Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana

1 Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana
 Nahalala sy niaiky fa mamy 'tony aina!
 Mirindra sy milamina ny misy manontolo
 Mandravaka an'izany...  Somambisamby ihany!
 Kristy no Fiadanana azo antoka ho antsika. (indroa)
 
2 Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana
 Nahatsapa sy niaiky fa ao ny Zanahary,
 Mpandahatra toavina, fa mandamina hilanto
 Ny lanitra sy tany... Somambisamby ihany!
 Kristy no Hazavana izay nomen'ny Ray antsika. (indroa)
 
3 Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana
 Nankamamy sy niaiky firaisan-kina mafy:
 Tsy ala ny hazo tokana, ka miara-misalahy,
 Tsy hisy hanoha riana... Sombambisamby ihany!
 Kristy no nandefa ny Fanahy hiraisantsika. (indroa)
 
4 Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana
 Nanantena sy niaiky Fanahy tsy ho faty,
 Tsy safotry ny fasana na haizina mikindro
 Ka afaka mitahy... Sombambisamby ihany!
 Kristy no tena Aina sady santatra ho antsika. (indroa)
 
5 Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana
 Naminany lalandava fihaonambe mitohy;
 Satria ny faniriany tsy hisara-mianakavy
 Tsy lefy tao am-pony... Somambisamby ihany!
 Kristy no nanambara fa ny Ray no miandry antsika. (indroa)

Nampiditra Belle
Sokajy Firenena
Ankalazao ny Tompo p. 184
Fihirana Dera p. 228
Fihirana Hasina p. 134
Fihirana Vaovao p. 221
Vavaka sy Hira p. 489
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089