Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay

1 Zanahary ô, tahio ny Tanindrazanay
 Handroso lalandava, handry fehizay:
 Enga anie hanjaka ao ny saina sy fo mahay miray,
 Dia ho tany sambatra 'lay Madagasikaranay.
 
2 'Reo mpitondra anay arovy lalandava koa,
 Tolory saina hendry, kinga sy mahay;
 Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa,
 Dia ho tany sambatra 'lay Madagasikaranay.
 
3 Ny taranakay tahio, ho vanona tokoa,
 Ireo no solofo, dimby rahatrizay,
 Mba ho tena mahatoky, feno fahendrena koa,
 Dia ho tany sambatra 'lay Madagasikaranay.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Firenena
Fihirana Dera p. 153
Fihirana Hasina p. 135
Fihirana Vaovao p. 440
Vavaka sy Hira p. 770
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0484