Masìna ianao, ry Hazo

1 Masìna ianao, ry Hazo nohamasinin'i Jesoa:
 Arovy aho tsy ho resin'ny fanirin-dratsiko.
 Raha izaho ho afaka aina, 'zaho te hanoroka anao,
 Ka ianao no hanamasina sy hampandefa ny aiko:
 Hazo isaorana, Hazo masina.
 
2 Taloha ny hazofijaliana henatr'izao rehetra izao;
 Fa anio izy tonga saina fireharehanay rehetra;
 Izy rovan'ny olo-meloka sy ny mbola marina am-po,
 Izy no mampangorohoro sy maharesy ny demony:
 Saina hajaina, saina masina.
 
3 Raha amin'ny farandro loza, rahefa hitsara anay i Jesoa,
 Ny saina hiseho avy amin'ny hazavana be;
 Ka hidona ny kotrokotroka sy ny ela-baratra be,
 Ary hohelohin'i Jesoa 'zay tsy nanao sy 'zay nandà:
 Saina atahorana, saina masina.

Nampiditra Belle
Sokajy Karemy
Fihirana Dera p. 112
Fihirana Hasina p. 68
Fihirana Vaovao p. 396
Vavaka sy Hira p. 691
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1337