Litanian'ny Olomasina

Masina ianao, ka ianatrao izahay e!

Andriananahary Andriamanitray ô, avia atreho izahay e,
Ianao, ry Kristy Tomponay ô, avia atreho izahay e,
Ianao, ry Fanahy Andriamanitray, avy atreho izahay e.

Ombao vavaka izahay e!

Ry Masina Maria Reninay ô
Ry Masina Misely arkanjely ô,
Ianareo, ry anjely masin'Andriamanitra ô,
Ianareo, ry Md Zôzefa ô,
Ry Md Joany Batista ô,
Ianareo re, ry Md Piera sy Paoly ô
Ianareo, ry Md Andrea ô,
Ianareo, ry Md Etienina ô,
Ry Mb Maria Madelenina ô,
Ianareo, ry Md Laurent ô,
Ry Md Iniasy avy any Antiôsy ô,
Ianareo re, ry Mb Aniesy ô,
Ry Mb Terezy tao Avilà ô,
Ianareo re, ry Md Gregoara ô,
Ianareo re, ry Md Augustin ô,
Ianareo re, ry Md Bazila ô,
Ianareo re, ry Md Benoà ô,
Ianareo re, ry Md Fransoa ô,
Ry Md Joany Evanjelista ô,
Ianao, ry Mômpera Berthieu ô,
Ry Md Ignace de Loyola ô,
Ianareo, ry ...

* * Ianareo rehetra, olomasin'ny Tompo ô,
    Ianareo rehetra efa nialoha lalana ô.

Avia manatrika, avia manoloana!

Afaho 'zahay, ry Tomponay e!

Afaho amin'ny ota mamatotra anay ô,
Amy fanandevozan'ny ratsy rehetra ô,
Amy fahafatesana mandrakizay ô,
* * Noho ny Zanakao tonga nofo ô,
    Noho izy maty sy nitsangan-ko velona,
    Noho ny nidinan'ny Fanahy Masina.

Henoy vavaka izahay e!

Arovy, tantano ny Fiangonanao ô,
Herezo hanahaka ilay endrikao ô,
Tsinjovy mandeha ny vahoakanao masina ô
Hiadam-pinaritra manompo anao ô,
Arovy ny Papa, ny Eveka rehetra ô,
Ny mpandraharaha masina rehetra ô.
* * Ary ity zanakao voafidinao ô
    Avia tsofy rano, ry Tompo mahery ô,
    Avia hamasino, ry Tompo mahery ô.

Masina ianao, ka iantrao izahay e!

Andriananahary Andriamanitray ô, avia atreho izahay e,
Ianao, ry Kristy Tomponay ô, avia atreho izahay e,
Ianao, ry Fanahy Andriamanitray, avy atreho izahay e.

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 90
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086