Hasambarana voalohany nambaran’i Kristy, lohahevitry ny Andro Maneran-tanin’ny Tanora amin’ity taona ity dia manambara fa sambatra ny mahantra am-panahy satria azy ny Fanjakan’ny Lanitra. Amin’izao fotoana mahamaro ny olona mijaly vokatry ny krizy ara-toekarena izao dia ohatran’ny mifanohitra be ihany ny fampiarahana ny fahantrana sy ny fahasambarana. Ahoana no fomba hahafahantsika mandray ny fahantrana ho fahasoavana?

Andeha ezahintsika ho azo aloha ny hevitry ny hoe « mahantra am-panahy ». Rehefa tonga olombelona ny Zanak’Andriamanitra dia nisafidy ny lalan’ny fahantrana sy ny fiendahana amin’ny haren’izao tontolo izao. Hoy indrindra i Md Paoly ao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny Filipianina : « Manàna izao saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa izao : na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra » (2, 5-7). Andriamanitra niendaka tamin’ny voninahiny i Jesoa. Hitantsika eto ny nisafidianan’Andriamanitra ny fahantrana : na dia nanan-karena aza Izy dia tonga mahantra mba hampanan-karena antsika tamin’ny fahantrany (cf. 2 Kor 8, 9). Io no misitery banjinintsika ao amin’ny tranon’omby, ahitantsika ny Zanak’Andriamanitra eo amin’ny fihinanam-bilona; ary eo amin’ny hazofijaliana, izay fara tampony amin’ny fiendahany sy tsy fifikirany amin’ny haren’izao tontolo izao.

Ny mpamari-toetra grika hoe ptochós (mahantra) dia tsy midika fotsiny hoe mahantra tsy manana na inona na inona fa midika mihitsy hoe « mpangataka ». Mifampitohy amin’ny teny hebrio hoe anawim, ireo « mahantran’ny Tompo », izay manambara fanentren-tena, fahatsapana ny fetran’ny tena sy ny toe-piainana maha olombelona tsinontsinona ao anatin’ny fahantrana. Matoky ny Tompo ireo anawim ary mahatsapa fa miankina Aminy. I Jesoa, araky ny nahalalan’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely nibanjina Azy tamin’ny fahatongavany ho nofo, dia naneho ny tenany ho toy ny mpangataka sy fadiranovana mitady fitiavana. Ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika dia manambara ny olombelona ho « mahantra mpangataka amin’Andriamanitra » (n.2559) ary milaza fa ny fivavahana dia fihaonan’ny hetahetan’Andriamanitra amin’ny hetahetantsika (n. 2560).

Nahatakatra tsara ny tsiambaratelon’ny Hasambaran’ireo mahantra am-panahy i Md Fransoà avy any Asizy, rehefa niteny taminy i Jesoa naka ny endriky ny boka sy  Izy Voafantsika tamin’ny Hazofijaliana, ka fantany ny halehiben’Andriamanitra sy ny naha mahantra tsinontsinona ny tenany. Nandritra ny fivavahany dia nandany ora maro ilay Poverello (« ilay mahantra kely », fiantsoana an’i Md Fransoà avy any Asizy) nanontany hoe « Iza moa ianao? Àry iza aho? ». Niala tamin’ny fiainan’ny mpanan-karena manontany ny ory izy mba hanambady an’ilay « Andriambavilanitra Fahantrana » mba haka tahaka an’i Jesoa sy hanaraka ny Evanjely ara-bakiteny. Niainan’i Md Fransoà ny fanahafana an’i Kristy mahantra sy ny fitiavana ny mahantra, izay tsy nosarahiny, tahaka ny lafy roa amin’ny medaly iray.

Azonareo atao àry ny manontany ahy hoe: « Ahoana tokoa ny fomba hahafahanay mandray io fahantrana am-panahy io ho tonga fomba fiainana misy fiantraikany eo amin’ny fisianay? ». Hevitra telo no isarihako ny sainareo.

