Niseho an-karihary

1 Ny fahasoavan'Andriamanitra niseho an-karihary
 Loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra,
 Ka mampianatra antsika mba hiala
 Amin ny ota 'zay mpahazo ny tsy mpino,
 Sy filàna 'zay mpisarika ny olona eto an-tany.

Niseho an-karihary ny fahasoavan'Andriamanitra.

2 Aoka ho malina isika, ho mpivavaka tokoa
 Sy hanaraka ny marina amin'ny androntsika izao,
 Fa miandry ny hasambarana nantenaina,
 Ny fisehoan'ny voninahitr'i Jesoa,
 'Lay Kristy Mpamonjy antsika Andriamanitra Mahery.

3 Ary izy rahateo dia nanolotra ny tenany
 Hanavotany antsika amin'ny hadisoan-drehetra
 Sy mba hanasany antsika ho voadio,
 Fa natokany ho vahoaka mba ho azy,
 Sy nikely aina fatratra amin'ny fanaovan-tsoa.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 128
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3453