Mazàna, raha tonga ny onja mahery

1 Mazàna, raha tonga ny onja mahery
 Misedra ny laka-nitàna
 Dia tsy hita intsony ny lalan-kaleha
 Sy tanjona izay hiafarana.
 
 Satria tsy mba mety ho fantatro
 Fa ny fanahy tsy mba irery raha mino
 Fa na maizana antoandro ny dia
 Ianao eo ihany kanefa hadino.
 
2 Ny lalan-kizoran'ny diako anio
 Toa efitra manjepizepy
 Dia ny heriko irery no sisa manentana
 Kanefa tsy ela dia kivy.
 
3 Ny toky amin-joky izay tsy mahafoy
 Fa manampy raha tojo manjò
 Dia efa hikipiako na koa dia hariako
 Satria enti-toky ny foko.
 
4 Mahita anoloana ity rahon'akora
 Ka mihevitra mangenahena
 Dia tsy mba hijoro amin'ny saina matoky
 Tsy hanaiky ho resy resena.
 
5 Ny fody eny an-tsaha aza
 Misy manafy sy miahy isan'andro mihiratra
 F'izaho no tsy latsa-paka amin'ny teny hoe:
 Ianao eo mandrakariva. 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 72
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242