Miezaha aloha ho olon’afaka tsy voafatopatotra manoloana ny zavatra rehetra. Miantso antsika amin’ny fomba fiainana araka ny Evanjely ny Tompo, amin’ny fahatsoram-piainana, tsy mirona amin’ny kolontsain’ny fanjifana. Tokony hitady ny tena votoatin-javatra isika, hianatra miala amin’ireo zavatra maro be mihoa-papana sy tsy ilaina mangeja antsika. Aoka isika tsy ho voafatotry faniriana te hanangona, ho afaka amin’ny  fanompoana ny vola, izay lanilaniantsika foana amin’ny zavatra tsy manan-danja akory avy eo. Omeo toerana voalohany i Jesoa. Izy no manafaka antsika amin’ireo fanompoan-tsampy maro manandevo antsika. Ry tanora malala, matokia an’Andriamanitra ianareo! Mahafantatra antsika sy tia antsika Izy ary tsy manadino antsika na oviana na oviana. Tsy avelany ho orin’inon’inona tahaka ny fiahiany ireo lisy eny an-tsaha isika! (cf. Mt 6, 28). Tokony ho vonona hanova ny fomba fiainana sy tsy handanindany foana raha te handresy ny krizy ara-toekarena. Tahaka ny ilantsika ny herim-po hikatsaka ny fahasambarana ihany koa no ilantsika ny herim-po haniry ho tso-piaina.

Faharoa, mila mibebaka amin’ny fomba fandraisana ny mahantra isika rehetra raha tiantsika ny hiaina ny Hasambarana. Tsy maintsy miahy azy ireo isika, mahatsapa mivantana ny zavatra ilain’izy ireo amin’ny fiainam-pivelomana sy ny fiainam-panahy. Ankiniko aminareo tanora manokana ny adidy hamerina indray ny Fihavanana ho ivon’ny kolom-piainan’ny olombelona. Manoloana ireo endrim-pahantrana nisy teo aloha sy misy ankehitriny – tsy fananana asa, fifindra-monina, ireo fiankinan-doha isan-karazany – dia manana adidy isika hitandrina sy ho malina ary handresy ny fakam-panahy mitarika antsika tsy hiraharaha sy tsy hivaky loha. Todihontsika ihany koa ireo mahatsapa ho tsy misy mpitia, tsy manan-kantenaina ho an’ny ho avy, tsy sahy mandray andraikitra amin’ny fiainana satria kivy sy very fanantenana ary matahotra. Tsy maintsy mianatra mitoetra miaraka amin’ireo mahantra isika. Aoka isika tsy ho tsara resaka eo am-bava fotsiny momba ny mahantra! Andeha isika hanatona azy ireo, banjinontsika ny masony, ka hihaino azy ireo isika. Fahasoavan-dehibe ahafahantsika mihaona mivantana amin’ny tenan’izy Kristy mihitsy ireo mahantra, ka ahatsapantsika ny fijalian’ny vatany.

Tadidio anefa, ity no hevitra fahatelo arosoko anareo, fa ireo mahantra dia tsy ireo olona sahirana sy fadiranovana azontsika toloran-javatra fotsiny ihany. Manan-javatra maro omena sy ampianarina antsika ihany koa izy ireo. Maro be ny azontsika hianarana amin’ny fahendren’ny mahantra! Hevero ange i Md Benoà Zôzefa Labra, olomasin’ny taon-jato faha-XVIII,  mahantra mpatory teny amoron-dalan’i Roma, nivelona tamin’ny fiantrana nomen’ny olona kanefa tonga filan-kevitrin’ny olona maro momba ny fiainam-panahy, ary tsy vitsy tamin’izy ireny no andriana sy eveka. Amin’ny lafiny iray dia toy ny mpampianatra ho antsika ireo mahantra. Asehon’izy ireo antsika fa tsy miankina amin’izay fananany na izay ao amin’ny tahirim-bolany any amin’ny banky ny maha izy azy ny olona iray. Ny mahantra iray, na dia olona tsy manana na inona na inona aza izy, dia manana ny hasina maha olombelona azy mandrakariva.  Afaka manampy antsika hianatra ny fanetren-tena sy ny fahatokisana an’Andriamanitra ihany koa ny mahantra. Ao amin’ny fanoharana momba ny farisianina sy ny poblikanina (Lk 18, 9-14) dia atolotr’i Jesoa ho fakan-tahaka ilay poblikanina satria sady nanetry tena no niaiky ny maha mpanota azy. Toy izany koa ilay vehivavy mpitondratena izay nandrotsaka ariary anankiroa tao amin’ny fandatsahan-drakitra tao an-tempoly, ohatra amin’ny fahafoizana ataon’ny olona iray tsy manana na inona na inona, nefa mahafoy ny zavatra rehetra (Lk 21, 1-4).

4. …fa azy ireo ny Fanjakan’ny Lanitra

Mifototra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Evanjelin’i Jesoa. I Jesoa mihitsy no Fanjakan’Andriamanitra, Izy no Emanoela, Andriamanitra eto anivontsika. Ao am-pon’ny olombelona no mitoetra sy mihitatra ny Fanjakan’Andriamanitra. Sady fanomezana no fampanantenana ny Fanjakan’ny Lanitra. Efa nomena antsika tao amin’i Jesoa izy, nefa tsy maintsy hihalavorary ao anatin’ny hafenoana tanteraka. Izany no mahatonga antsika mivavaka isan’andro hoe: « Ho tonga anie ny Fanjakanao ».

