Mino Tompo iray

1 Ary izao tontolo izao,
 Noharina mba ho iray:
 Anohonan'ilay Ray
 Hiombona amin-Janany.

       Simbam-panavahana!
       Toy ny ondry nobaboina,
       Ka mihahaka daholo,
       Mitsitokotoko eny.

 Fa ny Ray no Mpahary
 Tsy mba sasatra miandry;
 Ary sitraky ny fony
 Mba tsy hisy iray ho very.

Tompo ô, angony indray
Ny ondrinao fa te ho iray,
Mba ho tokana ny vala,
Ka ho iray mandrakizay.

       Ny Batisa dia iray!
       Ny Finoana dia iray!
       Ny Fiangonana iray!
       Satria mino Tompo iray!

Homba antsika tsy ho rendrika
Ny fitiavan'Andriamanitra,
Kristy Tompo iraky ny Ray,
Ny Fanahy antoka izao

       Hitàna...

Ny Batisa dia iray, sns...

2 Tonga nofo aman-dra
 Ilay Zanaky ny Ray,
 Ka miantso ny mpanota
 Sy manangona ny very.

       Simbam-pisarahana!
       Ka misampana ny dia
       Nefa miantso an'izy Tompo.
       Ny tsy mino tohina.

 Tsy havelan'izy Ray
 Hisy vala maro intsony,
 Fa ho tokana hijoro
 Hanambara an'i Jesoa.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 127
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3707