Misy fifandraisana lalina eo amin’ny fahantrana sy ny fitoriana ny Evanjely, eo amin’ny lohahevitry ny Andro Maneran-tanin’ny Tanora farany teo – « Mandehana ianareo, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra » (Mt 28, 19) – sy ny amin’ity taona ity « Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra » (Mt 5, 3). Maniry Fiangonana mahantra mitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra ny Tompo. Rehefa naniraka ny 12 lahy hitory ny Vaovao Mahafaly i Jesoa dia nilaza hoe :  « Aza mitady vola hatao am-paosy, na volamena izany, na volafotsy na varahina; aza mitondra na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homena fivelomana » (Mt 10, 9-10). Ny fahantrana araka ny Evanjely no antoka lehibe amin’ny fihitaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny hafaliana tsara indrindra sy nampientana ahy avy hatrany hitako teo amin’ny androm-piainako dia ny haravoan’ireo olona mahantra izay zara raha manan-javatra.  Amin’ny alalan’ny fielezan’ny hafaliana ihany no hahafahantsika mitory ny Evanjely amin’izao androntsika izao.

Araka ny hitantsika teo, ny Hasambaran’ireo mahantra am-panahy dia manoro lalana antsika amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy amin’ireo zava-nohariana ho fitaovana ary amin’ireo mahantra. Manoloana ny oha-piainana sy ny tenin’i Jesoa dia tsapantsika fa tena mbola mila mibebaka isika, mba hanjaka ny fomba fisainan’ny te ho tsara kokoa fa tsy ny te hanangona mandrakariva.  Afaka manampy antsika hahatakatra ny hevi-dalin’ny Hasambarana tokoa ireo Olomasina. Amin’izay lafin-javatra izay, ny fanandratana ho olomasina ny papa Joany Paoly II, ny alahady faharoan’ny Paka ho avy izao, dia vanim-potoana lehibe hameno hafaliana ny fontsika tokoa. Izy no ho mpiaro manokana ny JMJ izay natombony sy notarihiny. Ary ao amin’ny fiombonan’ny olomasina dia hitoetra ho ray sy namanareo rehetra izy.

Hankalaza ny faha-30 taonan’ny fanolorana ny Hazofijalian’ny Jobilin’ny Fanavotana amin’ny tanora ihany koa isika amin’ny volana avrily ho avy io. Nanomboka tamin’io fihetsika miavaka nataon’i Joany Paoly II io indrindra ny fivahiniana masina lehibe nataon’ny tanora ary mitohy ny fitetezana ny kaontinanta dimy. Betsaka no mahatsiaro ny tenin’ny papa Joany Paoly II fony izy nanolotra ny Hazofijaliana, tamin’ny alahadin’ny Paka taona 1984; hoy izy teo am-panolorana izany: « Ry tanora malala, eto am-pamaranana izao Taona Masina izao, dia indro ankiniko aminareo ny famantaran’ity Taon-jobily ity : ny Hazofijalian’i Kristy! Ento manerana izao tontolo izao izy ho famantarana ny fitiavan’i Jesoa Kristy Tompontsika ny olombelona, ary ambarao amin’ny olon-drehetra fa tsy misy Famonjena sy Fanavotana raha tsy ao amin’i Jesoa Kristy maty sy nitsangan-ko velona ».

Ry tanora malala, ny Magnificat, ilay tononkiran’i Maria, mahantra am-panahy, dia antsam-pideran’ireo rehetra miaina ny Hasambarana ihany koa. Ny hafalian’ny Evanjely miposaka avy ao amin’ny fo mahantra no mahay mifaly mankalaza sy mitalanjona ireo asan’Andriamanitra, sahala amin’ny fon’ilay Virjiny, izay antsoin’ny taranaka rehetra hoe “sambatra” (cf. Lk 1, 48). Enga anie Izy Renin’ny mahantra sy kintan’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao, mba hanampy antsika hiaina ny Evanjely, hahatonga nofo ireo Hasambarana eo amin’ny fiainantsika ary hananantsika ny herim-po hikatsaka ny fahasambarana.

Teto Vatikana, ny 21 janoary 2014, fahatsiarovana an’i Mb Agnesy, virjiny sy martiry.

FRANSOÀ


Dikan-teny VPKT

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0420 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org